03-nov-2022
Lakana voizina amina fivoy tapaka izany fikaonandoham-pirenena tsy handraisan’ny fitondram-panjakana anjara izany, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.
Hamaky ny tohinyTsy misy mihetsika, mba tsy hilazana hoe tsy miroso, eny, tsy misy mandroso mihitsy ny fianan’ilay fiarahamonina eto Madagasikara na koa hoe ny fiainam-pirenentsika tao anatin’izay 4 taona izay.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Ny 62%n’ny tana na “caméléon” eto amintsika dia tsy misy afa-tsy eto, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Loharanom-baovao mari-pototra no nampita fa nampiasain’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena sady Minisitry ny raharaham-bahiny vonjimaika ny angidim-by an’ny tafika Malagasy ny talata 01 novambra 2022 teo.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Efa tonga eo anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Notokanana omaly 02 novambra 2022 ny “American corner” ao Mahajanga habaka harifomba, izay hampifandray an’i Mahajanga amin’i Etazonia sy izao tontolo izao.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Initiative pour l’émergence de Madagascar” no noresahan’ingahy Andry Rajoelina tamin’ny propagandiny, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Ny nataonay dia tahirin-kevitra fototra na “document cadre”, hoy ny loholona teo aloha sady mpandraharaha, Joseph Yoland, mitondra ny lohateny hoe “Madagascar le changement”.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Faniriantsika rehetra ny handrosoan'i Madagasikara fa rafitra mitovy amin’ny kolontsaina sy ny rafi-piarahamonina Malagasy miorina amin’ny fokonolona no mety eto fa tsy copie collé mety tamin’ny tany ivelany;”,
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
10 taona izay no nitsanganan’ny antoko politika Avana na Antoko vahoaka aloha no andrianina, hoy ny filoha mpanorina azy, Dr Jean Louis Robinson.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Hotanterahina any Londres Royaume-Uni ny 7-9 novambra 2022 ny fampirantiana ara-pizahantany lehibe momba ny tsenan’ny fizahantany World Travel Market na WTM. Fotoan-dehibe tsy azo hihodivirana ho an’ireo matihanina
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Mbola ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Halloween hatrany isika eto Madagasikara sy ireo firenena hafa any ivelany amin’izao.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
Tsikaritra ho miisatra indray tato ho ato ny tontolon’ny tambazotran-tserasera sy ny aterineto. Ny tambazotra Facebook moa no tena mampitaraina ireo mpampiasa azy.
Hamaky ny tohiny
03-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.