09-nov-2022
Tena mampihoron-koditra ny zava-misy iainan’ny tanora ankehitriny. Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka mantsy ny asa fivarotan-tena amin’ny alalan’ny aterneto na ny tambajotran-tserasera Facebook.
Hamaky ny tohinyTsy mahantra intsony ny vahoaka malagasy fa efa fadiranovana matoa efa misolo ny omby amin’ny asany toy izao,
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Raha miezaka ny hitana ny teny nomeny ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, dia tsy maintsy mampanova ny lalam-pifidianana izy, hoy ny filohan’ny antoko politika Roso ho an’ny demokrasia sosialy na RDS, Fetison Rakoto Andrianirina.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Efa naman’ny vita, ary tsy misy zavatra antenaina firy amin’ity taona 2022 ity, raha resaka famahana olana sy fampandrosoana firenena.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Nivory tetsy amin’ny hotely Rainilovy Analakely omaly ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely. Ny 95%-n’izy ireo no tonga nanotrona izany fivoriana izany izay marihina fa tsy hanaiky ny SMGD hatramin’ny farany.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Tsy afaka mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena sy maneran-tany amin’izao fotsiny izahay mpikambana ao amin’ny firahalahian’ireo CST sy loholona teo aloha na ACS, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, ny Dr Jules Randriamaholisoa.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Tsy mandeha intsony ny asan’ireo mpampanjana-bola amin’izao. Raha araka ny fantatra anefa dia fianakaviana am-polony no mivelona amin’izy io eto an-drenivohitra ka misy ireo efa nanao izany tany amin’ny 20 taona lasa tany
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Mpandraharaha Malagasy miisa 10 nisongadina tao anatin’ny 83 nifaninanana no hisitraka fanohanana andiany voalohany mitentina 5000 dolara hoenti-manafaingana ny tetikasany,
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Ankilan'ny fihaonana an-tampony COP27 dia nisy ihany koa ny fihaonana teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenen'ny Émirats Arabes Unis, Sheikh Shakhboot bin Nahyan Al Nahyan,
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Misy ny zo fototra na karama nandritra iny tetezamita iny izay mbola tsy voarainay satria mbola tsy nalohan’ny fitondram-panjakana hatramin’izao isika miteny izao,
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Tsy mety mihitsy ny manitsaka ireny vovon-drano ireny avy eo ambony indrindra fa raha efa tranainy ilay hazo natao sarony.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Nandray anjara tamin'ny hetsik'ireo mpitarika mitondra ny lohahevitra "accélérer l'adaptation en Afrique", izay nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina, sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ny Filoham-pirenena
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Raha resaka onitra momba ny fanimbana tontolo iainana izany dia firenena toa an'i “Seychelles” no manana rariny hitaky izany, hoy ny mpanao politika, Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref, satria ry zareo tsy mpanimba.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Ny 4 desambra izao dia no hifampitaona etsy Antsahamanitra indray ireo kintan’ny kaiamba fahizay. “Tsiahy kaiamba” moa no lohatenin’ity fampisehoana ity, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Nangataka fandraisana an-tanana na “intervention” farany izay maika avy amin’ny JIRAMA ny olom-pirenena iray omaly fa misy andrin-jiro iray tapaka ary atahorana hampidi-doza eny Tsimialonjafy Mahamasina eny.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Zazarano tombanana ho enim-bolana an-kibo eo ho eo no nisy nanary tao anaty lavapiringa tao Andingadingana Ambatondrazaka ny marainan’ny alahady 06 novambra lasa teo.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Haintrano roa samihafa no indray nitranga tao an-drenivohitr’i Toamasina omaly maraina. Tao Andranomadio ny voalohany raha tao amin'ny Verrerie kosa ny faharoa.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP 4 Isotry teny akaikin’ny Tetezan-dRamala ny lehilahy iray 20 taona omaly 08 novambra tokony ho tamin’ny 12 ora sy 30mn atoandro.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Manao antso avo amin'ireo dahalo ny kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, kaomandin'ny kaompania Antsohihy , raha ny fampitam-baovao omaly.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Lehilahy iray 33 taona afak’omaly 07 novambra tokony ho tamin’ny 3 ora sy 15mn maraina no tratra ambodiomby tetsy amin’ny Rond Point Ampasika nanosika moto halatra .
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Hafa tsy tahaka ny fahita hatramin’izay sy karazana fenitra iraisam-pirenena ny endriky ny delegasionina Malagasy miatrika fihaonana goavana iraisam-pirenena.
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
Mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny fivahan’ny delestazy. Na voalaza hatrany aza fa mbola ny 15% amin’ny tokantrano Malagasy no misitraka herinaratra, dia mbola tsizarizary,
Hamaky ny tohiny
09-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.