27-mai-2022
Nanomboka ny 24 may lasa teo no notsaraina teny amin’ny Fitsarana momba ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) eny 67 ha ny mpandraharaha ara-toekarena Mbola Rajaonah.
Hamaky ny tohinyTsy misy angamba olona iray mirotsaka kandida hitondra firenena, dia tena handeha hamotika sy hanala baraka ny tenany no ao an-tsainy, fa mba hametraka zavatra tsara sy hampandroso ny vahoaka.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Tandra vadin-koditra amin’ny fiainana eto Antananarivo Renivohitr’i Gasikara ny fitohanan’ny fiara. Fatiantoka tsy roa aman-tany amin’ny lafiny toekarena anefa no aterak’io.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Feno 30 taona tamin’ity taona ity ny nijoroan’ny Banky MCB Madagascar, izay rantsan’ny MCB (Maritius Commercial Bank) manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Tsy misy atahorana intsony ny ain’i Gaston kely ilay zazalahy nisy nanala tany amin’ny distrikan’i Manja ny voamasony ilany andro vitsy lasa izay.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Miadana ny fiaingana amin’ny resaka fizahantany eto Madagasikara izao, hoy ny manam-pahaizana momba azy io, Durlin Retogniane.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Nikopak’elatra lasa nankany Dubaï ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ary efa any an-toerana hiatrika ny fanokafana ny « Forum Seamless 2022 sur l’économie numérique ».
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Mbola mafana ny toe-draharaha mahakasika ny raharaha "QMM" any amin'ny faritra Taolagnaro amin'izao fotoana. Niparitaka tamin’ny haino aman-jery sasany sy ny tambazotran-tserasera tato ho ato ny filazana fa tena nisy singa
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Hozaraina fitaovam-pianarana na kits scolaire hiatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE avokoa ireo ankizy sahirana ao anatin’ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Nosokafana tamin’ny alalan’ny lanonana goavana ny 24 mey teo ny faha-45 taonan’ny CNARP (Centre National d’Application de Recherche Pharmaceutique) ivon-toeram-pikarohana momba ny fahasalamana,
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mahamaro ireo olona mivezivezy na haute saison isika amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Nanomboka tamin’ny nidiran’ny vaksiny hatramin’ny 15 mey 2022 teo, miisa 1 290 584 manome 4,54% amin’ny Malagasy no vita vaksiny feno mba hiarovana amin’ny coronavirus,
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Feno 9 taona ny 25 may 2022 teo ny HWPL na ny rafitra iraisampirenena miompana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo solontenan’ny SECES manerana ny nosy raha ny tatitra nataon’ny SECES tetsy Ankatso ny alarobia teo ho
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Ny 3%-n’ny mponina manerana ny Nosy no fantatra fa tratry ny havotsana ara-tsaina. Amin’ny ankapobeny dia mbola zaza izy ireny dia efa hita amin’ny alalan’ny fihetsiny, toe-batana izay hahafahana mianatra sy manovo fahalalana
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no saika matin'ny fitsaram-bahoaka tany Sambava raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Raharaha be vao hita ilay zazakely nentina mpanampy vavy nitsoaka nanomboka ny alarobia hariva lasa teo. Noho ny hamaroan’ny fifampizarana teo amin’ny facebook sy ny fanapariahana ny sarin’ilay mpanampy sy ilay zaza anefa
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Ho fanohanana hatrany ny vita Malagasy, ny IKM Antsahavola dia mikarakara hetsika mitondra ny lohanteny hoe “Neny Tiako Fifaliako”, andiany faha 8,
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Miasa jamba rafozana ny Ben’ny Tanàna. Tsy ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo ihany, fa izy anefa moa no talaky maso indrindra. Satria eto amin’ny Renivohitra dia eo ambany mason’izao tontolo izao.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Faritra roa isan’ireo miaina ny voka-dratsin’ny haintany, ny fiovan’ny toetrandro, kere,…ny ao Anosy sy Androy.
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
Ankoatra ny fampianarana sy tohana ara-bola dia isany tena mampiavaka sy ahafantarana ny tetikasa tanterahin’ny « Fonds d’intervention pour le developpement » ny vondrona VOAMAMI, izay ahafahan’ireo mpikambana manao tahiry avy amin’ny vatsy ara-bola na koa mindrana vola entina
Hamaky ny tohiny
27-mai-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.