Mihazakazaka ny politika, akaiky ny fifidianana, ka toa hitadiavana hirika hisehoana avokoa izay rehetra mety hahafahana manao izany.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Namoaka didy fampikarohana an’ Mahaleo Jaona Fanomezantsoa na Fano ny GAPJ ALMAN (Groupement d’Appui de Police Judiciaire Alaotra Mangoro),
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Tetsy Faravohitra no nentin’ny Antoko Arema nahatsiaro sy nanamarika ny andron’ny vehivavy omaly 8 martsa. 300 teo ireo mpikatroka tonga teny an-toerana.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Nanao bemidina tany Toliara ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Atoa Ntsay Christian, izay nitarika mpikamban’ny governemanta maromaro omaly. Niara-dàlana taminy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena,
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Mirongatra ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny ankizivavy sy ny tanora zazavavy eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Maro ireo fampanantenan’ny filoham-pirenena ankehitriny tsy tanteraka izay efa zary mankaleo na ny mitanisa azy aza ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Mampiteny ny moana ny fahapotehan’Antananarivo amin’izao fotoana izao, ary tsy misy izay tsy miresaka an’izany izay mahita.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Ihosy ny lehiben'ny distrikan'Ivohibe, Ramatoa Rakotomamonjy Norosoanambinina Andrée,
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Taorian’ny fangatahan-drano tany Iharagna Vohémar Faritra SAVA ny alatsinainy teo sy ny fizarana fanampiana ho an’ireo traboina maro be tao amin’ny Kianja Mitafo Tsenengea Toliara ny andron’ny talata,
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Tonga tamin’ilay hira hoe: “ny sitrapony vitany fa ianao feheziny” indray ny sary nanamarika ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy omaly 08 martsa teto Antananarivo omaly.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Vao avy nanao fitsidihana seranam-piaramanidina maromaro teto an-toerana ny Randrana sendikaly, hoy izy ireo, omaly.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Ho tontosaina etsy amin’ny gara Soarano ny 11 hatramin’ny 18 martsa izao etsy amin’ny gara Soarano ny andiany faharoa amin’ilay hetsika antsoina hoe Tana design week, izany hoe Tana design week 2.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Tsy mipetra-potsiny ny AFK na Antso fiaraha-monina Kristianina tarihin’ny filoha nasionaly Andriamparany Ricky manoloana ny zava-misy iainana sy lalovan’ny firenena ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Naiditra « fourrière » mandritra ny 10 andro raha araka ny loharanom-baovao azo ilay fiara lehibe nibahana tetsy Anosizato omaly maraina nanomboka tamin’ny 08 ora.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Namoaka fampahafantarana ofisialy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle omaly mikasika ny raharaha Alakamisy Itenina
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Vonona hampandroso ny firenena ny vehivavy Apokalipsy izay efa mitana ny 80%-n’ny mpino ao aminy amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Arahabaina ny vehivavy maneran-tany, indrindra, ny vehivavy malagasy rehetra amin’izao 8 martsa, andro natokana ho antsika rehetra izao,
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Toy ny fikambanam-behivavy rehetra dia tonga nilahatra naneho ny heriny tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ihany koa omaly ny Fikambanana Leo Fahantrana na ny FILEFA,
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Rabodonandrianampoina Atsimon’Ambatondrafandrana Avaratr’Ambohimitsimbina Andrefan’Imandroseza Atsinanan’Ambohijanahary
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Raha betsaka ireo irakiraka dia toa azo vakiana sahady ny tian'i Nicolas Dupuis ahatongavana. Raha izao mantsy no fisehony dia mety ilay fipetraka lasa be mpanao amin'izao fotoana dia ny 4-1-4-1.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Mpianatra iray indray no voaendaka teny Faravohitra omaly.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Afa-baraka eran'izao tontolo izao indray ny fitondram-panjakana malagasy anio 8 martsa 2023, hoy ny mpanao politika Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
Lasa mpilalaon'ny Montlouis FC any France i Razafindrabe Rajo na i Berajo. Asa na hoe rehefa any an-dafy dia tsara
Hamaky ny tohiny
09-mars-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.