tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Archive du 23-nov-2022

Actualités

Sendikan’ny mpiasan’ny JIRAMA  « Esory ny minisitra Andry »  « Tsy mandray baiko aminy intsony izahay »

23-nov-2022

Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny Minisitry ny angovo sy ny Akoran’afo Andry Ramaroson sy ny sendikan’ny Mpiasan’ny Jirama.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Resin’ny maizina

Resin’ny maizina ara-bakitena aloha izany hatreto ny firenena manontolo. Raha tombanana ho ny 15%n’ireo mponina eto amin’ity firenena no heverina ho misitraka ny jiro sy rano avy amin’ny orinasa JIRAMA

Edito

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
67 ha Atsimo Raikitra ny sakoroka, nirefotra ny lakrimozena

Raikitra ny sakoroka tetsy 67 ha Atsimo omaly. Mikasa hanangana trano eo amin'ilay antsoin’ireo fokonolona hoe Tahala maitso na "Espace vert" ao afovoan'ny tanàna na “Cité”

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Tetibolam-panjakana Ny vina betsaka, ny fanatanterahana mbola ankamantatra

Natolotry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinaroson tamin’ny ankapobeny omaly,

Politique

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Jean Nirina Rafanomezantsoa “Aza potehina ny tanora nama a !”

Tsy raikitra moa ny baolina ny alahady teo, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, naneho ny alahelony noho ny fanakanana ny fitokanana ny kianja Surprise Anosizato.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Taom-piotazana letisia 2022 1075 ireo nahazo fahazoan-dalana

Nisokatra omaly tolakandro ny taom-piotazana letisia 2022 ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo raha toa ka efa tamin’ny alahady 20 novambra izany ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Minainaina ny depiote Ratsivahiny “Esory ny DG an’ny JIRAMA rehefa tsy mahavita”

Azo lazaina ho isan’ny distrika mijaly indrindra amin’ny resaka fahatapahan’ny herinaratra lavareny iny distrikan’Atsimondrano iny.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Vono olona teny Imerinkasinina 11 nidoboka eny Tsiafahy, 1 eny Antanimora

Olona miisa 12 no voasambotra mikasika ilay ny alatsinainy 14 novambra tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, ary natolotra ny fampanoavana omaly,

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Mibizina amin’ny anaran’ny mpanjifa fotsiny ?

Nankaiza ry mpiaro ny zon'ny mpanjifa toa mangina tato ho ato sa vizaka mijery Mondial? Toa natao hampalazana tena sy hanaovana fitaovana hitadiavam-bola ny fitondrana ilay anarana mpiaro ny zon’ny mpanjifa rehefa tena dinihina.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Fanamorana ny fampianarana ireo « Autiste » Novatsiana fitaovana ilay ivontoerana manokana eny Androhibe

Fanampiana isan-karazana toy ny fitaovana informatika maro no natolotry ny Orange Solidarité Madagascar sy ny Fondation BOA-Madagascar ho an’ny fikambanana Avana hahafahana

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Orinasa manetroka be Velon-taraina ny mponina eny Ivato K4 sy K5

Manaitra sy manao antso avo amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny toy ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ivato , ireo mpanolontsaina sy ny mpitandron'ny filaminana rehetra ary ny Sefo distrika an’ Ambohidratrimo ny vahoaka ao

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Durlin Retogniane “Tokony hitandrina amin’io werawera fotsiny io ny fitondrana ”

Nisarika ny sain’ny be sy ny maro ny fitsenana mpandray anjara tamina fifaninanana iray tany Morondava satria nanetsiketsehana olom-panjakana,

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Barson Rakotomanga “Mampihomehy foana ny didim-pitondrana avoakan’ilay minisitera”

Efa iarahantsika mahalala ny antony nanaovan’ny Randrana sendikaly hetsika maro fa dia saika niompana tamin’io olana ao amin’ny CNaPSio, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga.

Politique

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Karatra fandoavan-ketra Kendrena ho tonga 2 000 000 amin’ny 2023

Vinavinaina ho tafakatra 2 000 000 ny isan’ny olona manana karatra fandoavan-ketra amin’ny taona 2023, raha ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny Fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Vehivavy manana fahasembanana Manan-jo hisitraka ireo tolotra eny anivon’ny tobim-pitsaboana

Manana zo hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maro samihafa eny anivon’ny tobim-pitsaboana ireo vehivavy manana fahasembanana eto amintsika.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Card image cap
Randrana sendikaly “Efa ho 3 volana notanana am-ponja noho ny asa sendikaly i Sento”

Andro vitsy sisa dia feno 3 volana no nitazomana ny kamarady Sento tany am-ponja, noho ny asa sendikaly, hoy ny avy eo anivon’ny Randrana sendikaly omaly.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-nov-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus