tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Archive du 27-oct-2022

Politique

Jirama, Air Madagascar, SPAT Bokan-trosa 6000 miliara Ar

27-oct-2022

Mahatratra 5 952 miliara ny trosan’ireo orinasam-panjakana na orinasa ny Fanjakana no manana petra-bola betsaka indrindra ao aminy, izany hoe maherin’ny 50%, araka ny tatitra nataon’ny Minsiiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola tao amin’ny tranokalany.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Tompondakan’ny fihetsiketsehana

Raha fihetsiketsehana aloha dia tena mbola hita ho lohalaharana raha mitaha amin’izay rehetra efa nandalo teo alohany ny fitondrana ankehitriny.

Edito

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Ady seza ho mpanjaka Raikitra ny sakoroka tao Vohibolo - Vohipeno

Raikitra ny rotaka tany Vohibolo Kaominina Ankaribary any Vohipeno ny marainan’ny omaly alarobia 26 oktobra 2022 noho ny lonilony ara-piarahamonina momba ny fisafidianana izay ho Mpanjaka tany an-toerana.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Fetison Rakoto Andrianirina « Kely finoana ny hisian’ny fikaonan-doham-pirenena aho »

Fikaonan-doham-pirenena, tontolom-pifidiana ... maneho ny heviny Atoa Fetison Rakoto Andrianirina filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS)

Politique

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Orinasa JIRAMA Toa efa lasa mandatsa mpanjifa isaky ny mihetsika

Efa lasa fandatsana, raha izay no azo ilazana azy, sisa ny fankasitrahan’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA ny faharetan’ny mpanjifa manoloana ity tsy fahatomombanan’ny herinaratra tsy mety voavaha hatramin’izao ity.

Actualités

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Fanatsarana ny fambolem-bary Hanome 65 miliara Ar ny Japonais

Tonga nanolotra ny dika mitovin’ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin’ny Filoham-pirenena ny Ambasadaoron’i Japon vaovao Koji Abe omaly.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Pastera Mailhol « Mety ho kandida ireo vahiny omena zom-pirenena »

Mitana ny sain'ny mpanara-baovao maro eto an-toerana ankehitriny ny fisian'ilay tolo-dalàna momba ny fangatahan'ireo vahiny monina eto Madagasikara ny hanomezana azy ireo ny zom.pirenena Malagasy,

Finoana

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
PEM hanaovana seho goavana Ho poakaty tahaka ny IEM indray…

Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy manomboka rahampitso 28-30 oktobra 2022 ny PEM (Plan Emergence Madagascar).

Politique

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Dany Rakotoson “Na ny taranantsika aza mila arenina”

Manana ideolojia foana ny antoko politika iray, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ny tadiaviny dia ny hananana olona maro tafapetraka any amin’ny antenimieram-pirenena,

Actualités

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Delegasionina avy amin’ny IDA Tonga nidinika momba ny lalàna miaramila

Nandray ny delegasiona Amerikanina, Linda S. Bishai Ph.D. sy Theresa "Tiki" Mitchell J.D avy ao amin'ny IDA na “Institut for Defense Analyses” ny 25 oktobra teo tamin'ny 2 ora sy 30 minitra tolakandro tao amin'ny lapan'ny

Actualités

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Mahitsy sy Mahamasina Nahatrarana entana efa simba maro teny an-tsena

Nitety ireo mpivarotra mpamongady sy mpaninjara ny entana ilaina amin’ny andavanandro tamin’ny toerana maro ny ekipan’ny Ministeran’ny varotra eto Analamanga omaly.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Fiainana miha sarotra Niaka-bidy ihany koa ny fanaovana « photocopie »

Niakatra ihany koa ny vola aloha Tsy azo hatao intsony ny manome vola maty marika ho an’ireo olona hirahina raha hampividy na hampanao zavatra toy ny photocopie amin’izao.

Actualités

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Halatra panneaux solaires sy fitaovan-dakozia Lehilahy iray tratra ambodiomby teny Amparibe

Lehilahy iray manodidina ny 20 taona omaly 26 oktobra tokony ho tamin'ny 6 ora maraina no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny Amparibe rehefa nangalatra panneau solaire sy fitaovan-dakozia.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Loka Nobel amin’ny Simia Ho avy hizara traikefa eto Madagasikara

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin'ny filoham-pirenena ny masoivoho vaovaon'i Inde, Bandaru Wilsonbabu, ny harivan’ny omaly 26 oktobra 2022.

Actualités

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Fiatrehana ny 2023 Mihamarefo ny volomboasary…

Herintaona mialohan’ny fifidianana, miezaka maneho an-tsary ny Fitondrana ankehitriny, fa mbola miray hina sy miray feo hatrany ny vovonana mpanohana sy mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina.

Politique

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Card image cap
Tondra-drano eny Ankadindratombo Mety hisy fanjerana tranon-kisoa sy trano fivoahana

Nahitana tondra-drano sahady teny Ankadindratombo sy ny manodidina samy ao anatin’ny kaominina Alasora Avaradrano ny fiandohan’ny herinandro teo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
27-oct-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus