Novakivakiana ny firaisankina. Tsy hoe tsy fidiny io fa fanahy iniana. Ny fizarazarana izay hanjakana. Nataon’ny mpanjanaka io ho fitondrana.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Mandeha indray ny fomba fiasa hafahafan’ny Fanjakana ankehitriny eo amin’ny lafiny fanamboarana làlana. Asa maika na “travaux d’urgence”
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Misy amin’ireo olona tafiditra mivantana na ankolaka tamin’ilay raharaha faharendrehana sambo namoizana ain’olona 30 mahery ny alin’ny 11 martsa teo no mitaraina ankehitriny, raha ny vaovao avy any an-toerana.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Notanterahina tany Berlin Renivohitr’i Allemagne ny 28 sy omaly 29 martsa ny fifanakalozan-kevitra lehibe momba ny Angovo azo avaozina na BETD.23 (Berlin Energy Transition Dialogue) andiany faha-9.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Miharatsy hatrany ny raharaham-pitantanana an’I Madagasikara. Mihatery ny làlana ho an’ny Mpitondra, ary toa vao mainka mitarika azy ireo hanao izay saim-patany.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Toy ny isan-taona, nisy ny lanonam-panjakana nentina nahatsiarovana ny 29 martsa 1947 daty nanamarika ny tolom-panahafana hialana teo ambany vahoan’ny mpanjanan-tany.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Vavaka iraisam-pinoana notanterahina teny amin’ny 𝗙𝗝𝗞𝗠 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗙𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 omaly Alarobia no nentina nanamarihana ny tsingerin-taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Adihevitra foana ny hoe: nahoana ny zanatany Anglisy no mandroso no mandroso kokoa mitaha ny an’ny Frantsay? Nahoana I Madagasikara no tsy mandroso?
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Nandroso be ny mozika malagasy, hoy i Henri Ratsimbazafy, izay hankalaza ny tsingerintaona faha 90 nahaterahany etsy amin’ny CC ESCA Antanimena ny 2 aprily izao manomboka amin’ny 2 ora sasany tolakandro.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika afak’omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teny amin’ny Saint Michel Itaosy, kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Tsy tokony ho adinon’ny olona fa nivoaka tao amin’ny lisitry ny vondrona IRD ny filohan’ny antenimieram-pirenena,
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Espace Fenitra By pass ny andiany
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Isan’ny tantara tsy hay kosehina ho an’i Madagasikara ny 29 martsa 1947, izay omaly no faha-76 taona nahatsiarovana izany.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Anisan’ny niharitra ny mafy na dia mbola vao 11 taona monja aza nandritra ireny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947 ireny Ramampy Zénaide le Chat fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Mamazena.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Nisy fahafatesan’olona maro sy fahasimbana ara-materialy ny 29 martsa 1947, hoy ny mpahaitantara, Faramalala Ratsaratoetra. Raha ny tombana na “thèse” nisy, hoy izy, dia maromaro.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Mipetraka foana ny tantara eny fa na maro amin’ny taranaka aty aoriana aza nomanadino izany.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Notokanana afak’omaly teny Vontovorona ny «Miellerie» niarahan’ny Ministeran’ny Varotra sy ny FivMpaMa (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) nisalahy.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Tapitra Vita ny fampisehoana an'i Dupuis , tsy nisy nandeha tamin'ny laoniny ny kajikajy. Tapi-dalan-kaleha izy ka hany heriny nametra-pialana ny talata teo.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Raikitra ny fanagadrana fisamborana ireo olona voalaza fa isan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanakanana sy
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
Lasibatry ny antsojay ankehitriny ny mpitsabo nentim-paharazana fa tsy FITRAMA irery, hoy ny filoha tale jeneralin’ny mpitsabo malagasy FITRAMA teo aloha, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Hamaky ny tohiny
30-mars-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.