22-févr-2022
Misy toe-draharaha tsy milamina indray ao anatin’ny Orinasa Jirama. Tale manodidina ny 35 amin’ireo 48 eo anivon’ny JIRAMA no mety hoesorina sy hosoloina, raha ny loharanom-baovao azo.
Hamaky ny tohinySamy miandry ny ho fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika ny mpanara-baovao. Ahoana ihany ny ho tohiny? Iza no hodakana ary iza no hotazonina?
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Hiverina an-tsehatra indray etsy amin’ny No comment bar etsy Isoraka ny sabotsy izao ny mpanakanto mpiangaly ny mozika Rap, Big Jim Da.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Tsy mitaza-potsiny ny zava-misy ao Mananjary ny fitondram-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina omaly.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Raha vao miresaka vatsy tsinjo, tosika fameno, vola noho ny antony fitsimbinana ara-pamokarana sy ny hafa rehetra dia tafiditra ao anatin’ny atao hoe FSS na “filet sociaux de sécurité” izay,
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Manana olona tena mahavita azy ve ny antoko sy vondron’antokon’ny fitondrana? Ho avy indray mantsy ny mety ho fikitihana na fanovana governemanta.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny dia nisy ny korana nataon’ny avy eo anivon’ny FI.Mpi.Dimy na Fikambanan'ny Mpikabary ety amin'ny Boriborintany fahadimy,
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Samy miandry izay ho fanapahan-kevitra momba ny governemanta ato ho ato isika, izay re fa rahampitso zoma 23 febroary 2023 izay mifanandrify amin’ny filankevitry ny minisitra isaky ny alarobia no mety hisian’izany,
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Nampindrana milina mpihary herinaratra na « groupe électrogène » roa ny Jirama ao Toamasina ny orinasa Ambatovy.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Ao anatiny hatrany amin’ny ezaka fanorenana toerana fitaizana tanora ao Ambohidahy izay hifarimbonan-drizareo zanaka am-pielezana ao amin’ny kaominina Ambohidanierana
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Hiverina handray ny asany avokoa ireo vaditany rehetra manomboka anio talata 22 febroary ireo raha nisy ny fifampidihina niarahan’ny birao holafitra nasionaly sy ny minisiteran’ny fitsarana manoloana ny fitakian’ireo vaditany
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Notanterahina ny 20 febroary 2022 nanoloana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo ny fanokafana ny hetsika fanaovam-bakisiny eto Antananarivo Renivohitra sy ireo Kaominina 37 manodidina eto Analamanga izay mivondrona
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Mampitainana ireo mponina izay mipetraka amin’ny toerana iva eto an-drenivohitra rehefa milatsaka ny orana indrindra amin’izao fandalovan’ny rivo-doza Emnatiny fiakaran’ny rano.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Manetsika ekipa maro ny Croix-Rouge mba hisorohana ny havesatry ny fiantraikan’ny rivodoza Emnati, araka ny fampitam-baovao niainga avy eto Antananarivo, Nairobi, ary Génève omaly 21 febroary 2022.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny trano fiantohana ara-pahasalamana AFAFI etsy Behoririka ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasan’ity trano fiantohana ity sy ny Randrana sendikaly. Anton’izany,
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
Nahatratra 60% tamin’ny taona 2021 ny tahan’ny fandoavan-ketra ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.
Hamaky ny tohiny
22-févr-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.