tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 26-déc-2022

Finoana

Hafatra fankaherezan’ny Filohan’ny FJKM “Mifalia amin’ny krismasy fa aza resin’ny Krizy mafy”

26-déc-2022

Nitondra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny rehetra, indrindra fa ny mpino FJKM ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi Filohan’ny FJKM noho ny fahatrarana ny andron’ny krismasy.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Fahasahiranana tsy miato

Anaty fiatoana politika moa isika izao, raha ny mahazatra fivoin’ireo mpitondra fanjakana isan-taona.

Edito

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Varotra sy fanjifana Midangana andro aman’alina ny vidim-bary

Mbola vao aty amin’ny volana desambra dia efa midangana izay tsy izy ny vidim-bary, manodidina ny 900 Ar noho mihoatra ny kapoaka ho an’ny vary mba tsaratsara kalitao, izay tena mampikolay vahoaka tokoa.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Pastera Heritiana « Vao mainka hihamafy ny fiainana amin’ny 2023 »

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny amin’ny hasarotan’ny fiainana ny isan-tokantrano. Na ny mpanambola aza mitaraina ho sahirana vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana.

Finoana

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Tiako I Madagasikara Miomana hibata fandresena sy haka fitondrana

Miomana ny hibata fandresena tanteraka ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona ho avy io. Efa misoko

Politique

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Krismasy fifampizarana Nanampy ireo zaza sahirana ny fikambanana FAFA

Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Nizara vatomamy sy bisky ho an'ireo Zokiolona sy ankizy avy amin'ny fianakaviana sahirana teny amin’ny Fokontany Morarano,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Gadra politika Miandry ny firodanan-dRajoelina vao ho afa-bela

Isan’ny nanamarika ity Fitondrana Rajoelina ity ny fanenjehana sy ny fanagadrana ara-politika. Misy ny Fanjakana mivantana no ao ambadika,

Politique

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Fitantanana petatoko Ny RN2 potika, ny “autoroute” tsy antenaina

Miha potika andro aman’alina, ary tena mampitaraina ny rehetra ny lalàm-pirenena faharoa mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo.

Politique

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Faha 55 taonan’ny TVM Nampahatsiahivana ny lasa ny fandaharana rehetra

Nampahatsiahivana ny lasa nanomboka ny taona 1967, izay nanombohan’ny TVM na ny televizionina malagasy ka hatramin’izao taona 2022 izao ny fandaharana rehetra nandeha tao amin’ity televizionim-pirenena ity ny tontolo

Actualités

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Ylias Akbaraly Mbola voasokajy ho isan’ny « CEO de l’année »

Mbola nosokajian’ny Financial Afrik ho isan’ireo olona 100 voasokajy ho mitondra fanovana an’I Afrika ny CEO-n’ny Vondrona Redland Ylias Akbaraly.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
RN1 Bis Maintirano- Tsiroanomandidy Nitera-doza namono olona ny lalan-dratsy

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny haratsian-dàlana any amin’ny RN1 Bis mampitohy an’i Maintirano sy Tsiroanomandidy ny faran’ny herinandro teo.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Zazavavy vao 12 taona Notambazana vola sy « biscuit » dia naolana avy eo

Lehilahy iray 46 taona no nosamborin’ ny polisy miasa ao amin'ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Anosy ny 20 desambra teo rehefa nanolana zaza tsy ampy taona.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Mahery Lanto Manandafy “Tsy maintsy hampifalifaliana ny mpanjakanareo”

Izaho moa migadra fa toa gadra hafa koa ny anareo “fonctionnaires” na mpiasam-panjakana tsy nahazo “prime” na fisitrahana, hoy ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera voafonja,

Politique

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Fanabeazana ho amin’ny fandriampahalemana Tontosa teny Andoharanofotsy ny « Peace camp »

Notontosaina teny amin’ny École le P’tit Pré Andoharanofotsy miaraka amin’ny mpianatra miisa 200 teo ny faran’ny herinandro iny ny “Peace Camp”

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Silo sy Rod Eagle Hamarana ny taona etsy Analakely

Hamarana ny taona etsy amin’ny Hotely Pietra Tana Analakely I Silo sy Rod Eagle ny alin’ny 31 desambra izao ary eny an-toerana ihany koa, araka izany,

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
TENY GASY Hay, sady Filohan’ny Repoblika no Ben’ny Tanàn’Antananarivo ?

Ny fitsabahan’ny Filohan’ny Repoblika, manakorontana ny fandaminana ezahin’ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo apetraka, dia endriky ny tsy fisian’ny Fitsinjarampahefana eto Madagasikara.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Mikaikaika ireo mpivarotra ao Alaotra Tsy mandeha mihitsy ny tsenan’ny gisa

Anaty krizy tanteraka ny vahoaka aty Aloatra fa dia sambany no tsy mahavidy gisa intsony ny ankamarony amin’izao fetin’ny krismasy sy faran’ny taona izao,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Vaky fasana tany Boeny Lehilahy iray nahatrarana rojo volamenan’ny maty

Lehilahy iray 28 taona no voatery nosamborin’ny polisy ny alin’ny 23 desambra teo tany amin’ny Faritra Boeny. Nahatrarana rojo volamena halatra izy io raha araka ny fantatra.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Fiarovana ny tontolo iainana Haparitaka any amin’ny faritra ny baka « Kopakelatra »

Taorian’ny fanolorana baka kopakelatra hanariana ireo tavoahangy plastika manerana ireo EPP miisa 7manerana ireo

Actualités

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Ambodizozoro Ampitatafika Nahazo paompin-drano fisotro madio rehefa ela nijaliana

Fokontany iray ao anatin’ny kaominina Ampitatafika ny Fokontany Ambodizozoro. Tamin’ny taona 2009 no nanana

Sosialy

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Card image cap
Arnaud milalao any Ejipta Nampidi-baolina indray

Nampidi-baolina indray niaraka tamin´ny El Gouna, klioba divizionina voalohany amin’ny taranja baolina kitra hilalaovany ao Ejipta, ny faran’ny herinandro teo ny lohalaharana malagasy, Arnaud Andrianantenaina.

Sport

Hamaky ny tohiny
26-déc-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus