14-sept-2021
Raharaha nitana ny sain’ny maro tao anatin’ny herinandro eo izao ny mahakasika ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy sy ny vadiny Andry Andratongarivo ary ny mpanakanto iray.
Hamaky ny tohinySasatry ny mamafa adalana ve? Sasatry ny mamafa fepetra tsy voahevitra matetika sa fanapahan-kevitra tsy nosainina lalina?
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Mitaraina fatratra noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Nahitam-bokany indray ny ezaky ny mpitandro filaminana momba ny resaka fakana an-keriny tao Antsirabe, rehefa nokarohina nandritra ny 7 volana ireo mpanao ratsy.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Ny Faritra Boeny no nandray ny fankalazana ny “taom-baovao lohataona 2021” ny 10-12 septambra lasa teo.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Nahitana fiakarana ny tahan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA any amin’ny faritra Boeny iny tao anatin’ny vanimpotoan’ny fihibohana raha
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Mitondra ny anjara birikiny amin’ny programa ara-pahasalana ACCES (Accessible Continuum of Care and Essential Services Sustained
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Telo andro hatramin’ny omaly no nisian’ny ranon’erika manify teto an-drenivohitra izay mandrafitra ny toetr’andro eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Efa hamidy amin’ny kapoaka « Madco », izay kely lavita noho ny kapoaka mahazatra ny vary any Toliara amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Miaina anaty “criminalité environnementale” na heloka bevava ara-tontolo iainana isika amin’izao fotoana izao,
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Manomboka mifoha amin’izao fotoana izao ny fitakiana ny famoahana ireo olona nogadrain’ny Fitondrana tamin’ny raharaha politika.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Trozona goavam-be iray no hita faty tany amin'ny faritra Androy ny faran’ny herinandro teo, izay nifandrombahan’ny olona ny fakana ny henany. Tao amoron’ny « Faux-cap»
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Mahazo vahana tanteraka ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Nisesy tato ho ato ny vaky trano tao Antsirabe, kanefa nahitam-bokany ihany koa ny ezaky ny Polisim-pirenena. Jiolahy nambara’ny mpitandro filaminana fa efa kalaza no
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Vita teo ny taom-pianarana 2019-2020, hoy ny sojaben’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny Dr Fanja Tahina Ralinirina.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy ny Jeneraly Kaomandin'ny Zandarimariam-Pirenena Jeneraly Andry Rakotondrazaka ny « Attaché de sécurité »
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Nahazo tsena manara-penitra ny kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy izany mahazaka mpivarotra manodidina ny 160 isa.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Nanomboka omaly ary hifarana anio etsy Ankatso ny kaongresin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny faritany miisa 6 eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Saron’ny foibe mpanara-maso ny Jono omaly 13 septambra 2021 teny amin’ny Tobim-piantsonan’ny fiara Maki
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
Samy mandia fotoan-tsarotra ankehitriny na ny mpanohitra na ny mpitondra eto Madagasikara, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.
Hamaky ny tohiny
14-sept-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.