tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Archive du 10-mars-2023

Fampianarana

Sosotra mafy ny governemanta Hakatona 1 volana ny “Polytechnique” Vontovorona…

10-mars-2023

Avy any amin’ny goveremanta ny baiko nentina nanakatonana ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona, hoy ny loharanom-baovao azo antoka iray, manoloana ny toe-draharaha mafampana eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Tsy fahombiazana tanteraka

Efa voafaritra sahady ny teny tokana azo hanambarana ny zava-bitan’izao fitondrana izao tao anatin’izay 4 taona

Edito

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Digitalisation” ho an’ny oniversite Roa taona aty aoriana ve dia mbola tsy milamina ihany ?

Zary olana mandavan-taona ny fikorontanana eny amin’ny Anjerimanontolom-panjakana.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Tsy firaharahiana ny oniversitem-panjakana Miandry ny “1972 bis” ve vao ho taitra ?

Misahotakotaka indray ny tontolon’ny fampianarana ambony noho ny fitakiana fanatsarana fotodrafitrasa sy fanatsarana fomba fiasa ataon’ny mpianatra.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Fitantanan-dRajoelina 2019-2023 Iza no sahy miteny fa nandroso i Madagasikara ?

Rehefa mandinika ny fitantanan’izao fitondran’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izao dia tsy hay ny tsy ho lasa saina sy ho latsa-bava hoe sahy izay miteny fa nandroso i Madagasikara tato anatin’izay 4 taona izay.

Politique

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Fiadidian’ny Repoblika Nosoloina ihany koa ny Sekretera Jeneraly

Taorian’ny fanoloana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny herinandro teo, dia niova ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika na ny SGP.

Politique

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Kaomisera Eoropeanina Janez Lenarčič “Tsy ampy fiomanana amin’ny rivodoza ny Fanjakana”

Nanao fitsidihana ofisialy an’i Madagasikara nandritra ny 3 andro nanomboka ny 7 martsa hatramin’ny omaly 9

Sosialy

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Ekipan’ny Filoham-pirenena Natao mpanolotsaina ireo minisitra very seza

Nampidirana ho “samihafa” tao amin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly 09 martsa 2023 ny fanendrena ireo mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena miisa 4 vaovao.

Politique

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Vadintany nibodo fonenana hatramin’ny 2021 Nalan’ny vadintany namany tao omaly

Didim-pitsarana efa tamin’ny taona 2021 no notontosaina omaly 9 martsa 2023, hoy ny fampitam-baovao mikasika ny fampiharana didy fanalana olona nibodo fonenana teny Ambohibao.

Actualités

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Randrana sendikaly “Hiha mafy hatrany ny hetsika”

Ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy dia nanatontosa fampiofanana ireo mpikambana ao aminy momba ny zon’ny vehivavy tetsy amin’ny foibeny etsy 67ha ny Randrana sendikaly ny 8 martsa lasa teo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Lianah, 19 taona nihirana “Tsy natao hirotorotoana ny kanto”

Namoaka vokatra vaovao foana i Lianah, hoy ity mpanakanto nisehatra teo amin’ny hira sy mozika tao anatin’ny 19 taona ity.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Olona mamono tena Olana ara-tsaina no antony, hoy ny psikôlôgy

Olana ara-tsaina no mahatonga ny famonoan-tena hoy ny psikôlôgy iray. Mihevitra mantsy hoy izy ny olona iray mamono tena fa ho afaka tanteraka izy raha vantany vao miala eto an-tany,

Actualités

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Awards Novegasy Naato noho ny olana ara-tenika ny fifidianana

Efa 3 taona nisesy izao no nisian’ny fifidianana ireo sarimihetsika maro mpankafia sy mpilalao maro mpakafia izay antsoina hoe “Awards Novegasy”.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
CEG Nanisana Miato indray ny fampianarana

Miato indray ny fampianarana eo anivon’ny CEG Nanisana, Antananarivo renivohitra. Mitokona tsy mety manohy ny

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Famonoana Tale Epp sy ny zanany Tovolahy iray no efa nosamborina omaly hariva

Tovolahy iray ahiahiana ho nahavanon-doza tamin’ny famoana ny talen’ny EPP ao Antanimena, kaominina ambanivohitra Manakambahiny Andrefana,

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Musée de la photo Andohalo Hiaka-tsehatra i Mamisoa Razanajatovo rahampitso

Mandalo eto Madagasikara Razajatovo Mamisoa, vehivavy teratany Malagasy manan-talenta amin’ny resaka hira nandeha nanatevina traikefa sy fahaizana tany am-pitandranomasina tany.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Ilanivato Anosipatrana Niditra an-keriny tao an-tranon’olona ilay lehilahy

Tena efa miditra an-keriny ao an-tokantrano amin’ny andro atoandro amin’izao ireo tontakely sy mpangalatra. Lehilahy iray 42 taona ny alarobia 08 martsa teo no tratra nanao izany teny Ilanivato Anosipatrana.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
FIBA Word Cup 3x3 Hidona amin'ny rezatra ry Elly

Efa nampoizina ihany fa ho mafy ho an'i Madagasikara ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany eo amin'ny basikety 3 x 3 hatao any Vienne (Autriche) ny 30 mey ka hatramin'ny 5 jona ity.

Sport

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Orange Pro League Nivoaka nandresy ny CFFA

Miakatra miadana maka toerana any aloha ny CFF Andoharanofotsy taorian'iny fandresena azony omaly tetsy amin'ny By Pass nanoloana ny Disciples FC.

Sport

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Card image cap
Naivo Raholdina mivady “Solombavambahoaka hatrany no ho ataonay”

23 taona amin’ity 2023 ity no nanaovan-dRamatoa Hanitriniala Raholdina mivady asa sosialy raha 16 taona no naha ara-panjakana ny Fanantenana FAFIV, hoy ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity.

Politique

Hamaky ny tohiny
10-mars-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus