tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Archive du 25-janv-2023

Politique

Fitondrana miady an-trano Efa ny depiote IRD no mitarik’olona hidina an-dalambe

25-janv-2023

Mitohy ny fifanandrinana eo amin’ny olom-boatendry sy olom-boafidy ao anatin’ny Fitondrana. Depiote roa izao tato anatin’ny herinandro no nitarika olona hidina an-dalambe mitaky ny fialana olom-boatendry.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Politikan’ny fizarazarana

Hatrany amin’ny ambaratonga fototra no efa nampianarina fa politikan’ny “mpanjanantany” na ny marimarina kokoa, mpanandevo tany na “colonisateur”,

Edito

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Tsy ho lany intsony ireo na hanao mazia aza!”

Fanehoan-kevitra diplaomatika ny an’ny frantsay, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Praiminisitra Ntsay Christian “Izy ihany no mamatotra ny tenany”

Saika isan-taona dia misy rivodoza, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Antoko politika Otrikafo “Tombony ho an’ny Frantsay ny korontana eto”

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny ambasadaoro Frantsay eto amintsika. Teboka maromaro, hoy ny antoko politika Otrikafo,

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Politika avo lenta Mody hamboly korontana hirosoana amin’ny tetezamita ?

Na vao ny herinandro lasa teo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian no nilaza sy nanome antoka fa tsy maintsy hisy fifidianana amin’ity taona 2023 ity.

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Raharaha QMM Fanaovan-tsonia telo sosona nandravonana ny disadisa

Notanterahina ny talata 24 janoary 2023 tao Tolagnaro ny fifanaovan-tsonia fifanarahana miisa telo teo amin’ny orinasa QMM andaniny sy ireo mpanjono avy ao Hovatraha,

Toekarena

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Hajo Andrianainarivelo “Mila politika sahisahy ny firenena”

Fanalahidy lehibe ahafahana mitondra fanovana eto amin'ny firenena ary miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy,

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Raikitra ny diabe teny Anosy Mitaky ny fialan’ny Minisitra Lalatiana ry Rossy

Nafampana tetsy Mahamasina sy Anosy omaly noho ny fifanolanana eo amin’ny samy artista ary ny artista sasany sy ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Taorian’ny gidragidra Voafidy ihany ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA

Taorian'ny gidragidra, narahina fandaminana naharitra ora maro, niditra tamin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny OMDA (Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona) ihany ireo artista.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Voka-dratsin’ny rivodoza Tafiakatra 7 ny maty, 35 001 ny traboina Tafiakatra

7 ny isan’ireo olona namoy ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, ary 13 kosa ireo tsy hita popoka, izay nisy fihenany iray,

Actualités

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Zon’ny Diaspora hifidy Niara-nidinika tamin’ny ICMPD ny raharaham-bahiny

Notanterahina teto anivon’ny Ministeran’ny Raharam-bahiny ny famaranana ny dinika momba ny fomba afahan’ireo Malagasy am-pielezana na Diaspora misitraka ny zon’izy ireo hifidy.Nitarika an’io ny Ministera

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka Hanolotra 32,5 tapitrisa Euros ny vondrona Eoropeanina

Mbola azo lazaina ho ambany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eto amintsika. Ezahina hohatsaraina izany, manomboka izao.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Fifaninanana Miss University Africa Hisolo tena an’i Madagasikara i Morgane Harikanto

Manana solontena hiatrika ilay fifaninana Miss University Africa isika eto Madagasikara. Andriamoria Morgane Harikanto,

Actualités

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Lalam-pirenena 33b Tapaka tanteraka, mihoatra ny arabe ny rano

Tapaka tanteraka ny lalam-pirenena 33b mampitohy an’Ambatoboeny sy Andranofasika. Vokatry ny fiakaran’ny rano eny amin’ny arabe no mahatonga izany.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Loza tao toamasina II Zazakely iray no namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny distrikan’i Toamasina II omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teo ho eo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Moto very tetsy amin’ny parking 67 ha Saika namidy 3 tapitrisa Ar, tratra ilay mpanera

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy ao amin'ny Sûreté Urbaine de Tananarive momba ilay halatra moto nitranga ny herinandro lasa teo teny amin'ny Parking 67ha.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Kaominina Ambohimangakely Tratran’ny fokonolona ireo mpangalatra gisa

Omaly 24 janoary 2023, tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro tao Behitsy, fokontany ao ihany, kaominina Ambohimangakely,

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Ambilanibe Anosibe Vehivavy bevohoka iray nianjera ka naratra noho ny lalan-dratsy

Mafy ny mahazo ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ambilanibe Anosibe, kaominina Antananarivo renivohitra.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Antoko AREMA Hanofanana ny tanora hananany fihariana ho azy manokana

Nanatanteraka fanentanana sy dinika niaraka tamin’ireo mponina sy ny tanora teny amin’ny Kaominina Tanjombato Antananarivo Atsimondrano ny antoko Arema izay notarihin’ny sekretera nasionaly Annick Ratsiraka, ny sabotsy teo.

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Jean Nirina Rafanomezantsoa “Tokony asiana sekoly mampianatra fametraham-pialana eto”

Tokony ahitsy isika amin’ny raharaham-pirenena sy fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Card image cap
Bruno Fuchs - Depiote Frantsay Manahy amin’ny fitoniana politika eto Madagasikara

Mampiahiahy tanteraka, hoy ny depiote frantsay, Bruno Fuchs, ny fitoniana politika ao Madagasikara ao anatin’izao fiomanan’izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy fifidianana heverina ho manakaiky vahoaka ao izao,

Politique

Hamaky ny tohiny
25-janv-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus