10-nov-2022
Lavitry ny kitay ny afo amin’ny hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny 2023, raha tsy miova ny sary politika miseho ankehitriny. Mbola resaky ny moana sy ny marenina ny an’ny mpitondra sy ny mpanohitra,
Hamaky ny tohinyMisy ny zo fototra na karama nandritra iny tetezamita iny izay mbola tsy voarainay satria mbola tsy nalohan’ny fitondram-panjakana hatramin’izao isika miteny izao,
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Tranga nampivarahontsana ny faran’ny herinandro ny fahafatesan’ny tovolahikely iray vao 7 taona antsoina hoe Fleuryce,
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Nisy namaky ny toeram-pikotranana na Gymnase Ambatomena ny sabotsy 5 novambra hifoha alahady 6 novambra lasa teo ka very tao ny fitaovana nampiasain'ny mpikatroka taranja haiady Taekwondo ho an'ny “
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Nanandrana nivezivezy ny tananan' Antananarivo renivohitra ny tena anio (TTF: omaly) nanomboka tamin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora hariva,
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Henjana ary mila traikefa sy fahaiza-manao ny fitantanana sy fampandrosoana firenena, fa tsy vitan’ny filalaovana sary sy serasera, tsy vitan’ny propagandy sy fampanantenana misavovona,…
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Ankoatra ny fiara karetsaka dia lasa olana ho an’ny taxibe ihany koa amin’izao ny taxi moto.
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Miseho avokoa ny karazana faharatsiana rehetra vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Lehilahy miisa 6 voalaza fa avy any amin’iny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny no tonga nanofa trano tao Antafiamalama,
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Tale miisa 36 ao amin'ny orinasa Jiro sy rano malagasy na Jirama no hiakatra eny amin’ny PAC na ny “Pôles Anti-Corruption”,
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Lasa ambany maso tsy hita toa vatan’orona sy hodian-tsy hita toa ravin-tsofina ankehitriny ny maha malagasy antsika, indrindra,
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Ny 4 desambra izao dia no hifampitaona etsy Antsahamanitra indray ireo kintan’ny kaiamba fahizay. “Tsiahy kaiamba” moa no lohatenin’ity fampisehoana ity, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara.
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Nisy ny fihaonan’ireo filohan’ny antenimiera mpikambana anatin’ny COI (Commission de l’Océan Indien) omaly 09 novambra 2022 ho fameloma-maso
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Zoma mahafinaritra no hiarahana amin’i Majika Mahery, fantatry ny maro amin’ny hoe Mahery ao amin’ny tarika Johary ny takarivan’ny rahampitso zoma 11 novambra 2022.
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Araka ny fandaharam-potoanany efa voafaritra, nigadona tao amin'ny seranantsambon'i Toamasina omaly alarobia 09 novambra 2022 ny sambo goavana na paquebot "Hanseatic Spirit",
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Misy ireo pastera, raiamandreny ara-panahy heverina ho tena raiamandreny amin’izao nefa mahavita mivadika.
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Mbola tena tsara fihavanana ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina sy ireo vahoaka eo ambany fiadidiany.
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Raha miakatra tsikelikely ankehitriny ny tahan’ny olona voan’ny Covid 19 dia mbola manaraka ny fivoarany hatramin’izay izany ilay izy, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
Imoron-tevana hivarina mihitsy ny firenena. Maro ny antony voatanisa (krizy ara-toe-karena, fahantrana isan-tokantrano, «fanjakan’ny madinika», sns)
Hamaky ny tohiny
10-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.