07-nov-2022
Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahombiazana na tsy fahombiazan’ny Fanjakana ankehitriny ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Hamaky ny tohinyAndalana hifanarana indray ny 2022, izay nambaran’ny Mpitondra Fanjakana tany amin’ny fiandohan’ny taona fa ho taonan’ny asa, hanatanterahana ireo velirano maro,…
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Nitsangana ny 5 novambra 2022 teo nandritry ny fankalazana ny faha 10 taonan’izy ireo tetsy amin’ny La Residence Ankerana ny birao vaovao mandrafitra ny antoko politika Avana na Antoko vahoaka aloha no andrianina,
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Indray mandeha niakatra TVM tao anaty 4 taona ve dia hoe tsy jadona no misy eto?, hoy ny fanontanian’ny filohan’ny parlemantera TIM,
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Tsy hisy firenena handroso ao anatin’ny fahabadoana sy tsy fahalalana, ka isan’ny mbola mila ezaka ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto, raha tarafina amin’ny zava-misy.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Sary isan’ny nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny kere sy ny fahoriana tsy roa aman-tany mahazo ny mponina any Ikongo andaniny, ary ny fampisehoana ny fety aman-danonana notarihin’ny Filoham-pirenena tany Nosy Be
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Ho avy eto afaka herinandro ny tompon’andraikitry nyy kaompania Emirates mba hijery ny fomba hoenti-manatanteraka io fampifandraisana mivantana an’I Dubaï sy Nosy be io.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Mitohy hatrany ny fameloma-maso na “redynamisation” eo anivon’ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara, hoy ny filohan’ity antoko ity, Alexandre Georget. Mahavelombolo,
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Notanterahina ny zoma lasa teo teny amin’ny Astauria Antanimena ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « AVI Leadership Academy », izay sampana iray ao anatin’ny Tanoran’ny Antoko AVI.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Nisehoana tranam-piarahamonina sy loza tsy dia fahita sy tsy fandre firy tany Amboarakely akaikin’i Fiadanana ao Manjakandriana ny sabotsy lasa teo.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Mandeha ny fanamarihana sy fanontaniana amin’izao fotoana izao momba ny fifanaovan-tsonia mikasika ny fanamboarana ny lalàmbe migodana na “Autoroute”
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Nodimandry omaly tao amin’ny tobim-pitsaboana tsy miankina Samaritain Antsiranana ny mpanankato Bezara Ernest, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Dedesse.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Lanonana roa sosona no tetsy amin’ny Carlton Anosy ny 4 novambra 2022 teo, teo ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahanan’ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka sady nankalazaina ny taona voalohany
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Noraisin'ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, mivady miaraka amin'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny amin'ny boriboritany fahadimy ny Kopi kolé Wada sy Yoongs,
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Nankalazaina voalohany teto amintsika ny 5 novambra teo ny andro iraisampirenena ho an’ny “Orthoprothésiste”. Tsiahivina,
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Vita ny sonia, fakana sary, kabary, ary ho avy ny fametrahana vato fototra mikasika ny fanamboarana “autoroute” mampitohy an’I Toamasina-Ambatondrazaka-Antananarivo.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Efa ho roa volana mahery izao no tsy nahita asa fivelomana intsony ireo mpanasa lamba etsy amin’ny ranon’Ikopa mandalo etsy Ampasika sy Anosizato. Manodidina ny 1000 mahery anefa ny isan’izy ireo miaraka amin’ny mpanao
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Antoko politika mivoy falalahana na “parti libéral” ny antoko politika Leader Fanilo, hoy ny filoha mpiara-mitantana ao anatin’izany antoko izany, Toto Alphonse.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
Tena mampijaly ireo mpandeha ny taxibe miazo an’i Fenoarivo sy Vontovorona iny rehefa faran’ny herinandro.
Hamaky ny tohiny
07-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.