13-juil-2022
Miharihary fa tsy voafehin’ny Fanjakana intsony ny krizy misy eto amin’ny tany sy ny firenena, ka isan’ny porofo mivaingana tsy azo ialana ny sondro-bidim-piainana, ny fiakaran’ny vidin-tsolika manampy trotraka ny krizy.
Hamaky ny tohinyTsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny na ny fifamendrofendroana intsony tokoa izao, fa fotoana natao hiatrehana sy hitadiavam-bahaolana manoloana ny fahasahiranana mandifotr’olona miseho ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Manomboka maro ny olom-pirenena tsotra na amin'ny sehatra samihafa ivelan'ny fanaovana politika maneho hevitra mivantana sy tsy amin-tahotra, fa tsy zakan’ny vahoaka intsony izao vidim-piainana izao,
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Vaky ny ady eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra manerana ireo tsena 30 ara-dalàna eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
In'enina niova izay ny sata mifehy ny maha olompirenena hatramin’ny taona 1960 sy namoahana ny didy hitsivolana 62-005 ny 6 jona 1962 mikasika sata voalaza teo izay,
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Nitokona tsy nisy nety niasa avokoa omaly maraina ireo taxibe miazo an’Andoharanofotsy. Tsy mety amin’izy ireo hono mantsy ilay saran-dalana 600 Ar , izany hoe :
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Fianakaviana iray no fantatra fa lasibatr’izany vokatry ny fikarakarana sakafo tao an-tokantrano toy ny mayonnaise,
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Sady mahagaga no mampihomehy kanefa mahatezitra ihany koa ny fomba firesaka sy ny fitantanana asehon’ny mpitondra eo anatrehan’izao toe-javatra miseho ankehitriny izao.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Raikitra ny grevy sy fanakanan-dàlan’ny tantsaha mpamboly lavanila tany Sambava omaly 12 jolay 2022 maraina.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Sahirana ny ankamaroan’ireo taxibe teto an-drenivohitra sy ny manodidina omaly. Betsaka tamin’ireo mpandeha mantsy no tsy nety nandoa ilay saran-dalana 600 Ar.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Tontosa omaly 12 jolay 2022 ny fifaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny governemanta Indianina sy ny Fanjakana Malagasy, miompana amin’ny fampianarana ambony.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny federasiona miaro ny zon’ny mpanjifa ahitana ireo fikambanana miisa 7 toy ny MCI, ny FIMMPAMA, ny SCAE PC, ny AVDCC…
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Nodimandry omaly talata ny namana mpanao gazety Ony Rambelo , tao amin’ny onjam-peo RDJ no isan'ny tena nahafantarana azy,tamin’ny alalan’ny fandraharana vao maraina rivotra sy fampahalalam-baovao na dia niasa tamina
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP2 Ambohijatovo ny lehilahy iray 24 taona omaly rehefa nivarotra zava-mahadomelina.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Mirindra araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana ao anatin’ny kaominina Ambohibao Sud, distrikan’i Manjakandriana raha araka ny fanazavan’Atoa Fidy Bariniaina, Ben’ny tanàna ao an-toerana.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Miantso ny Kristiana sy zanaka am-pielezana avy ao amin’ny FJKM Ambodifahitra Martiora .Synodamparitany Iarivo Avaradrano mba hamonjy ny « ANDRON'NY ZOHY »
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Lehilahy iray no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoana Menabe omaly 12 jolay lasa teo tao Amboriky Fokontany Mahabokely kaominina ambanivohitra Mahabo rehefa naka olona an-keriny.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Efa tafakatra 300 mahery amin’izao ireo olona lasibatry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika. Tena betsaka izany antony mahatonga ireo olona sasany hatahotra mafy ka tsy mety hivoaka ny trano.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
Ankoatra ny etsy Ambohijatovo dia anisan’ny toerana tena be mpitsidika ihany koa ny zaridainan’Anosy taorian’ny nanovan’ny kaominina Antananarivo renivohitra endrika azy.
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
In'enina niova izay ny sata mifehy ny maha olompirenena hatramin’ny taona 1960 sy namoahana ny didy hitsivolana 62-005 ny 6 jona 1962 mikasika sata voalaza teo izay,
Hamaky ny tohiny
13-juil-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.