29-nov-2022
Mitohy ny hetsika fanehoam-pahatezeran’ny mponina manakaiky ny làlam-pirenena voalohany sy ny mifandray amin’izany noho ny delestazy lava.
Hamaky ny tohinyToa ifandovana eto amin’ity firenena ity ilay hoe: mahay manakiana sy manenjika ny hafa, mitanisa ny lesoka sy ny faharatsiany, fa lasa toa minia mikipy sy tsy mahita ny maso rehefa jamban’ny seza sy ny fahefana.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Tovolahy vao 22 taona monja antsoina hoe: Dim no maty tsy tra-drano ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo tao Manakara tsy lavitry ny Lapan’ny tanàna na ny Hotel de Ville.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Nohadihadian'ny mpitsara mpanao famotorana i Mahery Lanto Manandafy omaly, taorian’ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika nanomboka ny 30 septambra 2022 teo.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Nahoraka hatramin'ny faran'ny herinandro teo ny fandresena miezinezina azon'i Anisha,ilay tovovavy Malagasy 22 taona nandray anjara tamin'ilay fifaninanan-kira Star Academy nokarakarain'ny fahitalavitra TF1 ao France
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Naneho ny alahelony sy ny hasosorany koa ny faritra hafa ny Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny Artista Morichidy Abdallah omaly, izay nanakiana mafy ny fihetsiky ny avy amin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Hentitra amin’ny fampanaovana arovava orona ny mpianatra ireo sekoly maro isan-tsokajiny eto amintsika amin’izao.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Olan’ny firenena malagasy dia tena mbola tsy fantantsika tsara mihitsy hoe ho aiza marina moa isika ity, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Teo ambany fitarihan’ny filohan’ny IDC-CDI, Andrés Pastrana, no nanatanterahana ny fivoriana faran’ny komity mpanatanteraky ny IDC-CDI ho an’ity taona 2022 ity, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Mijery ny zavamisy eto Madagasikara mialohan’ny irosoana amin’ny tetiandrom-pifidianana ireo iraky ny vondrona SADC ka taorian’ny mpanao politika isan-karazany,
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Nanao antsoavo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny mpanolontsain’ny tanana mikasika ny hetra takiana amin’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana omaly ireo mpanabe ao anatin’izany.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
6 volana sazy mihantona miampy onitra 6 hetsy Ar! Io no didin’ny fitsarana tao Mahajanga omaly mikasika ny raharaha fanagadrana an’i Afakandro Christian izay naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny 27 septambra.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Lehilahy miisa telo no tratran’ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy teny Talatamaty sy Ambohimangakely ny 25 Novambra teo rehefa nivarotra sy nifoka rongony.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Nampahafantarina tetsy Andavamamba omaly ny fijoroan’ny sekoly tsy miankina amin’ny finoana eto Madagasikara. 41 000 eo no isanay erak’i Madagasikara, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Célin Rakotomalala.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Olona miisa fitobe izao omaly no voatery naiditra hopitaly tany Analapatsy, distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anosy. Raha araka ny fantatra dia tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana Atsantsa boriloha na "requin" izy ireo.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Toerana iray fikarakarana ny reny sy ny zaza ny atao hoe “cabinet d’accouchement”, hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny “cabinet d’accouchement” iray etsy Namontana, Ramasiharilala Mbolatiana Mirah.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Mahita ny fikambanana Alluma na “Association lumière de lune de Madagascar” fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny firenena, hoy ny filohany, Ali Peter.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
Tokantrano manodidina ny 700 ao anatin’ny distrikan’Ivohibe no mahazo tombotsoa amin'ny tetikasa avy amin’ny tetikasa Fiarovana novolavolain’ny Conservation International Madagascar, ary vatsian’ny GCF avy any Washington vola.
Hamaky ny tohiny
29-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.