02-juin-2022
Ratsy fanombohana, nomontsanin’ny Black Stars-n’i Ghana tamin’ny isa mavesatra 3-0 ny Barean’i Madagasikara omaly tamin’ny lalao voalohany amin’ny fifanintsananana hiakarana amin’ny CAN 2023.
Hamaky ny tohinyTsy nisy fanjakana nampanantena zavatra betsaka indrindra sy fampandrosoana tsy hita pesimpesenina tahaka ity tao anatin’ny taon-jato maro teto amin’ny firenena. Lasa mivadika hoe:
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Nahena ho 2,6% ny vinavinan’ny fiakaran’ny toekaren’i Madagasikara ho an’ity taona 2022 ity raha 5,4% no nofaritan’ny Fanjakana tany am-boalohany.
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Taorian'ny fifanjevoana tamin'ireo dahalo tao Vohilolo Beandrarezona, fokontany Lampibe, kaominina Marotandrano, distrika Mandritsara ny alarobia 25 may 2022 dia vaky nandositra izy ireo ka tsy nisy voasambotra,
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Tohana mafy ireo mpivarotra tetsy Anosy manoloana ny radiom-pirenena Malagasy omaly. Efa hatramin’ny afak’omaly talata mantsy izy ireo no tsy nisy tany niainana fa nokorontanin’ny polisy kaominaly tsy afaka nivarotra, raha any fitarainan’ireo mpivarotra.
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Notondroin’ny mpikaroka ara-pitsaboana nenti-paharazana Edmond Rakotomalala nahita ilay fanafody ED1 ho mpisoloky sy mpisandoka ny anarany sy ny voka-pikarohany i Ny Rado Rafalimanana fantatra amin’ny tontolon’ny
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Naneho ny heviiny momba ny raharaham-pirenena nandritra ny fandaharana Bemiray tao amin’ny Top Radio omaly Atoa Olivier Rakotovazaha,
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Mihazakazaka ny fotoana, saingy mihisatra kosa ny fanapahan-kevitra na dia mailaka aza nitady doka sy tehaka tamin’ny mpanara-baovao! Io no mahafintina ny tsy mbola namoahan’ny Fanjakana hatramin’izao ny didim-panjakana
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Ny vondrona Al Jaber, izay vondrona matanjaka anisan'ny nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi izay fantan-daza maneran-tany no ho mpiara-miombon'antoka amin'ny Fanjakana Rajoelina amin'ny
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Tsy milamina ny fandriampahalemana ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano.
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Sahirana ankehitriny ireo mpikambana miisa 800.000 ao amin’ny CNaPS, noho ny tsy fahaiza-mitantana ao, hoy ny Randrana sendikaly. Saika hitondra vahaolana isika,
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Namoaka ny raki-kirany vaovao mitondra ny lohan-teny hoe : Mpanjaka i Big MJ omaly na Toetran’i Aina Parfait, anarana nomen-dReniny azy. Ahitana audio sy DVD izany, izay marihina fa tena raitra tokoa ary hamidy amin’ny
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Miombona amin’ny tokony hisian’ny fikaonan-doham-pirenena mialohan’ny fifidianana ny antoko politika HE Mada, hoy ny mpikamban’ny birao maharitra eo anivon’ity antoko ity, Nantenaina Rakotonirina.
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Manomboka mahazo vahana indray ny fakana an-keriny any amin’ny distrikan’i Mahabo. Olona miisa 3 izay ahitana zaza iray no indray nalain’ny dahalo an-keriny omaly tao amin’ny faritra Ambalavary,
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Mbola tena ambany ny tahan’ny fihinanana ireo sakafo vita amin’ny ronono eto Madagasikara. 7 Kg isan-taona isan’olona mantsy izany raha tsy mahatratra 1 litatra isan’olona isam-bolana ihany koa ny fisotroan-dronono,
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
Fitopolo taona (1952-2022) androany no niakaran’i Elisabeth II ho Mpanjakan’i Englanda sy Great-Britain.
Hamaky ny tohiny
02-juin-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.