04-nov-2022
Tsy vitan’ny fampanantenana mirarakopana sy fikarohana zava-baovao hitarihana na hanodinana ny sain’ny olona ho resy lahatra hatrany amin’izay ambara no antsoina hoe :
Hamaky ny tohinyVita sonia omaly alakamisy 03 novambra 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsonian'ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Ejiptianina Samcrete hanamboatra ny lalambe migodana na "autoroute"
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Reraky ny adin-tsaina amin’ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro ny ankamaroan’ny olona amin’izao.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika izao no hitanay ho zava-dehibe, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Mitohy ny hetraketraka atao amin’ny ben’ny tanànan’i Livasoa Randriatahianamalala, izay tombanana avy hatrany fa noho ny antony ara-politika.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Tsy misy izay tsy miaina amin’ny fahavoazana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny ankamaroan’ireo firenena maneran-tany.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Raha 3 848 miliara ariary ny tanjona voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana LFR 2022 mandritra ny taona, nampiditra 2 515 miliara ariary izay manome 65,3% tamin’ny vina ho an’ity taona ity ny Fitantanana ankapoben’ny
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Miditra amin’ny andiany faha 4 ankehitriny ny Festival Fiaro Aomby ao amin’ny kaominin’ Anorohoro, faritra Alaotra mangoro. Mampiray ny lafivalon’Alaotra mangoro io, hoy ny ben’ny tananan’Anorohoro,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Nohitsian’ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga, tamin’ny alalan’ny Maitre Rakotomalala Rija, fa nisehoana fihoaram-pefy ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Raim-pianakaviana iray no fantatra fa maty notapahin-doha tao amin’ny Fokontany Andrehitra, kaominina ambanivohitra Belobaka,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Ramatoa iray mpanao cash point eo akaikin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe Bazarma , Ambodin’Isotry omaly alakamisy 03 novambra no notsindromin’ny jiolahy tamin’ny antsy.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Nametraka fitoriana faninefany i Mahery Lanto Manandafy taorian’ny tsy nandraisana ireo fitoriany teo aloha mahakasika teratany vahiny iray,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Hodinihina ao amin’ny asam-baomiera eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny alatsinainy 07 novambra 2022 izao ny fangatahana fananganana kaomisionina mpanao fanadihadiana mikasika ny raharaha Ikongo,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara, hoy ny voalazan’ny baiboly ao amin’ny Korintianina 9: 16, hoy ny mpitarika ny antoko mpihira Taratry ny mazava, Ralaiarimanana,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Mamely olona maro indray ankehitriny ny Coronavirus, hoy ny filohan’ny mpitsabo malagasy FITRAMA, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nahavita dingana isika, hoy izy,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Lanonana roa sosona no tontosa tao amin’ny CNEC Ambatoloana omaly 03 Novambra 2022, araka ny famoaham-baovaon'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Isan’ny adihevitra ankehitriny ny nangatahan’ny fitondrana Malagasy ny dinika mikasika ireo nosy malagasy, hoy ny antoko politika Otrikafo,
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Mitombo hatrany ny fitaovana sy foto-drafitrasa azon’ny polisim-pirenena.Tonga nanolotra fitaovana ho entina manampy azy ireo amin'ny fiarovana sy fanampiana ny vahoaka ny Masoivohon'i Korea Atsimo omaly Alakamisy 03
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Miditra amin’ny andro faharoa anio zoma 04 novambra ilay hetsika "Semaine de l'éducation aux médias et à l'information" tanterahina etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina.
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
Ho avy eto Madagasikara i Grand P ilay mpihira, mpanao hatsikana, ary influanceur malaza be ao Guinée. Ao Sambava izy no hivantana mandritra ilay Concert Caritatif hotanterahiny ao anatin’ilay Festival Wakawaka ny 04
Hamaky ny tohiny
04-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.