21-déc-2022
Tratry ny horakoraka sy siotsiokan’ny olona ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 20 desambra 2022, nandritra ny fandalovan’ny tanjozotram-piara mitondra azy teny Soarano sy Analakely.
Hamaky ny tohinyTery ny toekarena. Mitaraina ho tsy afa-mivelatra sy tsy afa-mihary araka ny tokony ho izy ireo mpandraharaha, indrindra,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Miha ratsy isan’andro ny fari-piainan’ny malagasy, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, mpanao politika, jeneraly misotro ronono, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Taorian’ny fitakiana sesilany maro samihafa mikasika ny tokony amoahana ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera nosamborina tao Toliara ny alakamisy teo
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Nankatoavin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena FMI ny herinandro teo ny “plan de sauvetage” mitentina 3 miliara dolara be ho an’i Ghana.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Nivoaka ny antso tolo-bidy avy amin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo mikasika ny famelomana sy fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Antetezambato.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Rajoelina Hafahafa ny tsio-drivotra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao faramparan’ny taona izao.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Tsy isan’ny misitraka ny fanampiana ara-bolan’ny MCC (Millenium Challenge Corporation) i Madagasikara ho an’ny taona 2023, saingy toa misy nampijabaka tamin’ny serasera ny Filoha,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Raikitra ny hetsiky ny mponina teny Itaosy omaly noho ny delestazy. Tahaka ny mahazatra, nidina an-dalambe
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Sahirana avokoa ny ankamaroan’ireo mpandraharaha Malagasy amin’ny ankapobeny. Tsy misy ny mividy ny entana noho ny tsy fahafahan’ny isan-tokantrano manjifa izany hany ka mihitsoka tsy afa-miodina ny volan’izy ireny,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Efa firenena maodely aty Afrika i Madagasikara manoloana ny ady hatao amin’ny sigara sy ny paraky. Raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Haja,
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Mirefy 300 000ha ny velaran-tany ahiana hianahan’ny andiam-balala amin’ny taona 2022-2023. Ho fiatrehana ny ady amin’ny andiam-balala, vola mitentina 12 miliara Ar
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Misy foana ny vahaolana raha mazava ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Lehilahy iray 32 taona no sarona teny Ankaraobato afak’omaly Alatsinainy rehefa nisoloky tamin’ny resaka Mvola.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’i Taolagnaro afak’omaly alatsinainy 19
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Mitaky ny hankatoavana ilay lalàna momba ny fanajana ny zon’ny vehivavy na ilay protocole ny Maputo ny filan-kevitra nasionaly momba ny vehivavy eto Madagasikara na ny CNFM.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Nitrangana vono olona mahatsiravina indray tany Toliara ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray antsoina hoe :
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Olona miisa 5 izay fantatra fa vehivavy avokoa no lasibatry ny aretina SIDA any amin’ny distrikan’i Mandritsara tamin’ity volana Desambra ity.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Navesabesatra ny taona 2022, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, satria iarahantsika mahalala ny fiakaran’ny vidim-piainana. T
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
Miiba ny zava-bitan’ity fitondrana ity, raha tombanana ny nataony tamin’ity taona ity, hoy ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI, satria miha mahantra andro aman’alina ny vahoaka.
Hamaky ny tohiny
21-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.