16-sept-2022
Nanamafy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé nandritra ny fampitam-baovao nataon’ny zandary, fa fanarahana ny lalàna no nataon'ny mpitandro filaminana tany Ikongo ho fiarovana ny lakazerina.
Hamaky ny tohinyMaro ireo raharaha mafampana, naharavana fananana sy namoizana ain’olona teto amin’ny firenena no tsy mbola
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Nangina tanteraka ny raharaha fahafatesan’I Julien na Petit, ilay mpiasa sivily tao amin’ny Akademia Miramila Antsirabe, izay voalaza fa novonoin’ny miaramila tao amin’ity ivon-toerana ity.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Tena hanarian’ny firenena maro vola betsaka ny fisian’ny fanjonoana tsy ara-dalana hataon’ireo tsy mataho-tody amin’ny sisin-dranomasina.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Nisy ny atrikasa fakan-kevitra ho fanavaozana ny làlana hiarovana ny omby gasy, araka ny tatitra nataon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) omaly.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Taomina amin’ny kamio, mety hizarana vola, hampijerena fampisehoana maimaimpoana, avy eo alaina sary,… dia hoe: lany i Andry Rajoelina amin’ny 2023!
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina haharitra telo andro ilay foaraben’ny hazandrano andiany faharoa, karakarain’ny Ministeran’ny jono.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Namory ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny tafika ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Léon Richard ny andron’ny omaly.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
15 taona izay no nijoroan’ny fikambanana Ny Apinga kabary ara-panjakana, hoy ny filohany, Manampisoatoavina Mitahiry Fahendrena.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Misy te hamboly korontana ve eto sa misy te hampiseho tsotra izao ny maha jiolahimboto azy, hoy ny mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, Clémence Raharinirina?
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Nahavita fanadihadiana mahaleotena tany Ikongo ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona na CNIDH,
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Toeram-pivarota-mofo iray na irony antsoina hoe : boulangerie irony no nisy nanafika omaly folakandro teny Ankadindramamy. Jiolahy miisa 4 raha araka ny vaovao azy no nanafika azy io.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Tsy mety milamina ny sehatry ny fampianarana ambony, fa grevy sy fitakiana lava. Tapitra omaly 15 septambra ny fe-potoana 72ora nomen’ireo mpiasan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hamaliana
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Vehivavy iray 26 taona no tratra nivarotra heroine teny Antohomadinika afak’omaly Alarobia 14 Septambra atoandro tokony ho tamin’ny 01 ora.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Etsy amin’ny Jao’s pub Ambohipo no fotoana ho tolo-tanana ho an’ny mpanakanto Ninie Donia ho amin’ity zoma 16 septambra ity sy rahampitso sabotsy 17 septambra.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Hifanome tanana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana ny zandary ao amin'ny FIGN sy CIRGN Antananarivo miaraka amin’ireo fokonolona ao anatin’ireo kaominina maro ivelan’Antananarivo renivohitra.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Hotanterahina any New York ato ho ato ilay fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana ny fanabeazana karakarain’ny fandaharan’asa CERES sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tany amin’ny lalam-pirenena fahaefatra afak’omaly.
Hamaky ny tohiny
16-sept-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.