25-mars-2022
Manomboka tezitra sy mampiaka-peo amin’ny fomba fitantanana ara-bola ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny alalan’ny fampidirana ilay orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) ireo mpiasan’ny Kaominina Antananarivo.
Hamaky ny tohinyIsaky ny tsapa fa mbola misy azo atao hivoahana amin’izao olana lalina eto amin’ny firenena izao dia aroso foana aloha ny vahaolana na hihaino izany na, sanatria, hitohy tsy hihaino ny fitondram-panjakana heverina ho mahefa eto
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Mihazakazaka manaraka ny fivoaran'ny tontolon'ny fitaterana sy ny fomba fitaterana ireo fanafody sy kojakoja medikaly eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
13 taona dia efa misy miteraka ireo vehivavy eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny faritra. Ankoatra izay dia misy ireo mahatratra hatrany amin’ny 6 ny zaza ateraky nefa tsy mifanaraka
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Efa nilamindamina ny raharaha famoahana ny vatsim-pianarana mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, taorian’ny fitakiana mahery vaika teny amin’ny politeknika Vontovorona herinandro mahery izay ka nisy mpianatra roa
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Midina be latsaky ny 100 dolara izao ny barilin-tsolika amin’izao isika miresaka izao (TTF: omaly), hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny faribolam-pandinihan’ireo mpahaitoekarena eto Madagasikara na CREM,
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Tsy niandry ela fa notontosaina omaly alakamisy 24 martsa 2022 ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo teo aloha Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Vola mitentina 15,5 tapitrisa dolara no haompan’i Etazonia amin’ny tetikasa « Rindra » haharitra 5 taona hanamafisana ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Nisy omaly ny fihaonan'ireo mpandraharaha sy ny tomponandraiki - panjakana ary ny minisitra mpiahy ny faritra Atsinanana sady minisitry ny asa tanana sy haitao, Sophie Ratsiraka tao amin’ny Neptune, Toamasina.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Saro-pady ny fitondrana kodiaran-droa na moto ka ilana fitandremana. Raha sanatria tratry ny lozam-pifamoivoizana mantsy izy ireny dia avy hatrany ireo olona mitaingina azy no lasibatra raha mbola misy vatany miaro kosa izany ho
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Miakatra noho ny fanapahan-kevitry ny OTAN sy ny amerikanina izao ny vidim-piainana manerana izao tontolo izao, hoy ny antoko politika Natiora.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Tsy mbola fotoanan’ny fanaovana tomban’ezaka ho an’ny filoham-pirenena izao kanefa na izany na tsy izany dia efa akaiky ny fiafaran’ny fe-potoam-piasany, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Taorian’ny fanaisaorana tamin’i Madagasikara ny fandraisana ny “AviaDev Africa 2022” tokony hatao ny jona 2022 izao,
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Avy hatrany dia marihina fa tsy “poisson d'avril” akory ity, hoy I Nini ao amin’ny tarika Colbert. Hihira Lolo sy ny tariny etsy amin’ny Le Klub Sahameva Ambohimangakely ny 1 aprily izao I Benny sy Bebey ary Nini.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Mpianatra maromaro manovo fahalalana eo anivon’ny kolejy sacré coeur Toliara I no tratran'ny ambalavelona omaly ny maraina , raha araka ny loharanom-baovao azo.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Nampanantsoina ary efa eo ampelatanan'ny ATT ny taratasy fahazoan-dalana hamily na "pérmis" sy ny "capacité". Ho atolotra ny CRPC na « Commission de retrait des pérmis de conduire »
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Na efa misy aza ireo tarehin-tsoratra napetraky ny kaoperativa amin’ny zotra “Ligne E” mampahafantatra ny làlana halehan’ny fiara,
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Zaza menavava iray vao 1 volana sy 22 andro monja no fantatra fa maty voadonan'ny taksibrosy teny an-tanan-dReniny ny talata maraina teo tokony ho tamin'ny 10:15, tao Maharidaza, distrikan'i Manjakandriana,
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Namoaka filazana omaly ny minisiteran'ny asa vaventy fa mampahafantatra ny besinimaro hoe voafetra ho "25 taonina" ny lanjan'ny fiara mandalo eo amin’ny PK 501+706, tetezan'Antanambao,
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Tratra ireo roalahy ati-doha amin’ny fanendahana olona eny Isotry izay samy vao 21 taona avy. Teny Andranomanalina no tratra izy ireo omaly tokony ho tamin’ny 09 ora maraina, manakaiky ny kolejy Champagniat.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Rahampitso sabotsy manomboka amin’ny 3 ora tolakandro dia hisy ny velankevitra izay tarihin’ny mpitandrina Hubert Rakotoarivony.
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
Nisavoritaka ireo mpivarotra tetsy Mahamasina manoloana ny kianja mitafo omaly maraina. Tsy afaka nivarotra namonjy ny toerana mahazatra azy isaky ny andron’ny Alakamisy mantsy ireo mpivarotra lamba miisa 40 teo ho eo
Hamaky ny tohiny
25-mars-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.