02-mars-2022
Fanehoan-kevitra feno fahamailoana, tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany no nataon’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Chrisian omaly 01 martsa 2022,
Hamaky ny tohinyGaga ihany omaly naheno ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nilaza fa maika amin’ny hanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena Malagasy. Inona amin’izay vina izay moa izany no tena maha maika azy ny hanatontosa
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Marina fa nidina ny tarehimariky ny Coronavirus, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina, fa mila maminavina ny ho avy sahady isika. Ny jolay 2020 no tratra ny PIC ho an’ny andiany voalohany na “1ere vague”, hoy izy.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Miteraka savorovoro eo amin’ireo mpiompy ao Bongolava ankehitriny ireo omby 439 isa izay notazomina "fourrière " tao Andranomadio ka nanjavona Tsy hita satria voalaza fa navoaka tamin’ny alalan’ny "procuration ".
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Niroso tamin’ny grevy indray ny mpianatry ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly talata 01 martsa 2021 taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana 24 ora nomeny ny tompon’andraikitra ara-panjakana hamaliana ny fitakiany.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Hita ho tsy ahavaha olana intsony ny tatatra marivo tsy misy afa-tsy alalina 1 metatra maheru kely io, rehefa mandinika ny rano tondraka eto Antananarivo isaky ny misy rotsak’orana na dia kely aza.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Andiana tanora 10 ka hatramin’ny 20 taona no fantatra fa mivondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe Foroche any Antsiranana.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Vao nisy federasionin’ny baolina kitra miisa 2 ny 24 febroary 2022 teo no nandatsahan’ny federasionina iraisampirenena na FIFA sazy,
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Nitondra fanazavana mikasika ny vatsim-pianarana ny minisitra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, omaly talata 1 martsa 2022,
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Saika hatao parking na toerana fijanonan’ny fiarakodia sy ny moto amin’ny alina ny ankamaroan’ireo sekoly ambaratonga fototra eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Nanambara Atoa Ntsay Christian omaly 01 martsa 2022 fa Praiminisitra notendrena handamina ny fandehan-draharaha eto anivon’ny firenena eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ary tsy mieritreritra ny hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy izany anio maraina ny maso na dia efa maro mpampahatsiahy matetika fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy aza ity raharaham-pitsarana handeha anio ity satria dia tsy manam-pahefana
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Hafahafa ny zava-nitranga tany Bongolava momba ny vola fanampiana ho an’ny mpampianatra na "Subvention"
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Ady tsy mety vita, sakay sy maso an-taonany maro, fifampiandrasana an-kendritohana,… Io no mamintina ny fifandraisan’Atoa Imbiki Herilaza sy Rtoa Fanirisoa Ernaivo, efa 6 taona teo ho eo izao.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Isan'ny mitana ny sain'ny mpanara-baovao maro maneran-tany ankehitriny ny fivoaran'ny ady misy eo amin'i Rosia sy ry zareo Ukrainianina.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Miisa 1000 ireo zaza no tsy manana kopia nahaterana hoy ny ben’ny tanana kaomina Tsaramandroso faritra Boeny ka antony nanaovan’ny kaomina hetsika fizarana maimaaimpoana azy io mba ahafahana manampy ireo
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Vaky taraina ireo solontenan’ny mpianatra ho polisy izay tamin’andiany Iratra nivoka ny tamin’ny 24 desambra 2021 fa tsy mbola nandray karama ara-dalana sy ireo tombotsoa.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Raibeny namoa-doza 57 taona indray no nahavita nanolana ny zafikeliny vao 15 taona tao amin’ny fokontany Morafeno Atsimo, kaominina an-drenivohitr’Arivonimamo, volana maromaro lasa izay.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
Omaly no voasambotra teny Soavimasoandro raha araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny olon-tsotra tsara sitrapo ilay Ray niteraka nahavita nanolana ny zanany vavikely vao 13 taona monja. 37 taona itsy voalohany raha ny fantatra.
Hamaky ny tohiny
02-mars-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.