tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Archive du 16-nov-2022

Actualités

Maro no efa leo any anaty rafi-panjakana Misy mamoaka indray ny dosie « saropady »

16-nov-2022

Manomboka miparitaka ny dosie tsiambaratelo na « confidentiel » mikasika ny olona ambony sy manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy mivoaka fahatany anefa ireny fa ao raha, manomboka maro ny tofoka sy tezitra amin’ny tsindry samihafa,

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Tsy mihitsoka, tsy mandeha

Izay tsy mihetsika mihitsoka, izay tsy mahandry mandeha!”, hoy ny fehezanteny tena namantarana izany ngezalahin’ny literatiora malagasy antsoina hoe Elie Rajaonarison izany,

Edito

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Ambohimanga Rova Nofatoran’ny bibilava ny tendany, maty ilay zazalahy

Nisehoana tranga mampalahelo ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova, distrikan’Avaradrano.

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Mpandraharaha nikojakoja làlana “Vita ny asa, avoahy ny volanay, aza vonoina izahay…”

Nanao hetsika teo anoloan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy etsy Anosy indray ireo orinasa mpikojakoja làlana omaly 15 novambra, nitaky hatrany ny handoavana ny volany.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Raharaha Ikongo Raikitra ny fanadihadiana parlemantera

Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly 15 novambra 2022 ny tolo-pehin-kevitra laharana 003-2022/PR mikasika ny fananganana vaomiera mpanadihady ilay toe-draharaha niseho tao Ikongo ny 29 Aogositra 2022,

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Romain Métanire Nisaraka tamin’ny Minnesota United FC

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Minnesota United FC, klioba divizionina voalohan’ny baolina kitra ao Etazonia, izay tsy hanome azy ireo ny fifanarahana intsony ity klioba ity.

Sport

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Assanati Famo Gidraka Manameloka ny fifofoana ain’olona sy ny fanaovana herisetra

Raharaha anisan’ny mbola mitana ny sain’ny maro eto amintsika ilay tranga niseho ny faran’ny herinandro teo nihatra tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Fanafihana teny Ankadindramamy Fito mianadahy nidoboka am-ponja vonjimaika

Lehilahy miisa 04 sy vehivavy miisa 03 no voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahatelo sy fahaefatra etsy Anosy ny Alakamisy 10 sy zoma 11 novambra

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Ahiahina fandrendrehana saim-bahoaka Mampametra-panontaniana ireo zava-mitranga

Efa hatramin’ny fotoanan’ny Apollo 21 na ny raharaha fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina,

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Gérard Ramamimampionona “Mila mafy be isika mamerina ny tena maha malagasy antsika”

Rafi-piarahamonina eny ifotony ny Kianja maitso izay efa novoizinay hatrany amin’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM,

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Halatra kojakojana fiara Roalahy no tratra teny Anjanahary

Lehilahy miisa roa 38 taona sy 30 taona no saron’ny ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo teny Anjanahary ny alin’ny alatsinainy 14 novambra teo tokony tamin’ny 9 ora alina manoloana an’i Radama

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Harivola Raharinosy “Hadisoana goavan’ny fitondrana ny nametraka governora”

Tsy maintsy atao ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Harivola Raharinosy, satria I Madagasikara aloha dia firenena miankin-doha tanteraka amin’ny mpamatsy vola any ivelany.

Politique

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
SEG - Jeneraly Serge Gellé “Vonona hanampy amin’ny raharaha Ikongo ny zandary”

Naneho ny Sekreteram-panjakana Miadidy ny zandarimariam-pirenena na ny SEG Jeneraly Serge Gellé omaly teny amin’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny firesahana ny fananganana vaomiera mpanadihady ny raharaha Ikongo,

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Mahatsinjokely-Bemahatazana Tanora katolika 2 maty nilatsaham-baratra

Namono olona indray ny varatra tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Tanora katolika miisa roa no indray maty nilatsaham-potaka, mpino eo anivon’ny fiangonana Katolika Ekar Mahatsinjokely

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Pika sary ho an’ny gazety Raikitra ny fampirantiana mandritry ny iray volana

Fanaovan-gazety feno ny fakana sary ho an’ny gazety na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “PhotoJournalisme” saingy mbola vitsy mpahalala,

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Arivonimamo Nohafahan’ny fitsarana ilay nambara fa mpanolana zaza

Nanohana ny fon’ny maro tokoa ny zava-tranga tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny omaly talata. Lehilahy iray voalaza fa nanolana zazavavy kely iray 13 taona mbola madio mantsy no nohafahan’ny fitsarana ao Miarinarivo

Actualités

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Card image cap
Fanampiana ny any Atsimo Nanolotra menaka 80 taonina i Rosia

Mitondra fanampiana ara-tsakafo ho an’i Madagasikara i Rosia, ka nisy omaly ny lanonana nentina nanehoana ny fanolorana menaka “tournesol” milanja 80 taonina izay hampiasaina amin’ny “cantines scolaires”

Sosialy

Hamaky ny tohiny
16-nov-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus