20-janv-2023
Ankoatra ny fahavoazana ara-materialy sy amin’ny maha olombelona nateraky ny rivodoza sy ny andro ratsy.
Hamaky ny tohinyEfa zatra ampanantenaina eto amin’ity firenena ity moa ankehitriny ny malagasy. Tena nahay izao fitondrana izao nitaiza antsika tao anatin’ny fampanantenana.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Isan’ny nankatoavina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra afak’omaly 19 janoary 2023, fa noho ny hamehana manoloana ny fahasimban’ny lalàm-pirenena maro, dia notapahana ny fanomezana alalana mialoha
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Samy manana ny hasiny, lanjany, hajany, iraka ampanaovina azy ny fiangonana sy fitondram-panjakana eo amin’ny firenena iray sy maneran-tany, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Tsy mety eto amintsika intsony ny Fitondrana tetezamita hoy ny senatera Ramanambintana Richard omaly. Efa tena sahirana ny vahoaka hoy
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Miha mahantra daholo ny vahoaka Malagasy ary be dia be ny zava-mitranga manerana an’i Madagasikara ankehitriny,
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Niditra an-tsehatra nandiso ary nampitandrina ny amin’ny ambarany fa fanelezana tsaho mahakasika ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola,
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Raikitra ny fitakian’ny Fiadidian’ny Repoblika ireo fiara voalaza fa azy sy misoratra aminy, saingy lasa miparitaka any amin’ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa toy ny minisitera na rantsa-mangaikan’ny Fanjakana,
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Herintaona sy roa volana izay no lasa tamin’ny nisafidianan’ny Fanjakana Rajoelina ho "Conseiller financier" na mpanolotsaina ara-bolan'ny Repoblikan'i Madagasikara ho ny Kabinetra « Rothschild & Co».
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Dimy mianadahy no voasaringotra tamin’ilay raharaha fanafihana mitam-pidiana andro atoandro nisiana fandrobana vola, narahana vono olona tetsy Behoririka ny 29 desambra 2022.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara ankehitriny. Ankoatra ilay rivo-doza Cheneso izay tany amin’ny distrikan’i Befandriana avaratra,
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Hiatrika ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehiben’ireo governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny fanodidnana voka-pambolena.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Ankoatra ny kohoka sy ny gripa mahery dia fotoana mampahazo vahana ny aretin-kibo ihany koa amin’izao fotoam-pahavaratra izao ka ilana fitandremana hoy Mandimbison Rija, mpitsabo amin’ny vokatra natoraly.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Vokatry ny toetr'andro ratsy dia vakim-paritra maro eto ambonivohitr’i Sambava no dobo-drano, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Tontosa omaly tetsy amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny fanamarihana ny faha 5 taonan’ny Oniversity Ravelojaona.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Efa tapitra nafindra trano avokoa ireo tokantrano 20 isa tandindomin-doza noho ny fisian’ilay vatobe ao Volosarika milanja 30 taonina novakiana nanomboka omaly alakamisy 19 janoary.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Lehilahy iray antsoina hoe : Voriolo Fidelis no maty notifirin’ny jiolahy omaly tokony ho tamin’ny 09 ora latsaka dimy minitra maraina rehefa nanavotra
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Ny sabotsy 21 janoary 2023 izao no hanatontosa ny kaongresiny amin’ity taona ity ny antoko politika demokraty Kristianina na PDCM (Parti démocrate Chrétien de Madagascar).
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Tafiditra an-tanety omaly 19 janoary 2022 tamin’ny 11 ora latsaka fahefany tao Avaratr’Antalaha ilay rivodoza Chenese.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Ankoatra an’i Sambava dia voa mafy koa i Andapa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Jiolahy iray no lavon’ny balan’ny Polisy miasa ao Fianarantsoa omaly alakamisy 19 janoary tao amin’ny fokontany Maromby.
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
Tena tsy mifidy ora hidirana an-trano intsony ireo jiolahy amin’izao. Lehilahy iray 25 taona omaly tokony ho tamin’ny
Hamaky ny tohiny
20-janv-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.