22-déc-2022
Efa nitsefotra ny fitsipaham-pitokisana, saingy mbola mipetraka ho fery eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta,
Hamaky ny tohinyTsy isika no handeha hanome lesona ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana izay tarihiny, saingy manana zo hiteny sy haneho hevitra ihany angamba eo anatrehan’ny fahapotehana sy fitotonganan’ny firenena ankehitriny,
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Nivaly omaly 21 desambra 2022 ny fangatahan’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna (HCDDED)
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Voatonontonona ho isan’ireo hiatrika ny Kongresim-paritry ny TGV notanterahina tao Farafangana ny 21 desambra 2022 ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana,
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Nahazo CSB I vaovao ny ao amin’ny Fokontany Amboaroy, kaominina Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Taorian’ny andiany fahadimy nahazo ilay « Prix Pierre Castel », dia tafiditra avy hatran’ny ho isan’ireo mpandray anjara amin’ny fifaninana « Prix Jeunes Espoirs » ireo mpandresy efatra teto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Naharay antso ny zandary ny alin’ny 20 desambra teo mikasika ny fisian'ny andian-dahalo nirongo basy naka omby miisa 15.
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Ny alakamisy lasa teo ny nosamborina ny mpampaneno lakolosy, Andry Biahary, ka nentina avy hatrany tany amin’ny fonjan’i Fianarantsoa rehefa avy nanaovana ny fikarakarana ny antontan-taratasim-pitsarana rehetra,
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Amin’izao taom-pamokaram-bary izay voatohintohin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fihafanan’ny tany izao dia misedra olana goavana ireo tantsaha mpamoka-bary satria zary lasa tsy voafehiny intsony ny fotoam-pambolena
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Mbola voasokajy ho faritra mena hatrany ireo faritra ambony toerana tazanina avy etsy Anosy sy ny manodidina mandrak’ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Miisa 241 ireo trangana halatra sy fanafihana mitam-piadiana niseho manerana ny Nosy tao anatin’ny herin-taona izany hoe :
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Ho fanohizana ny asa izay nataon’ny Amiraly didier Ratsitsaka mivady tamin’ny fotoan’androny no tena antony nananganan’ny mpiara-miasa sy ny fianakaviana ny "Fondation Céline et Didier Ratsiraka".
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Nanapa-kevitra ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana fa ho tanterahina miaraka amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny Hetsika “Vary Tsinjo M'fety
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Tokony ho taom-pifidianana amin’ny 2023. Mampanahy anefa izay mety hitranga satria tsy tanteraka ilay kely fa lehibe indrindra,
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Mahatratra 80% n’ny Malagasy no mbola tsy manana fiantohana ara-pahasalamana. 20% monja no manana izany izay mpiasa sy manao asa manara-drafitra.
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Ny volana Oktobra ka hatramin’ny volana Martsa no tena mampirongatra sy mampahazo vahana ny aretina tefoedra eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Ramatoa iray no tapa-tongotra rehefa voadonan'ny moto teo amin'ny toerana fiampitan'ny mpandeha an-tongotra teny anoloan'ny Galana Ankorondrano omaly tokony ho tamin'ny 4 ora latsaka fahatelony tolakandro,
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
Zokiolona am-polony omaly no notoloran’ny Solombavambahoaka Anyah solombody akoho tao amin’ny distrikan’Antananarivo fahatelo faritra nahalany azy.
Hamaky ny tohiny
22-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.