10-juin-2022
Maro ny Fanjakana nifanesy teto Madagasikara tao anatin’ny 60 taona, fa tao anatin’ity Fitondrana Rajoelina ity no nahavakisana raharaha sy afera maloto na «scandales » betsaka indrindra. Maro ireo olona ambony voatonontonana amin’ny kolikoly sy afera avo lenta.
Hamaky ny tohinySarotra ny miady hevitra rehefa mihidy ao anatin’ny rindrina firenena ny mpitantana firenena, ka tsy hanaiky ho diso mihitsy, tsy hiaiky ny lesoka sy tsy vonona mba hanitsy izany,
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Maro ny Fanjakana nifanesy teto Madagasikara tao anatin’ny 60 taona, fa tao anatin’ity Fitondrana Rajoelina ity no nahavakisana raharaha sy afera maloto na «scandales » betsaka indrindra.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Efa fahazaran’ireo solombavambahoaka no mingitrika sy manao tsidi-pahitra mamonjy ny antenimieram-pirenena.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Nanomboka ny 07 Jona lasa teo ny adina ara-panatanjahantena bakalorea ho an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, haharitra 10 andro.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Nitrangana haintrano mahatsiravina tetsy Antanimena, kaominina Antananarivo omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 04 ora maraina.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Na ireo solontenana antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ary mpanao politika tonga nanatrika ny atrikasa fikaonan-doha notarihin’ny CENI teny amin’ny Novotel Ivandry omaly aza niloa-bava hoe “Vitsy isika!”.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Mbola hifandroritana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza hatramin’izao ny mety ho fandinihana ilay lalàna momba ny ITG na ny fanalan-jaza.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Faha 13 aty Afrika ankehitriny i Madagasikara raha resaka fananana taham-pahavelomana maharitra no resahana,
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Arakaraka ny maha atomotra ny fifidianana izay voafaritra fa hatao amin’ny taona 2023 no mampitombo ny tsindry mahazo ny Fitondrana Rajoelina.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Toy ny kaominina rehetra manerana ny Nosy dia hanamarika amim-pifaliana ny fetin’ny 26 Jona ihany koa ny kaominina Ambohidrapeto,
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Ankoatra ny lonilony politika miotrika ahiana hirefotra indray raha tsy voafehy, mitombo ary mihalalina ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Tanjon’ny CENI moa izany nikarakara izao atrikasa fikaonan-doha izao dia ny mba hisian’ny fifidianana madio mangarahara eken’ny rehetra, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika RPSD,
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Ho tontosaina ny 16 hatramin’ny 18 jona izao eny amin’ny zaridainan’Andohalo ny hetsika “Tsenaben’ny Kabary”.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Efa nanao ilay hoe “Refondation du système pour le réel développement de Madagascar” ny tenako fony mbola CST, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Manakoako maneran-tany ny kabary Malagasy ankehitriny vokatry ny ezaka nataon’ny FIkambanan’ny MPIkabary MAlagasy tarihin’ny filohany Hanitra Andriamboavonjy.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Ankoatra ny lalana sy ny rano dia anisan’ny mampijaly fatratra ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ihany koa ny tsy fisian’ny jiro.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Lehilahy miisa 03 sy vehivavy iray no nosamborin’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Andilamena ny 04 jona teo rehefa namono olona sy nangalatra.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Olombelona tahaka ny inona no feno habibiana namono nahafaty an’i Rakotoarisoa Henri, 70 taona, izay fantatra tamin’ny fiarovany ny ala misy mitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
Tovovavy iraay mboa tena tanora erotrerony no hita teny Ambohijoky omaly hariva; rah any angom-baovao teny an-toerana sy ny nambaran’ny depioten’Atsimondrano Andry Ratsivahiny dia nisy nanary teny Ambohijoky ity tovovavy ity.
Hamaky ny tohiny
10-juin-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.