tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 12-janv-2023

Politique

Teti-panorona politika Mandeha ny fikotrehana tetezamita?

12-janv-2023

Samy mahalala ny rehetra fa taom-pifidianana ity 2023 ity raha ny lojika ara-politika sy ara-tetiandro, fa indrindra ny lalàna.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Fialana bala sy fanamarinan-tena foana…

Ekena fa sarotra tokoa ny mitantana firenena, ka izay no tokony handinihana lalina satria tena tsy mety ilay hoe: eny am-pandrasana mahita ny atiny.

Edito

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Resaka varo-janaka lasa ady ara-tserasera Ny Fanjakana mandiso, ny depiote manamarina,…

Sesilany ny fandisoana avy amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana na rafi-panjakana samihafa nilaza fa tsy marina ny filazam-baovao milaza ny fisiana fivarotan-jaza ao Ikongo.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Joseph Yoland “Mila atao mitovy ny fampandrosoana isam-paritra”

Ny fiarovana ny firenena sy ny vahoaka madinika maro an’isa izao no tena iraka na “mission” eto, hoy ny loholona teo aloha, Joseph Yoland. Mila mahay manome lanja ireo harenantsika isika, hoy izy.

Politique

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Hery Rajaonarimampianina Higadona an-tanindrazana tsy ho ela…

Higadona tsy ho ela eto Madagasikara ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, araka ny vaovao niparitaka navoakan’ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Antoko HVM omaly.

Politique

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
CNIDH-Resaka varo-janaka any Ikongo “Fanomezana zaza ho an’ny havana afaka mamahana no nisy”

Tsy voamarina hatreto ny fisian'ny tranga fivarotan-jaza ao anatin'ny distrika n'lkongo, hoy ny Voamieram-pirenena

Politique

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Làlam-pirenena tsy noraharahiana Sesilany ny loza, sarotra ny fanarenana

Azo isaina amin’ny rantsan-tànana sisa ireo làlam-pirenena tena mbola tsara, fa ny ankamaroany potika tanteraka noho ny tsy fisian’ny fikojakojana. Saika ahenoana lozam-pifamoivoizana vokatry ny haratsian-dàlana avokoa ny

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Fitotonganan’ny Ariary Mbola ny Covid sy Ukraine foana no diso?

Tsy eto amintsika ihany no mitotongana ny Ariary fa manerantany, hoy ny vazivazin’ny mpanara-baovao ao anaty tambazotran-tserasera ao. Ny ady any Okrainina sy ny COVID koa no antony, hoy ihany ny voalaza.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Fahavaratra, lohataona, ririnina Mampikolay hatrany ny delestazy

Araka ny efa nanapoizana azy tamin’ny mbola fotoanan’ny main-tany dia mampikolay ireo mpanjifan’ny Jiro sy rano malagasy indray ankehitriny ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Mampikaikaika ny vidim-bary Ny 1 kilao mananika ny 10.000 Ariary

Miha mampikaikaika ireo mpanjifa hatrany ankehitriny ny vidim-bary, raha ny fanadihadiana natao. Velon-taraina ny raim-pianakaviana iray raha avy nividy vary gasy iray kilao. Izay izao,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Fiangonana FJKM Hivavaka ho an’ny firenena etsy amin’ny Coliseum

Toy ny fanao isan-taona dia ny alahady 15 janoary izao indray no hifampitaona etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fianakaviamben’ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM.

Finoana

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Pasipaoro hosoka sy visa schengen Lehilahy iray nidoboka am-ponja, an-tapitrisany no efa azony

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin'ny " Service Central des enquêtes spécialisées et de la Lutte contre les fraudes documentaires (SCESLFD)Anosy ny lehilahy iray 37 taona ny 05 Janoary

Actualités

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
VOKATRY NY FAHASAHIRANANA “Lasa mpahazo ny Malagasy ny aretim-bavony”

Marary vavony ny ankamaroan’ireo olona tonga nitsabo tena tetsy amin’ny Centre Aina Soa etsy Namontana izay mpitsabo amin’ny alalan’ny vokatra natoraly nandritra iny taona 2022 nivalona iny.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Taranja Tennis U14 sy U15 Tompondakan’I Afrika Aostraly ny Malagasy

Nisongadina indray ny tanora Malagasy ! Namiratra tanteraka, ary voahosotra ho tompondakan’I Afrika Aostraly na ny tapany atsimo amin’ny taranja “tennis”

Sport

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Vola sandoka tao Befandriana Sud 1 tapitrisa Ar saika halefa tamin’ny “cash point”

Mpanaparitaka vola sandoka miisa roa no voasambotry ny zandary tao Befandriana Sud , distrikan'i Morombe afakomaly 10 janoary.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
HALA-JAZA TAO TAO TOLIARA Vehivavy roa no tompon’antoka

Niasa andro aman’alina afak’omaly alina ireo mpitandro ny filaminana ao Toliara nitady ilay zaza menavava very tao amina klinika iray tao Toliara.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Barea CHAN Efa mipetrapetraka ny zava-drehetra

Vehivavy nakarin-dahy ka mivonona amin'izay mety hitranga. Io toe-tsaina io no mibahana ao an-tsain'ny Barea CHAN. Omaly tolakandro no nianga tao Tabarka ny ekipa ary nihazo an'ny Constantine iny alina iny ihany.

Actualités

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Card image cap
Misaona ny Hip Hop Malagasy Nodimandry I Tax Bouta

Nodimandry teo amin’ny faha-42 taonany Rafanomezantsoa Iarisolo, fantatra tamin'ny anaran-tsehatra hoe Tax Bouta izay mpikambana sy mpamorona ny tarika Rapadango,

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
12-janv-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus