01-mars-2023
Miverina mifoha sy toa mihamafy ny resaka krizin’andrim-panjakana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna.
Hamaky ny tohinyTsaroantsika ny fomba fiteny na vazivazy zaritenany fanao teo aloha isaky ny tapaka ny herinaratra dia ilay hoe “any izay I Andry eee!”.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Banga efa ho herintaona izao ny toeran'ny Goverinoran'ny Faritra SAVA taorian'ny nanendrena ny tompon-toerana
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Na eo aza ny resaka Wagner sy teratany vahiny miditra an-tsokosoko eto amin’ny firenena dia isika samy malagasy mihitsy izao no lasa mampihorohoro,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Anaty fanomanana fifidianana isika ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Tanjona, noho izany, ny hanana stratejia tsara, hoy izy.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Ho entinareo ho aiza i Madagasikara rehefa avy nopotipotehinareo sy nampahantrainareo? hoy ny mpanao politika Rakotomalala Henry na Riribe.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Niazo an’I Nosy Varika indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina taorian’ny distrikan’i Mananjary.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Mitohy ny ady eo amin’ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR sy ny Taxi-moto.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Nilaozan’olomanga ny antoko politika Natiora, hoy ny filoha nasionaliny, Mihari-Ni-Rencho, satria dia fantantsika fa andro vitsy lasa izay no nindaosin’ny fahafatesana ny filoha am-boninahitry ny antoko,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Mbola misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara ny fandalovan’ny rivodoza Freddy izay namely an’i Madagasikara ny 21-22 febroary teo, izay niteraka voina maro arak’olona, ara-potodrafitrasa,....
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Fantatra izao fa hiverina eo amin’ny fahitalavitra indray i Naina Rabearivony. Andrarezin'ny televiziona ity zokibe eo amin’ny asa fanaovan-gazety ity.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Tsy misy firenena mandroso raha toa ka mbola miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo sy fanjifana sakafo tsy ara-pahasalamana sy tsy madio »,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Nampitondraina ny lohahevitra hoe “Ahoana no fomba hampiakarana ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-panjakana sy ny fanapahan-kevitra eto Madagasikara”
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Toy ny fanaon’izy ireo isaky ny alarobia voalohany amin’ny volana dia hisy indray ny famelabelaran-kevitra atolotry ry zareo eo anivon’ny Famoloana telozoro anio alarobia 1 martsa.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Nampiray feo tetsy amin’ny kianja maitson’Analamahitsy ny faran’ny herinandro teo ireo mpandala fomban-drazana sy mpino Miozolimanina fa ilaina ny fanarenan-kasina ity firenena ity.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Manaporofo hatrany ny fahantrana mihoampampana iainan’ny Malagasy ny zava-misy eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Ankoatra ny dadabe, ny dadatoa, ny dadafara, ny raikely,
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Ny tantaran’I Madagasikara, ny fitondrana mpanjaka nisy teto dia “multipolaire” na avy amina fihaviana maro, hoy ny Cheikh Antehimoro, Yackobson Brice Andrianirina
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Velon-taraina mafy ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy. Mirongatra izaitsisy mantsy ny hala-botry ao an-toerana ka ankoatra ny vaky trano
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Resabe tsy mety vita ilay disadisa misy eo amin’ny fiangonana zandriny iray any Alakamisy Itenina Fianarantsoa sy ny sekolim-panjakana Ceg sy lisea any an-toerana mikasika ny fanoheran’ireo zanaky ny mpino mianatra ao
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
Tovolahy pompista iray afak’omaly no nitondra vola mitentina 3 ka hatramin’ny 6 tapitrisa nitsoaka tany Vavasaha Sambava.
Hamaky ny tohiny
01-mars-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.