Mbola karakaina sy mitaraina ny tany. Tsy zarizary ny voly rehetra, indrindra, ny voly vary. Toy izany koa ny fiompiana. Hatreo fotsiny dia efa midika fa tsy milamina, fara-faha keliny, ny fiainan’ny 80%n’ny Malagasy,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Isan’ny mpamboly vary ny kaominin’Ambohitrimanjaka, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
7,5% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara tamin’ny 9 taona lasa. Ankehitriny tsy fantatra intsony izany na miharatsy na mihatsara, indrindra taorian’ny fandalovan’ny valan’aretina Covid 19,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny antenimieram-pirenena ilay volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona 2022 ( LFI 2022).
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny Talen’ny Valanjavaboaharin’i Tsimbazaza na ny PBZT PBZT (Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza) Atoa Randrianirina Jasmin Emile.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Miakatra tsikelikely ny saran-dalana miazo ny faritra hiantsorohan’ny zotra nasionaly sy rezionaly. Nisantatra izany ny mampitohy ny distrikan’i Mahanoro amin’Antananarivo izay lasa 30.000 Ar raha 20.000 Ar teo aloha.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Anatin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikany isan-tokony amin’izao fotoana izao ny antoko politika, Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny HVM,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Handalo eo anivon’ny Fitsarana misahana ny heloka bevava na CCO (Cour Criminelle Ordinaire) ny 6 desambra ho avy izao ny raharaha “Apollo 21”
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Mitohy ny fanamboaran-dalana mirefy 2km kaominin’Ambohitrimanjaka, ho any Ambodivona, dia mitohy ny fanamboaran-dalana mirefy 2km eo mba ho ara-dalana tsara ny lalana na ny lakan-drano.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Lehilahy miisa 02 no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy ny alakamisy 18 novambra teo ary natolotra ny CSP7 67ha mba hanaovana fanadihadiana mahakasika fanendahana izay niseho teny amin’ny
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Tsy mitovy hevitra ny Koperativa sy ny Ministeran’ny Fitaterana mikasika ilay fampiakarana saran-dalana izay efa nokasain’iretsy voalohany notanterahina nanomboka ny alatsinainy teo.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Fanabeazana tsy manavaka na manilika na iza na iza ny fanabeazana mampiaty. Tafiditra ao anatin’izany ireo ankizy manana fahasembanana sy ireo zanaky ny sahirana.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Mbola tsy ampy iray volana akory no nampiasana azy dia potika sahady ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Anosy Avaratra, raha ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Midina 60% ny famokarana herinaratra amin'izao fotoana izao, hoy ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Antony maro no nambara fa antony:
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Tontosa omaly 23 novambra 2021 tany Caire, Egypte ny fivoriana an-tampony faha-21 an'ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin'ny Vondrona COMESA.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Vehivavy iray 41 taona no saron’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra 67ha Atsimo iny ny zoma 19 novambra teo. Raha araka ny fantatra dia nahatratrarana rongony io vehivavy io izay tao an-tranony mihitsy.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Ny 17 novambra teo no nosorana ho Ampanjaka tany Vohipeno ny mpanao gazety Rabelaolao. Nasondrotra ho Andriambe,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Lehilahy iray 33 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny CSP3 Antaninandro ny 22 novambra lasa teo rehefa avy nanendaka.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Fiaram-panjakana ampiasaina minisitra iray no tra-doza, nivadibadika tany Atsimo tany, raha ny loharanom-baovao azo.
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Efa soso-kevitra nomeko foana ny hoe tokony izao no hitondrana aingana ny fanarenana ny toekarena, hoy ny mpahaitoekarena, Pr Ralison Roger,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Hofantarina manomboka izao ny tena isan’ireo olona manana fahasembanana eto amintsika hahafahana manampy azy ireny ka hahatonga azy ho afaka
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Mandalo kihon-dalana ratsiratsy ho an’ny firenena isika ankehitriny satria heverina fa andraikitry ny governemanta ny mijery ny vahaolana maharitra ho an’ilay firenena miaina anatina krizy,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Hiditra amin’ny faha 8 taonany ankehitriny ny tetikasa sekoly nomerika eto Madagasikara. Tontosa omaly indray ny fanohizana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Orange Solidarité Madagascar sy ny minisiteran’ny
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
Hosakanana ny fitrandrahana volamena any amin’ny Reniranon’I Fatihita Faritra Amoron’I Mania. Nanambara ny governora Rtoa Aline Mamiarisoa omaly,
Hamaky ny tohiny
24-nov-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.