Tsara kokoa ny mahafehy ny fahanginana toy izay andevon’ireo teny natao, hoy ny poeta anglisy, William Shakespeare izay.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Nihaona tamin’ny mpamatsy vola vahiny sy firenena matanjaka maro tany ivelany Randriamboavonjy Angelson, talen’ny tranom-pirim-pirenena teo aloha.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Delestazy tsy nifankahitana teto Antananarivo sy ny manodidina ny sabotsy teo. Nisy ny nanomboka tamin’ny 2ora sy sasany tolakandro,
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Nanamarika iny faran’ny herinandro iny ny fisian’ilay hetsika nataon’ny fitondrana Rajoelina izay atrikasam-pirenena mikasika ny fampiasam-bola ho an’ny Planina hoenti-mampandroso an’i Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Maro ny mpandinika politika fa mbola hirotsaka ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Naneho ny kosa ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM Depiote Fetra Ralambozafimbololona tao amin’ny fandaharana Adihevitra tao
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Hisy ny fandefasana anaty trano fijerena sarimihetsika indray ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Tabataba”, izay notontosain’i Raymond Rajaonarivelo, ny taona 1988 ny 12 novambra izao etsy amin’ny IFM Analakely.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Ravan’ny afo ny alan’i Madagasikara, hoy ny INDRI na ‘’Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”,
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Olona miisa 9 niakatra fitsarana ny herinandro teo, ka ny 5 voaheloka higadra 7 taona, ary ny 2 voaheloka 5 taona, 2 noahafahan’ny fitsarana.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Isan’ny nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny famaranana ilay « Forum national des investissements pour l’Emergence de Madagascar » ny sabotsy teo,
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Ankoatry ny fahatapahan’ny herinaratry ny jirama teny amin’ny faritra ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ka naha semban-drahona ny fampisehoana dia matotra,
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Nanao totoafo tato ho ato ny fanehoan-kevitra momba ilay lalana hodinihina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena mikasika ny fanomezana zom-pirenena Malagasy ireo tera-tany vahiny eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Nigadra iny Mahery Lanto Manandafy, hoy ny vadin’ity mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera ity, Doris Rakoto Samuel, ny sabotsy teo.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Nanao taratasy misokatra ho an'ny filohan'ny repoblika omaly ny mpanao politika sady mpandraharaha, Harivola Raharinosy. Andriamatoa Filoha hajaina, hoy izy.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Nifarana tamim-pomba ofisialy omaly alahady 30 oktobra rehefa naharitra am-bolana ilay lalao fifaninana Kopi kole nokarakarain’ny Tv Plus Madagascar manerana ny Nosy.30 moa ireo tafiakatra tamin’ny famaranana,
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Natao maty henjika i Hery Rajaonarimampianina raha nametraka ny vinany hoe: "Fisandratana 2030", tonga hatramin'ny vatam-paty teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Lehilahy miisa 5 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Poste Avancé Manantenasoa ao amin’ny Akany Akamasoa Père PEDRO ny Sabotsy 29 Oktobra teo rehefa nangalatra panneaux solaires tao amin’ny Akany.
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
Tena tsy misy azo hitokisana intsony ny olona amin’izao. Ankoatra ireo dadatoa, anadahy, dadabe….
Hamaky ny tohiny
31-oct-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.