20-févr-2023
Taorian’ny ankibata tovovavy, halatra varira, halatra voamaso, mitohy sesilany indray ny habibiana tsy roa aman-tany amin’ny fanapahan-doha any amin’ny faritra sasany eto amin’ny Nosy.
Hamaky ny tohinyMbola lavitra an’ity Madagasikara malalantsika ity ny atao hoe fandrosoana. Amin’alahelo lehibe moa ny filazana izany ho an’ny tia tanindrazana kanefa rehefa mijery ilay fiainana sy fivelomana hany sisa mba misy eto amin’ity
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Naneho ny heriny indray ny depioten’i Bongolava sy ireo olom-boafidy miara-dia aminy, niaraka tamin’ny vahoakan’i Tsiroanomandidy sy ny solontena avy any Fenoarivobe ny sabotsy lasa teo.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Fotoana izao hanambarana ny hery rehetra ijerena ny tena tokony hisitrahana ny zo fototry ny mpiasa Malagasy,
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Nieren-doza ireo mponina tao amin’ny Fokontany Benivary sy Verezambola , Kaominina Ambonivohitr’ Antsirabe ny sabotsy alina teo tokony ho tamin'ny 10 ora.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Nisokatra ny sabotsy 18 febroary 2023 teo, tany Addis-Abeba Ethiopie ny fihaonana lehibe an-databatra boribory mikasika ny Angovo aty Afrika, izay nomena ny lohahevitra "Sécurisation de l'accès universel à l'énergie en Afrique" andiany faha 36.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Manomboka izao ny valaben’ny sendika eto Madagasikara na SSM dia hametraka fomba fiady vaovao, hoy ny sekretera jeneraly lefitr’izy ireo, Fama Razafimahazo.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Mitohy ny fanatsikafonana sy fitakiana ataon’ireo olom-boafidy ao Bongolava ny governoram-paritra Atoa Ramiaramanana Joseph.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Notsikerain’ny Ben’ny tanànan’i Kiranomena mafy ny heveriny fa fitantanana tsy manjary sy tsy ara-drariny misy ao amin’ny Faritra Bongolava.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Tontosa ny sabotsy teo teny amin’ny Marulix Andakana ny fanokafana ny hetsika fambolen-kazo ho an’ny diosezy
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Fifandrinfian-javatra sa niniana natao ny nizarana ho roa ny delegasiona hamonjy fiofanana any Sina. N'y Talata teo tokoa no nanainga ny atletisma sy ny fibatana fonjamby.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Tany amin’ny 1639 atsinanan’I Toamasina no nisy ny Foiben’ilay rivodoza Freddy omaly tamin’ny 3 ora tolakandro teto amintsika,
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Tapitra mihorohoro avokoa ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina manoloana ny fidiran’ilay rivo-doza Freddy eto amintsika rahampitso Talata.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Jiolahy iray no maty voatifitry ny Polisy ny sabotsy 18 febroary teo tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro tany amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo rehefa nanafika tao an-tanana.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Lehilahy miisa roa 20 taona sy 57 taona no tratra nangalatra lavanila ambodiomby ny 18 febroary teo tokony ho tamin'ny 04 ora hariva tany Mahanoro.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Lehilahy iray vao 21 taona monja no tratra niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Ambatomena ny 16 febroary teo tokony ho tamin’ny 05 ora maraina.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Nasainay anio avokoa, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny SSM na Valaben’ny sendika eto Madagasikara, Fama Razafimahazo,
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Raha ho fitaovana ihany dia aoka ho fitaovana hametraka tontolo hanjakan'ny rariny sy ny marina, hoy ny mpanao politika, Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Naneho ny hafaliany manoloana ny fivoahan’ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe « Petar Sbirkov, itinéraire d’un grand urologue-chef de service (peu) ordinaire » I Danielle Holy,
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Andro fahaenina nahitana fahagagana ny faran'ny herinandro teo ho an'ny Orange Pro League. Nahitana koa ny faharesen'ny JET Kintana nanoloana ny Disciples FC.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Manomboka tia baolina kitra vehivavy ny mponina ao Betafo. Mifarimbona rahateo moa ny rehetra hamelomana ity kitra vehivavy.
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
Ny taona 2021 no niorina ny klioban’ny baolina kitra, Ilambo Football Club na Ilambo FC, klioba iray ao Bongatsara
Hamaky ny tohiny
20-févr-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.