15-févr-2023
Miombo hatrany ny vesatra andetehana ny Minisitry ny serasera teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nohelohina higadra an-tranomaizina 30 volana sazy mihatra miampy lamandy 2 tapitrisa Ar
Hamaky ny tohinyMiaina latsa saika isan’andro ankehitriny ny vahoaka malagasy. Raha avy nitsidika kely an’iny vavahadin’I Madagasikara iny ianao, izany hoe tetsy Ivato,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Taorian’ny 3 taona niatoan’ny sidina Antananarivo-Johannesbourg, niverina nanomboka ny 30 janoary ny sidin’ny kaompania Airlink raha ny fampahafantarana niparitaka,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tapitra anio 15 febroary 2023 ny fifanarahana 15 volana azo havaozina teo amin’ny Fitondrana Rajoelina sy ny Cabinet Rothschild & Co,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Saron’ny Sampan-draharahan'ny fadintseranana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Nosy-Be ny mpandeha iray teratany Tanzaniana niaraka tamin'ny rongony milanja 9.174 kg
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tontosa omaly ny atrikasa nanaovana tatitra ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny COP27 na ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro natao tany egypta.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tsy miaro ireo olona gadrain’ny Fitondrana Rajoelina ankehitriny, fa midika zavatra maro ary endriky ny tsy fisiana finiavana hametraka fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena ny fanagadrana ara-politika mandeha ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Hentitra ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Miantso ny mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika rehetra ny fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ny drafitra ankapoben'ny fampandrosoana ny tambazotra ara-toekarena na « TaTom »,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Falifaly isika izany izao fa tonga I Hery Rajaonarimampianina, hoy ny mpanao politika sady mpandinika raharaham-pirenena, Harivola Raharinosy.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Efa navoakan’ny CENI iny fa ny 9 novambra sy 20 desambra no hanaovantsika fifidianana, hoy ny filoha lefitry ny
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Betsaka ireo olona manana olana ara-pitiavana amin’izao. Tsy vitsy noho izany ireo mahavita mamono tena sy mamoy fo mihitsy antony hijoroan’ny fiangonana Fjkm amin’ny alalan’ny komitin’ny fianakaviana.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Hotanterahina ny 18 sy 19 martsa ho avy izap ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho Polisy ( sokajy : Agent de Police , Inspecteur de Police, Officier de Police , Commissaire de Police ) dingana voalohany.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Zazavavy kely vao 16 taona monja sembana ara-batana sy ara-tsaina no bevohokan-draikeliny ka teraka teny amin'ny toeram-pitsaboana iray tao Sainte-Marie.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Hafakely ny hetsika ny " grillage" tolo-tanana hatao etsy Anosy e amin’ny zaridaina vaovao, karakarain’ny fikambanana Tolo-tanana.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tena efa lasa manendaka avokoa ny ankamaroan’ireo olona manao asa tsy ara-dalana amin’izao.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tena hafa dia hafa ny fetin’ny mpifankatia na ny Saint Valentin izay nankalazaina omaly ho ana lehilahy iray monina eny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Lehilahy iray nisandoka ho Polisin’Alasora no vaosambotry ny zandary tany Carion afak’omaly 13 Febroary rehefa nanao fanararaotana tany an-toerana.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Miroso amin'ny fanatanterahana sy ny fametrahana ny tetikasa Fiahiana sosialy amin'ny faritra miisa 23 manerana an'i Madagasikara ny minisiteran'ny mponina raha faritra 15 no mbola misy an'izany amin'izao,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tsy hino loatra aho hoe hampitsimbadika zavatra ny fahatongavan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, eto satria efa samy nitondra ireo,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Tokony hisy ny fifampiresahana mialohan’ny fifidianana, hoy ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Mila atao io na inona atao anarany ary andraisan’ny rehetra anjara,
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Mitohy hatrany ny fiakaran’i Lalie an-tsehatra. Taorian’ny fahombiazana tamin’ny seho nataony farany ny 23 desambra 2022
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Miditra amin'ny andro fahaenina sahady ny Orange Pro League. Ary mananjara Antananarivo fa sady ahita lalao tena miady no mihaona amin'ireo mahery fo tamin'ny CHAN.
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
Ela ny ela fa vita ihany ilay lalana efa nampitaraina ny mponina tetsy amin’ny Fokontany Ambodiraotra Antsakaviro, ao anatin’ny Boriborintany fahatelo
Hamaky ny tohiny
15-févr-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.