tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Archive du 23-mai-2023


ampamoaka

Card image cap
Mivaralila

Miharihary toy ny vay an-kandrina hatrany aloha ny tsy fahaiza-mitantana Firenena ankehitriny, raha tarafina amin'ny vokatra sy ny zava-misy.

Edito

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Ny delestazy miha zava-doza Ny Jirama hampiditra jiro amina tokantrano 200 000...

Namoaka serasera ny Jirama sy ny Minisitry ny Angovo Atoa solo Andriamanampisoa omaly 22 may, nanambara fa kaontera 5000 no hatomboka hapetraka amin’ity herinandro ity,

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Fanadiovan-tena momba ny Lalaon’ny Nosy “Tsy ny habetsaky ny taranja no zava-dehibe…”

Mbola nanadio tena indray ny fitondram-panjakana teo anatrehan’ny petatoko sy tsy fahatomombanana ara-pikarakarana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11, izay efa ofisialy fa hotanterahina eto Madagasikara.

Sport

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Fitakiana sendikaly sy raharaham-pirenena Hanao fivoriambe ny SECES ny zoma izao

Mafampana indray ny raharaha sendikaly eny anivon’ny anjerimanontolom-panjakana eto Madagasikara. Taorian’ny fanambarana fanamafisana ny fitakiana samihafa nataon’ny rantsana samihafa teo anivon’ny Sendikan’ny

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Fisitrahana ny FEC 32 tapitrisa dolara Fehezo ny Jirama, ahitsio ny vidin-tsolika, reseo ny kolikoly

24,44 tapitrisa DTS na 32 tapitrisa dolara eo no ho azon’I Madagasikara ao anatin’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit)

Toekarena

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Ambana hisiana fidinana an-dalambe Mamaly bontana ny iraky ny Fitondrana…

Mandeha ny fampitenenena olona na vondron’olona samihafa eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

Politique

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Delestazy nanerana an’Antananarivo Nambara fa nigebona indray ireo milina 3 any Andekaleka

Misy tsy fahatomombanana tampoka ireo milina mpihary herinaratra miisa telo ao Andekaleka ka mahatonga tsy fahampian'ny tanjaky ny herinaratra amin'ny ankapobeny eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Lalàna momba ny fampiasam-bola Ampitoviana ny herijikan’ny Malagasy sy vahiny

Lany tao anatin’ny fivoriana nitambarambe teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly 22 may 2023 ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Marcel Razafimahatratra «Teny ierana no mampilamina ny tany sy fanjakana»

Ny MFM dia manohitra ny fifampihantsiana amin'ny endriny rehetra ary tsy miaraka amin'izay mpanao izany, hoy ny mpitolona MFM ela nietezana, Marcel Razafimahatratra.

Politique

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Fikambanana Manampy Hiverina hanolotra sakafo ho an’ny marefo ara-pivelomana

Eo ihany ny fitiavana ny mpiara-belona efa ao anaty fa efa nandalo fahasahirana sy tsy fahampiana koa ny tena dia izay no isan’ny mandrisika hanao asa soa, hoy ny filohan’ny fikambanana Manampy,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Antanimalandy Mahajanga Fiara 12 sy trano iray may kila forehitra

Camions citernes plateaux 2, tracteurs 4, remorques bâchés 3 ary remorques citernes 3 no kila hotohoton'ny afo tao amina garazy iray teny Antanimalandy,Mahajanga,

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Androtra Tsiroanomandidy Rangahy lehibe 70 taona maty notapahin-doha

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany toy ny nitranga tao amin’ny Fokontany Androtra, distrikan’i Tsiroanomandidy

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Ankadikely Ilafy Voasambotra ireo mpanendaka olona mpirevy amin’ny alina

Tena efa samy manana ny paikady hampiasainy mihitsy ireo mpanendaka ankehitriny mba hahazoany izay tadiaviny. Misy ireo manakan-dalana, misy ireo manao ny hataony any anaty taxibe….

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
APEESPA- 5 taona Mitaona ny tanora handraharaha fa tsy hitady asa fotsiny

Feno 5 taona ny fikambanana ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo anivon’ny Toeram-pampianarana ambony momba ny politeknika (APEESPA) eny Vontovorona.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Ady amin’ny tsy fananan’asa Tanora miisa 16 no nomena fiofanana tao Ankadikely Ilafy

Be loatra ireo tanora tsy an’asa eto amintsika. Ankoatra ireo nahavita fianarana nefa tsy mahita fianarana mifandraika

Sosialy

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Fetin’ny reny sy pentekosta Azo hatao tsara ny mividy fanomezana na dia sahirana aza

Afaka andro vitsy monja dia hankalaza ny fetin’ny Pentekosta isika. Herinandro aorian’izay ihany koa dia hankalaza ny fetin’ny Reny.

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Fahatapahan’ny herinaratra Lasibatra ihany koa ireo manao asa any an-trano

Ankoatry ny fahasimban’ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra dia mihisatra koa ny katrokonja na «connexion»

Actualités

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 Isan'ny vitsy mpandray anjara indrindra

Nahazo anarana sahady ny Malagasy fa hoe tompondaka eo amin'ny isan'ny mpandray anjara vitsy indrindra taorian'iny fanenana ny taranja hilalaovana iny.

Sport

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Kung-Fu WISA – 43 taona Mitohy ny fitetezam-paritra

Mitohy ny fitetezam-paritra ho fankalazana ny faha 43 taona nidiran'ny Kung-Fu voalohany teto Madagasikara ka ny

Sport

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Miss maman 2023 25 mirahavavy no hamarana azy

Hiditra amin’ny andiany faha 3 amin’ity taona ity ny fifaninanana reny mendrika na «Miss maman 2023».

Sport

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Card image cap
Pro League Tonga amin'ny tsontsori-mamba hisarahana amin’izay

Ho fantatra amin'io faran'ny herinandro io ireo ekipa efatra hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Hangotraka noho izany ny lalao na dia nahery fiavy aza ry zareo any amin'ny vondrona avaratra.

Sport

Hamaky ny tohiny
23-mai-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus