21-juin-2022
Miha mangotraka ny toe-draharaha ao Nosy Be Hell Ville eo anatrehan’ny fanagadrana an’i Ninie Donia. Ity mpanakanto mpanjakavavin’ny salegy,
Hamaky ny tohinyNafana ary niavaka ny hetsika ara-pivavahana, fiderana sy antsam-panahy goavana teto an-dRenivohitra ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Akory ny hahatairan’ireo olona teny Andoharanofotsy omaly. Vehivavy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo mantsy no nifatotra gony ny tendany raha araka ny vaovao azo ary nisy nanary tao anaty dalle.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Hotontosaina anio talata 21 jona manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana CEPE. Mahatratra 525.111 ny isan’ireo hiatrika izany manerana ny Nosy ka 6 taona no kely indrindra. Miisa 20.869 amin’ireo kosa
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Tongava eny Antsahamanitra fa mandalo ny fiainana, hoy omaly ny fanentanan’ireo mpanakanto nofantenan’ny SR Event hampahatsiahy ny hira sy kalo tena nambabo ny fon’ireo zatovo sy tanora tany amin’ny taona 2000 tany.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Mieritreritra hampiakatra ho 500 miliara Ar ny fanampiana ara-bola ho an’ny Jirama ny Fanjakana amin’ity taona 2022 ity.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Matetika mandalo eto Madagasikara aho hatramin’ny 2015, hoy ny mpaminany Kaongoley, Dieu Benis Chylhe.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Mitohy ny tsindro-paingotry ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan-dRtoa Marie-Chantal Uwanyiligira solontenany eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Anio tontolo andro no hiatrika ny fanadinana Cepe ireo mpianatra taona faha 5 miisa 525.111 manerana ny nosy.Izay no hamarana ny taom-pianarana ho an’ny ambaratonga fototra.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Herinandro mialohan’ny fetin’ny 26 jona dia efa tena mampiteny ny moana sahady ny fitohanana eto an-drenivohitra.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Tena manana tanora mamiratra amin’ny taranja tsipy kanetibe ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Nivoaka omaly alatsinainy 20 jona 2022 ny didim-pitondrana faha-135/2022-MID/PRF.POL izay navoakan’ny Prefektioran’ny Polisy eto Analamanga,
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Fikambanana natsangana hisahana ny lafiny ara-kolontsaina momba ny fitsaboana ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana na ANTM, hoy ny filohany, Josephin Andriandrainarivo.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Manohana hatrany an’i Madagasikara ny Amerikanina mba hahatratra ny "dividende démographique" na ny fitomboan’ny harin-karena miainga amin’ny fiovan’ny firafitry ny sokajin-taonan’ny mponina,
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Mihena mba tsy hilazana fa tsy dia ahitana olona manao ireny akanjo t-shirt volomboasary misy ny sarin’ny Filoham-pirenena ankehitriny ireny intsony eny amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Nitombo avo roa heny ny haben’ny tsenan’ny Coum etsy amin’ny 67 ha. Tafakatra 2.200 isa ireo mpivarotra ho
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Miha mitombo ireo mararin’ny valanaretina coronavirus tato anatin’ny 3 herinandro izao indrindra fa ho an’ny faritra Analamanga, izay be olona mifamezivezy.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Lehilahy iray 25 taona ahiahiana ho nangala-jaza mianadahy 08 sy 10 taona ny sabotsy 18 jona no nosamborina tany Mahabo.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Nifanakalo hevitra sy nifampihaino tamin’ireo mpianatra mpikaroka tao Fenoarivo atsinanana ny zoma teo sy tao Toamasina ny sabotsy 18 jona teo,
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antaninandro ny omaly alatsinainy 20 jiona 2022 rehefa nahatrarana rongony maherivaika héroine.
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
Homamiadan’ny hoditra no mahatonga ny olona iray ho lasa varira, raha araka ny fanadihadiana natao. Vao teraka izy dia efa mitranga izany,
Hamaky ny tohiny
21-juin-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.