11-mai-2023
Araka ny kabarin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny 31 desambra 2020 dia atomboka tamin'iny taona 2021 iny ireo asa goavana fananganana fotodrafitrasa,
Hamaky ny tohinyRava arofanina tanteraka ankehitriny ny fiarahamonina malagasy, ny kolontsaina malagasy, ny fomba malagasy, eny, ny fiainam-pirenena malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Tao anatin’ny telo andro, ary mbola nitohy omaly ny fandinihan’ny manampahaizana manokana amin'ny resaka harena an-kibon'ny tany, ny minisitra mpiahy ny harena an-kibon'ny tany,
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Potika sy mihemotra, ary anjakan’ny gaboraraka tanteraka ny tananan’Antsirabe renivohitra amin’izao fotoana izao noho ny tsy fahaiza-mitantana, araka ny fanamarihan’ny mponina.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Mizotra mankany amin’ny krizy politika goavana ny toe-draharaharaham-pirenena, raha tsy voalamina mialoha.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Hiroso amin’ny fakan-kevitra isam-paritra ny FFKM
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Namoaka fanambarana indray omaly ny KMF-CNOE Fanabezana olompirenena, ka nanamafy fa hiroso amin'ny fanavaozana ny fampindramam-pahefana amin'ny alalan'ny fifidianana i Madagasikara tsy ho ela.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Tsy misy zavatra hiova amin’ity taona ity no dikany»
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Efa saika manomana vola hatokana hividianana akanjo mafana avokoa ny isan-tokantrano amin’izao hiatrehana ny vani-potoanan’ny ririnina.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Ho any Maroantsetra ny Filoha Andry Rajoelina ato ho ato, raha ny loharanom-baovao. Voalaza fa nisy fivoriana fanomanana izany omaly 10 may 2023.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Nalefa eny Antanimora ireo roalahy tompony
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Efa tena mahatsiaro mangatsiaka ny rehetra amin’izao indrindra fa amin’ny harivariva iny sy ny maraina.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Tsy milamina ny fandriampahalemana ao Farafangana. Jiolahy miisa 02 no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana andro vitsy lasa izay ka ny iray no maty voatifitra.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Nivoaka tany ivelany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy niaraka tamin’ireo delegasiona ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Ny «bibikely» no nahavery anarana an’Ingahy Jules Prosper Goudot, «entomologiste» nivahiny teto fony faha Ranavalona I (nanjaka 1828-1861) :
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Mivoy hatrany ny fampanjakana ny tany tan-dalana eto Madagasikara ny Hafari Malagasy, hoy ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Aleo ferana 3 na 4 volana ny tetezamita»
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Miha mitombo hatrany ireo olona lasibatry ny aretina homamiadana sy ny diabeta eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Fantatra fa mbola tena tsy mahafa-po ny lalaon'i Koloina na Rakool ao amin'ny Mouloudia d'Alger.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Hamarana ny fanamarihana ny faha 20 taona nijoroany ny antoko mpihira Taratry ny mazava.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
Tsy nisy fahagagana fa ireo tompon-dakan'ny Afrika teo amin'ny basket 3x3 ihany no solontena any amin'ny fiadina ny ho tompondaka eran-tany hatao any Vienne Autriche.
Hamaky ny tohiny
11-mai-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.