tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 14-oct-2022

Politique

Nivadi-dela ny Fitondrana Manameloka an’i Rosia indray i Madagasikara

14-oct-2022

Niova hevitra ! Nisafidy ny hanameloka an’i Rosia eo anatrehan’ny « annexion » na fakana ny ampahan-tanin’i Ukraine dia i Loghansk, Donetsk, Kherson, Zaporijia ho isan’ny fireneny tamin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Miantso ny fanjakana ny FISEMARE “Fisondrotana fa tsy fihenan-karama no ilaina amin’ny 2023”

Taorian’ny didim-pitondrana fampiharana ny didim-panjakana fampidinana karama dia tsy mazava anay eto anivon’ny

Sosialy

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Voka-pikarohan’ny mpianatra Malagasy Azo avadika ho biriky hanaovan-trano ny taratasy

Tsy mitsaha-mivoatra ny fikarohana hataon’ny mpianatra eto amintsika. Efa azo havadika ho biriky hanamboaran-trano ny taratasy amin’izao no sady mora vidy kokoa. Ireo taratasy tsy ilaina intsony miparitaka eny rehetra eny no

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Tatitry ny CNIDH « Nahatratra 14 ny herisetra nataon’ny miaramila ho an’ny 2022 »

Nahatratra 14 ireo tranga naharaisana fitarainana sy tatitra mazava momba ny herisetra nataon’ny miaramila tamin’ny faritra maro teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Vaomieram-pirenena momba ny zon’olombelona na ny CNIDH.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Mandritsara Voatery misotro rano tsy ara-pahasalamana ny mponina

Voatery misotro rano tsy ara-pahasalamana ny ankamaroan’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandritsara. Ireo mponina ao amin'ny fokontany Ambohimandroso no tena mitondra faisana amin’izany indrindra fa ireo mpianatra

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Marc Ramiarinjatovo Hisy ny «Dinika nasionaly »

Mandeha ary miditra amin’ny dingana vaovao ny firosoana amin’ny hanatanterahana ny « Dinika nasionaly » eto Madagasikara handaminana ny olana misy sy hisorohana ny mety hitranga mialoha,

Politique

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Mitaraina ireo mpiasa Tsy mipetraka ny lalàna fototra momba ny asa

Izahay mpiasan’ny orinasa afakaba angamba isany mampidi-bola anaty kitapom-bolam-panjakana nefa tsinontsinoavin’ny mpitondra rehefa misy fampiakarana karama,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Sendikan’ny Artista “Efa tena lasa Minisiteran’ny Setrasetra sy Kakay io”

Miditra amin’ny dingana ambony kokoa ny sendikan’ny artista, izay mitsipa-doha tanteraka ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Kaominina Ampitatafika Mitety fokontany mampandry fahalemana ireo tompon’andraikitra

Nirongatra ny tsy fandriampahalemana tao anatin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano tato anatin’ny iray volana izao.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Arivonimamo In-telo notafihin’ny dahalo tao anatin’ny iray volana

Notafihin'ny dahalo afak’omaly alina ny tananan'Ambohimanambola kaominina ambanivohitra Amboanana distrikan’ Arivonimamoka.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Jean Jacques Ratsietison “Soloy, hoy aho, io minisitry ny angovo io”

Ny mahagaga ahy amin’ilay resaka Tsimiroro, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison, dia toy ny vonoina ilay izy. Nanao fifanarahana, hoy izy, ny fanjakana.

Politique

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Solika mavesatra Tena efa manomboka mivarotra ny Madagascar oil

Hanomboka hamatsy solika ireo orinasa indostrialy Malagasy ny Orinasa Madagascar oil SA, araka ny lahatsoratra navoakan’ny fampahalalam-baovao ara-toekarena Agence Ecofin ny fiandohan’ity herinandro ity.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
FMI Malagasy “Tsy afaka mitantana an’I Madagasikara ny fanjakana”

Tsy misy tsy miteny hoe ny fahefa-mividy no olana voalohany eto Madagasikara, hoy ny antoko politika FMI malagasy na Fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy.

Politique

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Ady amin’ny afo ao Ambohitantely Matevina ny ekipa ho any anio

Hisy fiaraha-mientana hotarihin'ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy anio zoma 14 oktobra manoloana ny ady amin’ny afo, misy ao Ambohitantely Ankazobe.

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Antanimalandy, Mahajanga I Narian-dReniny ilay zaza menavava

Zaza menavava iray fantatra fa lahikely ary manodidina ny 3 volana eo ho eo no narian-dreniny tao amin'ny fokontany Antanimalandy, kaominina sy distrikan’i Mahajanga I omaly maraina.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Ankorondrano Tratran’ny polisy ireo mpisoloky volamena

Roalahy tena havanana amin’ny asa fisolokiana sy fivarotana volamena no fantatra fa saron’ny polisy teny Ankorondrano omaly.

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Card image cap
Misavovoamboana mandavan-taona

Miroso hatrany mankany amin’ny fiainam-pirenena manjavozavo i Madagasikara. Miha milentika hatrany kanefa, mbola miharihary hatrany ny finiavana politika mbola hanao izay fomba rehetra hitazonana fahefana ho an’ny

Edito

Hamaky ny tohiny
14-oct-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus