Anaty fiarahamonina malagasy dia misy ny atao hoe henamaso. Na anatina tokantrano honenana olombelona mifankazatra isan’andro eo aza dia mitranga izany rehefa sendra heno fa hisy vahiny hamangy na hitsidika ny
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Nisongadina tamina fifaninanan-kira goavana tany ivelany indray ny Malagasy. Ilay teratany Malagasy ANISHA no nivoaka ho mpandresy tamin'ilay fifaninanan-kira STAR ACADEMY 2022 nokarakarain'ny fahitalavitra Frantsay TF1.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Nitondra hafatra mafonja ny Fivondronamben’ny Eveka katolika ny faran’ny herinandro teo taorian’ny fivoriany tany Roma niaraka tamin’ny Papa Fransoà sy ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny ao Vatican,
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Jiolahy rain-dahiny miisa 02 no saron’ny Polisy miasa ao Morondava rehefa namaky trano ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Nirodana ny sabotsy 26 novambra lasa teo ny tranoben'ny kolontsaina tao Morondava, araka vaovao avy any an-toerana, ary nohamafisin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Nanaitra ny mpitantana ny tananan’Antananarivo ny antoko politika Otrikafo mba hanitsy ity hetran-trano midangana eto Antananarivo ity.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Manjaka tena manjaka tafahoatra ny tsy fandriampahalemana, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara malagasy na SMM, Mbitanarivo Andriantsihorisoa.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Leo sy tofoka tanteraka amin’ny delestazy ny vahoaka, taorian’ny teny Alakamisy Fenoarivo ny herinandro teo, ny tao Antanetimboahangy Analavory Itasy, manamorona an’iny RN1 iny indray no nihetsika ny sabotsy lasa teo,
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboaran-dalana any amin'ny lalam-pirenena faha-12A (RNT12A) ny delegasionin’ny
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Lanonam-panjakana maro sosona no niseho tany Manakara ny sabotsy teo, fotoana nahitana ny Filoham-pirenena niseho vahoaka ampahibemaso indray rehefa tsy hita nandritra ny fotoana naharitra.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Tratra nanao fampisehoana tsy nahazoana alalana avy amin'ny tena tompon'ny hira ny Kopikole Wada & Yoongs. Tezitra mafy i Wada & Yoongs tena izy amin'ny fihetsik'ireto Kopikole ireto,
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Ny 03 novambra 2022 lasa teo no nosoniavina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanatanterahana ny tetikasa “Autoroute” na lalàmbe migodana mirefy 265km mampitohy an’Antananarivo-Ambatondrazaka-Toamasina,
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Ho an’ireo izay tsy mijanona manototra fanontaniana ho ahy, hoy ny mpanao gazety teo aloha no sady mpanoratra ny tantara foronina mitondra ny lohateny hoe “L’Absudirstan ?
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Raha ny fanazavan’ny Jirama dia nilatsaham-baratra ny « transformateur » iray tao amin’ny toby sous-station
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Ny 30 septambra 2022 teo no natao famotorana teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka na cybercriminalité ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera,
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Tontosa ny zoma 25 novambra teo tetsy amin’ny IBIS Ankorondrano ny latabatra boribory momba ny vary nohatsaraina na vary evoka.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Hanampy ireo tanora eto amintsika manoloana ny ady amin’ny tsy fananan’asa ny Le Fonds Malgache de Formation Professionnelle sy ny Rio Tinto QMM.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Mahita ny fikambanana Alluma na “Association lumière de lune de Madagascar” fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny firenena, hoy ny filohany, Ali Peter.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Ankoatra ny fitsarana an’I Mahery Lanto Manandafy na Malama etsy Anosy amin’ity anio ity dia ho tsaraina anio 28 novambra 2022 ihany koa ny raharaha Afakandro Christian, mpandraharaha fa mpampaneno lakolosy anaty
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
Tafakatra 20.000 Ar ka hatramin'ny 25.000 Ar ny iray kilao amin'ny nofon-ken’omby any amin’ny distrikan’i Port Bergé nanomboka ny herinandro lasa teo raha raha vidiana 15.000 Ar kosa ny hena mifangaro amin’ny taolany.
Hamaky ny tohiny
28-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.