09-juin-2022
Raha hitaraina sy hiantso vonjy ary haneho hahatezerana eny fa misy mahateny ratsy mihitsy aza ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mankaleo, dia raisina ho tsy fitiavana sy finiavana hitsikera ny fitondram-panjakana.
Hamaky ny tohinyAnkehitriny, 80% amin’ny raharaham-pitsarana dia ady tany avokoa. Ampahatelon’ny raharaha ihany no voatsara. Isaky ny manao fitsidiham-paritra, tsy misy toerana na iray aza tsy hisian’ny fitarainana momba ny fananan-tany,
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Tera-tany vahiny miisa 4 ahitana Afrikanina 2 sy sinoa 2 niampy Malagasy 6 no efa hanaovana fanadihadiana amin’izao taorian’ny nisamborana azy ireo
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena omaly 8 jiona 2022 ny volavolan-dalàna laharana faha-001/2022 tamin’ny 27 janoary 2022
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Eo anatrehan’ny olana amin’ny famatsiana herinaratra izay antony iray mampahery vaika ny delestazy, niaiky ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson omaly teo anatrehan’ny solombavambahoaka fa tena misY
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Manamarika ny faha-50 taonany ny Faritra Zezoita eto Madagasikara, izay ny 08 jona 1971 izany hoe ny taona 2021 no tena tsingerin-taona katroka saingy tsy afa-nankalaza izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana, ka izao
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Diso malaza loatra eto amintsika efa ho iray volana izao ny resaka halatra taova sy ny famindrana taova. Nitarika izany voalohany ny halatra voamaso nahazo ireo ankizy maromaro tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Marary ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est) na efa mba nahavelom-panantenana kely aza ny famelomana azy. Nanomboka ny volana may 2022 teo no nitokona ny mpiasa,
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Samy manana ny fomba entiny hanamarihana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-62 taona nahazoantsika ny fahaleovantena ny kaominina tsirairay avy.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny taranja baolina kitra omaly ny vondrona JCR. Teny amin’ny Green club Vontovorona no nanaovana ny lanonana.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Henonay ny fanambaran’ny CNAPS, hoy ny Randrana sendikaly, hoe miandry didy fampiharana iny fisondrotan-karama iny.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Misy manongotra ny ankamaroan’ireo sarona dalle eto an-drenivohitra. Ankoatra ireo eny Analakely dia nahitana izany maromaro indray teny Anosy izay marihina fa lavakabe tokoa ny ao ambaniny.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Tsy sehatry ny fivarotam-panafody ny mpitsabo Malagasy FITRAMA, hoy ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa,
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Efa nanao ilay hoe “Refondation du système pour le reel développement de Madagascar” ny tenako fony mbola CST, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Misaona ny tontolon’ny sary mihetsika Malagasy. Nodimandry omaly teo amin’ny faha-43 taonany ilay mpilalao sary mihetsika Rija Ratafika.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Roa herinandro eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona isika. Ankoatra ny fihinanana sakafo miavaka amin’ny mahazatra dia tsy afa-misaraka amin’ny fetin’ny Asaramanitra ny
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Efa tena tsy ara-dalana intsony ny toe-pahasalaman’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao vokatry ny hasarotan’ny fiainana.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Zava-dehibe izany, fa raha tsy nandrava hefa nanongam-panjakana 13 taona lasa efa tsy any amin’io intsony adihevitra e !
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
Niaraha-nahita sy naheno iny ny zava-nitranga nandritry ny fotoam-pandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena teny Ivato omaly.
Hamaky ny tohiny
09-juin-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.