07-sept-2022
Ny alin’ny alakamisy 25 aogositra no nahatrarana ireo volamena milanja 17kg mahery saika haondrana any Dubaï no sarona tamin’ny sidina Air Madagascar ho any Paris.
Hamaky ny tohinyMifampihazohazo! Tsy mafana, tsy mangatsiaka. Ny mpanohitra maka toerana hitenenana sy hitabatabana lava dia hatreo. Ny mpanohana ny fitondrana moa dia midera lalandava ny fitondrana mijoro na mety na tsia no ataony.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Taorian’ny fahavitan’ny fifanarahany tamin’ny ekipan’I Al Qadisiya, divizionina faharoa ao Arabia Saodita, dia somary azo lazaina ho niato sy naka bahana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mihitsy ilay lohalaharana malagasy,
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Henjana ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny roa andro. Mbola misy fahabangana ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Mandoa 100 000 Ariary isan-kerinandro mitomboka karne dia afaka mipetraka ivelany manohy asa andavan’andro ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy - Toamasina,
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany ny marainan’ny omaly 06 septambra 2022 ny Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Misy mahavanon-doza ny Reny na dia Reny nitondra sivy volana an-kibo izao aza. Porofon’izany ny fahoriana niainan’i Lefitra, ilay zazavavy kely vao 9 taona monja mipetraka ao Ankakafotra, distrikan’Ambositra.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Mpiasa sivily iray ao amin’ny Akademia Miaramila ( ACMIL) Antsirabe antsoina hoe: “Petit” no re fa namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao azo antoka omaly.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
“Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.",
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Mahatsiaro ho sahirana ireo mponina any amin’ny distrikan’i Morondava, Faritra Menabe. Nasiana fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’alina mantsy ao an-drenivohitr’ity distrika ity manomboka amin’ny 06 ora hariva ka
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Mandroso ireo dingana fikarakarana ny vatsim-pianarana volana faha-7, faha-8 ary faha-9, hoy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Tale misahana ny vatsim-pianarana
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Tokantrano roa samihafa no indray nisy namaky teny Andravoahangy sy Ankadivato omaly talata 06 aogositra maraina.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Tsy mbola fantatra na maty na velona ilay zaza varira niandohan’ny raharaha Ikongo, raha ny fampitam-baovao
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Isan’ny raharaha nitana ny sain’ny maro, ary notsongolohan’ny mpanao gazety roa mianadahy tamin’ny tambajotran-tserasera ny raharaha mikasika ny governoran’ny faritra Melaky,
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Havaozina sy hasiam-panamboarana avokoa ireo foto-drafitrasa fanaovana fanatanjahantena ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Atsimondrano.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Olona 500 mianadahy avy amina fokontany 17 eto an-drenivohitra no indray nirotsaka nanadio ny lakan-drano niainga avy eny Ankadimbahoaka miazo an’Ankadikely Ilafy nanomboka omaly talata 06 Septambra.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Mbola mitohy hatrany ny fitokonan'ny mpampianatra ao amin'ny Lycée Mixte Ambanja, izay niditra tamin’ny andro faharoa.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Etsy amin’ny Le Havre Café Mamory Ivato indray no fotoana ny alin’ny 23 septambra izao. Revy Lolo sy ny tariny indray io, hoy ny mpikarakara,
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Tovolahy iray vao 18 taona monja no fantatra fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay resaka fanafihana sy halatra niaro volo olona tany amin’ny Faritra Menabe.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Ny zoma 09 septambra izao no ho avy an-toerana hitokana fotodrafitrasa any Ambilobe.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
Anjaran'ireo Barea zandriny latsaky ny 23 taona indray no hiditra an-tsehatra sy hirariana hanaraka ny lalan'ireo zokiny tafakatra ho any amin'ny CHAN 2023 any Alzeria.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
80%n’ny malagasy izao, raha ny tarehimariky ny OMS, ny malagasy misitraka fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny fikambanana mpitsabo malagasy FITRAMA.
Hamaky ny tohiny
07-sept-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.