15-sept-2022
Tsy milamina ny tany ! Zazalahy tokony 12 na 13 taona eo eo hita faty teo avaratra kelin'ny tanàna Mahatsinjo any amin’ny làlam-pirenena RN4.
Hamaky ny tohinyTao anaty haizim-pito nandrenesana antsoantso, hoy ilay hira efa ela. Eny, Anaty haizim-pito ara-bakiteny tokoa ny firenena ankehitriny ary miha miditra lalina amin'izany.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Atao matotra, hoy ny Randrana sendikaly! Efa napetraka eto Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny fampiakaran-karama 250.000 Ariary ny 1 mey teo.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Niteraka resabe teto amintsika tato ho ato ilay fanaovana hetsika kopia faobe tanterahin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Ati-tany.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Sendikan’ny Administratera sivily na ny SYNAD manoloana ny fanapahan-kevitra ara-panjakana mikasika ny raharaha Ikongo.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Taorian’ny tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny firosoana amin’ny fanamboarana tobim-pamokarana angovo miainga amin’ny riandrano (centrale hydroéléctrique)
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Nandray ny an’Atoa Neil Walsh, solontenan’ny birao rezionalin’ny ofisin’ny firenena mikambana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny helokabe vava ho an’i Afrika Atsinanana na ny ONUDC ROEA ny jeneraly
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Taorian’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) nanambara ny tsy handray anjara amin’ny fanaovana ny Fitsarana mitety vohitra na “jugement supplétif” sy ny sora-piankohonana izay ahafahana misitraka
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Maherin’ny 494 tapitrisa dolara ny vola vahiny amin’ny anaran’olon-tsotra sy orinasa matory fotsiny any amin’ny banky,
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Tovovavy iray vao 21 taona monja no hita faty tao anaty tanin-tsaonjo ao Ambanitsinanana Ivandry omaly takariva, araka ny vaovao re omaly hariva.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Nikorapaka eo anatrehan’ny fikatsoan’ny tetikasa fizarana kopia sy karapanondro faobe ny Fanjakana.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Ny tanàna madio no antoky ny fahasalaman’ny mponina ao aminy. Hotanterahina tsy misy fangarony izany ho an’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Manana 1 taona sy 2 volana sisa ny fitondrana ankehitriny raha atao hoe mialohan'ny fifidianana 2023.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Nisy omaly ny fampitam-baovao naneho fampitandremana eo anatrehan’ny fanendahana any anaty taksibe. “Mitandrema eo amin’ny fiantsonana Anosibe tsena...
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Namoaka fampitam-baovao ho an’ny besinimaro ny Goethe Zentrum - Antananarivo/Cercle Germano-Malagasy na CGM izay manana ny Foibeny etsy amin’ny Immeuble Ifanomezantsoa Analakely Antananarivo 101 omaly 14
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Hotanterahina manomboka rahampitso alakamisy 15 septambra ary tsy hifanarana raha tsy amin’ny 09 oktobra ho avy izao ilay fifaninana iraisam-pirenena amin’ny taranja tennis hatao eny amin’ny
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny tetezana Androhibe, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mahatsinjo omaly maraina.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Nahazo sekoly vaovao na “ École Communautaire” ny ao Ambaralamba Nord, fari-pitantanana ara-pedagojia (ZAP) Arivonimamo II, fari-piadidim-pampianarana Arivonimamo, fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Itasy.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
Niaka-bidibe indray Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tato ho ato, indrindra fa ny vary.
Hamaky ny tohiny
15-sept-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.