17-févr-2022
Naneho hevitra momba ny raharaha fialan’ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly,
Hamaky ny tohinySamy miaro ny rambony tsy ho tapaka sisa ny ao anaty Fanjakana, fa ny ady efa miha mangotraka. Misy ny ady mangatsiaka goavana miotrika,
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Mpitsoa-ponenana teratany Malagasy miisa 52 no naverin’ny manampahefana Kaomorianina aty Madagasikara, rehefa tratra tany amin’ny moron’i Mohéli ny fiandohan’ity volana febroary.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Taorian’ny tombana nandritry ny fivorian’ny komity tekinika eo anivon’ny ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana eto amintsika na ONE
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Midangana izay tsy izy ny vidin’ny savony amin’izao, ary tena nisongadina io nanomboka ny fiandohan’ny febroary. Milaza ireo orinasa mpamokatra savony fa noho ny fiakaran’ny tataon-ketra na “droit de douanes”
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Manoloana ny fiampangana an-gazety sy haino aman-ery nataon'ny Depiote Naivo Raholdina ny Ben'ny Tanànan'Ampitatafika ho niray tsikombakomba tamin'ny fikasana hamono azy,
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Hafahafa ny rivotra mitsoaka ao anaty Fanjakana. Matoa tonga tamin’ny fialana sy fanesorana minisitra, dia efa tsy mitoetra intsony izany ny firaisan-kianan’ny governemanta.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Lehilahy miisa roa 18 sy 20 taona ny no nosamborin’ny polisy omaly 16 Febroary rehefa avy nidoroka zava-mahadomelina.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Nohamafisina fa tsy azo ampiasaina ary raràna mafy manerana ny Nosy ny fampiasana ny fiara matroka fitaratra na “vitres fumées” na “non tranparentes”
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Eto Madagasikara nanomboka ny 14 febroary ny iraka avy amin’ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na OMS,
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Any amin’ny fivoriana iraisampirenena any Eoropa moa amin’izao fotoana izao ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
“Manao izay tsy itiavana azy mihitsy kosa izao fitondrana izao, raha ny fahitana azy. Aiza ve koa efa mpivady no mitantana ny CENI sy Ministeran'ny Asam-panjakana no mbola homena azy ireo koa ny Fitsarana?
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Miroso amin’ny ady hatao amin’ny tsy fandriampahalemana mba hananan’ny mponina fiainana milamina ny eo anivon’ny kaominina Alasora, tarihin’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Maro ny fitarainan’ny mponina eny amin’iny faritra Anjanahary iny noho ny resaka vaky trano izay nanao sesilany tato ho ato.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai izay nandravarava sy nampitondra takaitra ny faritra maro, nitondra fanampiana ho anjara biriky ho an’ny traboina ny orinasa Rio Tinto QMM.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Lehilahy miisa 11 no nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Boriborintany fahaefatra ny 15 febroary lasa teo tokony
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Nahitana fatin’olona teny Ampasika omaly vao maraina. “Raha ny tazana dia manao kiraro, manao gant, manao blouson ary efa tapaka ny tanana havia”,
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Jiolahy iray 32 taona no lavon’ny balan’ny Polisy tao Ihosy ny 15 febroary atoandro teo tao amin’ny fokontany Tanambao rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana.
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
Tafakatra 420 sahady ny isan'ireo olona avy ao amin'ny fokontany Antsiranampasika Toamasina voatery nafindra any amin'ny E. P. P Analamboanio omaly
Hamaky ny tohiny
17-févr-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.