tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 11-janv-2023

Politique

Politika avo lenta Manomboka ahilikilika ny filohan'ny "Sénat" ?

11-janv-2023

Fito volana sisa hijanonan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny toerana maha Filoham-pirenena azy raha toa ka mbola isan’ny ho kandida Filoham-pirenena manaraka eo izy.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
11 andro monja !

Mandeha ny fotoana! Mandeha mihazakazaka koa ny fivoaran’ny toe-draharahara eto amin’ny firenena.

Edito

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Mitaky fifampidinihana ny iraisampirenena “Tsy hamatsy vola fifidianana feno hala-bato”

Herintaona mahery izay ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM no niala nenina, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Jean Louis Rakotoamboa - TEZA “Tsy hisy hanaiky lembenana intsony izao”

Taona tena ho sarotra ho antsika malagasy ity taona 2023 ity, hoy ny antoko politika Teza. Hiakatra, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa,

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Paul Rabary “Tsy olom-baovao raha mbola mpandraharaha”

Tsy mihoatra ny 5 ny isan’ny olona hilatsaka ho filoham-pirenena hilatsaka eo ka hiheritreritra ny ho lany na firy na firy no isany,

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Andry Rajoelina “Vonona ny rehetra hiara-hientana ho an’ny velirano 2023”

Hita fa vonona ny rehetra hiara-hientana sy hiray hina mba hanatanterahana ireo Velirano amin’ity taona 2023 ity.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Varotra zanaka any Ikongo “Aleo velona any aman’olona toy izay maty eo an-tanan’ny tena”

Tao anatin’ny andro vitsy izay no efa nisy ny fampahalalam-baovao nilaza fa amidy 100 000Ar ny zaza iray any Ikongo noho ny fahasahiranana sy fahantrana fa indrindra ny kere sy ny hanohanana.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Tandindonin-doza ny famatsiana entana Milaza tsy hiasa ireo kamionera amin’ny RN2

Hijanona tsy hiasa ireo mpitatitra kamionera amin’ny RN2 miazo an’i Toamasina manoloana ireo lozam-pifamoivoizana, fatiantoka, tebiteby iainan'izy ireo vokatry ny lalan-dratsy feno lavaka.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Gadra politika Marary mafy i Rolly Mercia…

Niparitaka omaly ny resaka nilaza fa tena niharatsy tanteraka ny fahasalaman’Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia izay mpanao gazety sy efa Minisitry ny serasera teo aloha.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Mpanafika cash point teny Ankasina Voatifitra teo amin’ny fitombenany ilay jiolahy

Nisehoana fanafihana cash point teny Ankasina omaly takariva, araka ny tatitry ny polisim-pirenena.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Tsy voafehy intsony ny toekarena sy sosialy Manakaiky ny 5000 Ar ny sandan’ny 1 Euro

Tafiakatra 4852,14Ar ny sandan'ny 1Euro, ary 4522,33 ny 1Dolara raha ny sandam-bola hita ny marainan’ny omaly 10 janoary 2023.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Faniry Razafimanantany “Efa mihoatra ny krizy ny zava-misy eto”

Efa tafiditra tao amin'ny "Tolo-kevitra fitsipaham-pitokisana ny governemanta" ny volana desambra 2022 lasa teo ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny kere any amin'ny faritra maromaro,

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Zaza very tao amina Clinique tao Toliara Atao fanadihadiana ilay rasazy sy ny mpiambina

Korontana be tao amin’ny Clinique iray tao Toliara omaly. Tsy nanaiky mora foana ny fahaverezan’ilay zazalahy kely vao teraka,

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Fahasahiranana ara-bola Maro ireo tsy mahaloa hofan-trano ka voatery mibata entana

Volana malaza hitoeran’ny fahasahiranana ny volana janoary fiandohan’ny taona tahaka izao.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Isotry tsy milamina Roalahy tratra vao maraina nanendaka mpivarotra

Lehilahy roa, mpanendaka mpiantsena maraina eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny no tratra ambodiomby nanao ny asa ratsy manoloana ny sakan-dalana nataon’ny polisy,

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Fihoaram-pefy eny amin’ny toera-manan-tantara na vakoka “Ho tomponandraikitra izay tsy manakana na mampitandrina”

Nanao fanambarana omaly ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM fa manameloka ireny zava-nisy teny Ambohimanga

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Ambohimahasoa 2 no maty tamin’ireo 11 nilatsaham-baratra

Olona 11 isa no nilatsaham-potaka tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antoetra, distrikan’Ambohimahasoa ny 09 janoary lasa teo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Terak’Imerina Antananarivo “Te hampandroso an’i Madagasikara izahay”

30 taona katroka ankehitriny ny Terak’Imerin’Antananarivo na TIA, hoy ny filoha mpanorina azy, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Jean Nirina Rafanomezantsoa “Vahaolana ny fanovana minisitra sy governora maromaro”

Tonga eo amin’ny dingana famaranana ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Mba tsy hisian’ny korontana « Tokony angonina ny hetahetan’ireo mpanao politika »

Tsy misy izay tsy manahy korontana ny rehetra manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Tsipy Kanetibe Tandindomin-doza

Miakatra CODIS ( filankevitry ny fitsipi-pifehezana) eo anivon'ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe ny filohan’ny federasionina Malagasy Amir Andriamilevason.

Sport

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Card image cap
Ben’ny tanàna IRK Ambovombe-Androy “Zatra manevateva raiamandreny ny depiote Milavonjy”

Nanao fanambarana omaly ireo ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRK miisa 16 ao anatin’ireo kaominina miisa 21 mandrafitra ny distrikan’Ambovombe-Androy

Politique

Hamaky ny tohiny
11-janv-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus