05-nov-2021
Nilaza ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly,
Hamaky ny tohinyNitsoaka ny rivotra sosialista nanomboka tany amin’ny repoblika voalohany saingy noho ny faharavana maro nisy teto amin’ny firenena taorian’ny fanjanahantany moa dia tsy nahatafavoaka antsika tao anaty fahasahiranana izany.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Antony irosoana amin’ny famelomana ireo rantsa mangaika rehetra manerana ny nosy ny fiomanan’ny antoko Arema izay tarihiko amin’ny fifidianana rehetra misy eto Maagasikara hoy Rtoa Annick Ratsiraka omaly.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Bolabolana andramena na boaderozy 58 milanja 1,5 taonina no saron’ny zandary teny amin’ny Lalàm-pirenena faharoa (RN2) teny Ambohimalaza Distrikan’Antananarivo Avaradrano ny alakamisy 28 oktobra teo.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Efa nampoizina daholo izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny depioten’i boriboritany fahadimy, Fetra Ralambozafimbololona,
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Efa hatomotra ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ka maro ireo olona mipetraka amin’ny faritra avo no tandindomin-doza.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Akora tena mampikaikaika ny Malagasy amin’izao fotoana izao ny fitaovana fanamboaran-trano sy fotodrafitrasa, ka mitana ny lohalaharana amin’izany ny simenitra sy ny vy.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
a izao dia tandindomin-doza indray ny firenena atsy ho atsy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Humaniste Ecologiste tetsy amin’ny Restaurant Tsiky omaly.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Manoloana ny vaovao niely teny amin’ny tambazotran-tserasera, andro vitsivitsy lasa izay, mahakasika ny fisian’ny menaka fahandro izay lazaina fa tsy azo hohahina,
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Efa ho feno herintaona afaka roa volana latsaka ny raharaha trafikam-bolamena nahatratra 73,5 kg sarona tany Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020. Tsy tena misy tohiny firy intsony fa mangina tanteraka.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Olona 24 isa no fantatra fa lasibatry ny valan’aretina Covid 19 any amin’ny distrikan’i Morondava. Amin’ny ankapobeny anefa dia toerana mafana Morondava no sady
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra Malagasy no voalohany hisitraka ny Karazam-bary roa vaovao nomena ny anarana hoe: “Fy Vary 32” sy “Fy Vary 85”
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Niroso tamin'ny fandrodanana ireo tranom-barotra nambara fa naorina tsy ara-dalàna na "constructions illicites" ny biraon'ny prefektiora ny Kaominina Ambonivohitr’i Toliara ny 02 novambra teo,
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piarahamiasa ara-ekonomika eo amin'ny Governemantan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy i "Royaume-Uni" ary Irlande avaratra.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Maina ny tsenan’ny varotra hani-masaka amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao. Raha nahalany vary 10 kapoaka isan’andro ny mpivarotra iray teo aloha dia tsy misy afa-tsy 5 kapoaka sisa izany ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Ritra ny reniranon’i Mangoky ao Betroka, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny fitantana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC, Paolo Raholinarivo.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Vonona nanomboka omaly teto Analamanga ny vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 izay vitan-dry zareo sinoa na ny Sinopharm.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Miha maro ny olona marary tato ho ato, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Mamy Ravelojaona. Eo ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny rivotra maloto, hoy izy.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Tonga nitsidika ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka ary nanolotra fitaovana ho an'ny Polisim-pirenena ny Masoivohon'ny Sina Ramatoa Guo Xiomei omaly. "Gilets par balle ,
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Nanomboka omaly ary hitohy anio etsy amin’ny CCI Ivato ny fikaonan-doha siantifika andiany fahatelo ho fanohizana ny ezaka hizorana mankany amin'ny famongorana ny tazomoka eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Nodinihan’ny Solombavambahoaka tamin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina omaly 4 novambra ny tolo-dalàna laharana faha-003-2021/PL
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Tsy vitan’olon-drery ny asa fampandrosoana ny firenena hoy Rtoa Annick Ratsiraka omaly. Ilana fifanomezan-tanana izany hoy izy ary tsy tokony hijerena loko politika.
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
Nanomboka tamin’ny hetsika filatroana goavana na défilé tetsy amin’ny Ange Doré Anosy ny 30 oktobra 2021 ny fampahafantarana ny sangan’asan’ilay mpanjaitra sy mpanakanto momba ny volo ary endrika amam-bika Malagasy,
Hamaky ny tohiny
05-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.