09-mai-2023
Tsy manery ny hisian’ny tetezamita na governemantan’ny firaisam-pirenena eto Madagasikara ny Vondrona Eorpeanina, raha ny nambaran’ny Ambasadaorony Rtoa Isabelle Delattre omaly 08 mey 2023.
Hamaky ny tohinyManomboka lasa fanontanian’ireo heverina ho tonga saina na mahira-tsaina, izay antsoina amin’ny teny vahiny malaza ankehitriny hoe «éclairé»
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Niteraka adihevitra ny ho fandraisan’ny tafika miaramila zazavao miisa 4000 hanao fifanarahana manomboka ny fiandohan’ny aogositra izao ary ao anatin’ny 2 taona ihany,
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Mbola adihevitra tsy vita ny raharaha fitsinjarana ilay « Prize money » mitentina 500 000 dolara azon’ny Barea A’ tany amin’ny CHAN 2023.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Mihasarotra ny toerana misy ny Fanjakana Rajoelina, feno ny tondro rehetra maneho fa ho sarotra ny hitazona ny fahefana eo am-pelantanany.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Misaodisaody eo ambony kianja politika ny resaka fananganana tetezamita hanomanana ny fifidianana, ary efa manomboka maromaro ireo mpanao politika milaza fa tsy ratsy io.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Miandrandra fatratra ny fahazoana ny fanampiana ara-bolan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) ny Fanjakana Malagasy.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Taorian’ny Praiminisitra, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina indray no nandray ireo delegasiona avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay notarahin'ny Talen’ny Departemanta Afrika,
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Niakatra avo roa heny ny vidin’ny sakafo amidy eny an-tsena amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Amin’ny anaran’ny tenako manokana fa tsy amin’ny anaran’ny antoko politika izay misy ahy dia ny Leader Fanilo no itondrako fanazavana momba ny zava-nitranga teo anivon’ny antoko
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Ho mafy indray ny sedra hiandry ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra isan-tsokajiny amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao ho avy io.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tena malaza be ireo karazana kojakoja vita Malagasy vita amin’ny rofia amin’izao eto amintsika.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tsy voatsara ny 70%-n’ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’i Toamasina. Misy amin’izy ireo anefa no efa nisazy 15, 20 ary 25 taona hany ka tena mahatsiaro mangirifiry.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tsy mitsaha-mivoatra ny fitiavan’ny olona vola. Ankoatra ireo entana azo hamidy dia efa lasa fitaovana amidy hahazoam-bola ihany koa amin’izao ny zazakely ho an’ireo tsy mataho-tody.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tamin’ny volana janoary taona 2021 no nampahafantarina voalohany teto amintsika ny fiandohan’ny fandaharan’asa
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tena miparitaka ny zava-mahadomelina eto amintsika. Misy karazany maro izy ireny ka ho an’ireo rongony rarany ohatra dia lehilahy iray 44 taona
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Manohy ilay teny filamatrany hatrany ny fikambanana « Croix rouge » entina hanamaivanana ny fanaintainan’ny mpiara-belona .
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Mianiana fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana»... Ramatoa Razanamahasoa,
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Aoka tsy ho fifanarahana olona miisa 2 na 3 no heverina hitondrana vahaolana eto amin’ity firenena ity, hoy ny antoko politika FTM na Fitiavana ny tanin-janako eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tonga laharana fahatelo i Mika Rasoamaromaka nandritry ny fiadiana ny tompondakan'i Lafrantsa Clio Trophy lalan-tany farany teo tany Castine.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Tafapetraka eo anivon'ny minisiteran'ny tanora sy fanatanjahantena omaly 8 mey 2023 ny fitanana an-tsoratra ny filatsahan-kofidian'ny olona ho filohan'ny Malagasy Rugby.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Raikitra indray e ! Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Rallye toy ny mahazatra ny klioba FMMSAM.
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Isan'ireo mpilalao mbola ajoroko matetika i Koloina, hoy i Patrice Beaumelle, mpanazatra ny klioban’ny baolina kitra
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Misaona ny Fanantanjahantena malagasy. Nodimandry omaly tany Lafrantsa i Rapo Devise. Olobe''ny Toliara ary modely ho an'ny tanora maro i Rapo
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
Te ho tonga matihanina sy hahazo amboara amina fifaninanana goavana aho, hoy ny mpiandry tsatoby sady kapitenin’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra malagasy latsaky ny 23 taona na Barea U23,
Hamaky ny tohiny
09-mai-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.