24-févr-2023
Sesilany indray tato ho ato ny tsiambaratelom-panjakana na tsiambaratelon’ny olom-panjakana mivoaka sy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera.
Hamaky ny tohinyMaha very fanahy mbola velona, araka ny famaritan’ny Ntaolo malagasy azy, na koa hoe maha valalanina tanteraka ankehitriny ny mandinika an’ity raharaham-pirenena eto amintsika ity.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Tontosa omaly tetsy amin’ny PK 0 Soarano ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao ho an’ireo antoko,
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Taorian’ny taratasy nalefan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady Filoha Nasionalin’ny TIM tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sady Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana,
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Ny fivoahan’ny horonampeo tsy tokony hivoaka samihafa eto amin’ny firenena ireny dia mariky ny fitantanana gaboraraka, hoy ny depioten’I Madagasikara, Feno Ralambomanana.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Isan’ny toerana lasibatra indrindra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy i Mananjary, mahatratra 1500 mahery ireo olona traboina mitoby ao amin’ny toby Betlehema anatin’ny Fokontanyy Ampasimandrorona Mananjary.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Fa maninona moa ny mpanohitra no ao amin’ny PK 0 Soarano, izay efa iaraha-mahalala fa an’olona akaikin’ny fitondrana no mivory?
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
4 taona mahery izay no lasa, efatra taona nitondran’ny Filoha Rajoelina rehefa tafapetraka ho Filoha ny fiadohan’ny 2019, izay nohamafisin’ny fahazoana maro an’isa tamin’ny fifidianana kaominaly sy parlemantera.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Naneho fiaraha-miory tamin’ireo distrika maromaro nandalovan’ny rivodoza Freddy teo amin’ny firenena ny antoko politika Fiombonana.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Nahazo fankasitrahana noho ny fifehezana ny « carbone »
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Nanatrika fivoriana tany Paris ny minisitry ny serasera
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Ny halatra tabirin-jiron’ny JIRAMA ankoatra ny halatra jiro amin’ny ankapobeny no tena miteraka ny fahatapahan-jiro amina toerana iray.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Niverina amin’ny laoniny ny asa fitateram-bahoaka miazo ireo lalam-pirenena rehetra eto amintsika nanomboka omaly,
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Omaly avokoa vao afaka namonjy fodiana
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Vehivavy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo raha betsaka no torana teo am-bavahadin’olona teny Alasora omaly hariva.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
Mankahery ny Malagasy, indrindra, ireo faritra nolalovan’ny rivodoza, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.
Hamaky ny tohiny
24-févr-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.