01-mars-2022
Mangina tanteraka ny tohin’ireo dosie goavana nahasaringotra olona ambony, izay nivadika ho raharaham-panjakana.
Hamaky ny tohinyManomboka mitsioka eto amin’ny tanintsika ny rivotra politika iraisam-pirenena eo anatrehan’ny ady manahirana ireo firenen-dehibe.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Nanomboka omaly tany Bielorrussie tany amin’ny sisin-tany manasakara azy amin’i Ukraine ny fifampiresahana mikasika ny ady any Ukraine.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Ankoatra ilay volamena 2,2 kg tratra tany Kaomoro tamin’ny herinandro ambony, dia nisy volamenanivoaka tany Dubaï ny zoma 18 febroary, hoy ny ampamoakan’i Fanirisoa Ernaivo omaly.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Tena miparitaka ny zava-mahadomelina mahery vaika heroine eto an-drenivohitra. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina lehilahy iray 44 taona mpamatsy izany , monina eny Antohmadinika ,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Namoaka fampitam-baovao ny Masoivohon’ny Federasionina Russie eto Madagasikara Andrey Andreev omaly, fa nisy ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy Patrick Rajoelina.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Raha nahoraka be teo aloha teo ny fizarana fanampiana “Vatsy Tsinjo” ho an’ireo traboina teto an-drenivohitra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai dia mbola tsy nahazo ny anjarany kosa ny teny amin’ny distrikan’Atsimondrano
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Aleo tsy miteny aloha ny firenena malagasy, hoy ny filohan’ny parlemanta Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, raha ny mikasika ny ady ifanandrinan’I Rosia sy Okrainina, satria tsy zakan’ny traikefan’ny fitondram-panjakana izany.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Tsy hay intsony na midoroka zava-mahadomelina na manao zavatra hafa ity lehilahy iray 49 taona monina any amin’iny faritra Miarinarivo Itasy iny.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Samy mangina na ny mpitondra na ny mpanao politika malagasy manoloana ny ady any Ukraine. Mitandrina mafy satria tsy teo ho ratsy eo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia ny Rosanina
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Ahitana trano iray miorina anaty rano ao anatin’ny farihin’Andranotapahana efa ho 4 taona izao. An-kavanan-dalana izy io raha hiakatra ho any Ambohidratrimo.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Manoloana ny ady mitranga any Okrainina, Rosia sy ny vondrona OTAN, dia mitondra ireto fanehoan-kevitra ireto izahay Antoko Politika Madio na APM,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Raha mbola tsy foana tanteraka fa mbola namono olona 16 isa tamin’ny faran’ny herinandro teo ilay valan’aretina Covid 19 teto amintsika dia efa marobe sahady ireo tsy mivaky loha intsony ny amin’ny fiarovan-tena tokony hataony.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Nanetsika ny andian-tafika FAZSOI (Forces armées dans la zone sud de l’océan Indien) nitondra tohana sy fanampiana vokatry ny fiantraikan’ny rivodoza,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
Madagasikara no firenena voalohany tokony hanan-karena indrindra raha manaja ny fahendrena sy ny soatoavina Malagasy ny tsirairay ka tsy manao tsinontsinona sy mamingavinga izany mba hanotana fady.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.