tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Archive du 22-févr-2023

Politique

Jeneraly Rakotonirina Richard Nahilika fa nanalokaloka ny PM Ntsay ?

22-févr-2023

Mazava ny sary politika, fa isan’ireo mafy sy tsy azo hontsonina ny Praiminisitra Ntsay Christian na efa nohozongozonina tamin’ny endriny samihafa aza.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Hafainganana mankaiza ?

Mahery vaika ity ny rivodoza. Manana hafainganam-pandeha izay azo lazaina hoe tsy niova, 35km isan’ora eo hatrany moa no voalaza.

Edito

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fitakiana fanalana minisitra Tsy nisy nihaino i Rossy sy Raholdina

Na teo aza ny antsoantson’ireo depiote IRD sasany tahaka an-dry Paul Bert Rahasimanana na Rossy sy ry Naivo Raholdina mba hanalana minisitra sasany tondroin’izy ireo ho manaratsy endrika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina,

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Marc Ravalomanana Nandefa taratasy any amin’ny Praiminisitra

Nandefa taratasy nankany amin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sady Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Filoha nasionaliny Atoa Marc Ravalomanana omaly 21 febroary 2023

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fitondrana Rajoelina Tonga amin’ny fetra tsy azo ihoarana

Ny sary politika misy ankehitriny, io endrika isehoan’ny fanendrena mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta iny, dia maneho fa voafetra sy tsy lasa lavitra firy intsony ny hodidina politika sy stratejikan’ny Filoha ankehitriny Andry

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Antoko TIM Hosakanana ny Magro Behoririka amin’ny zoma ?

Ny zoma 24 febroary 2023 izao no fotoana nofaritan’ny Antoko TIM tarihin’i Marc Ravalomanana hanaovana hetsika fifampiarahabana tratry ny taona etsy amin’ny Magro Behoririka sady fanentanana ny olom-pirenena hisoratra

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fanovana governemanta farany teo “Efa karazana fanonganam-panjakana…”

Sesilany ny fanehoan-kevitra taorian’ny fanovana sy fikitihana mpikamban’ny governemanta ny alatsinainy 20 febroary 2023 teo.

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Filankevim-pitantanan’ny EDBM Lantosoa Rakotomalala no voatendry ho filoha

Voatendry ho filohan’ny filankevim-pitantanan’ny EDBM na sampan-draharaha misahana ny toekarena sy ny varotra vaovao eto Madagasikara ny minisitry ny varotra sy fanjifana teo aloha,

Toekarena

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Mpianatra eto Analamanga Ny 6 martsa vao miverina mianatra

Namoaka fanapahan-kevitra omaly ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny fampiatoana fampianarana eto amin’ny faritra Analamanga.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Teny ibeazana eto Madagasikara Novelabelarina ny anjara toeran’ny fitenim-paritra

Tontosa omaly tetsy amin’ny akademiam-pirenena momba ny teny etsy Tsimbazaza ny fanamarihana ny datin’ny 21 febroary eto Madagasikara.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Mponin’Antananarivo Voataiza tsy hamokatra tsy fidiny

Voataiza tsy hamokatra tsy fidiny manoloana ny fahapotehan’ny lalana miha lalim-paka sy ny toham-boivoy eto Antananarivo ankehitriny ireo mponin’Antananarivo renivohitra.

Actualités

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Durlin Retogniane “Niova paikady ny fitondrana”

Tsy dia nanome endrika vaovao amin’ny antsoina hoe tontolo politika eto Madagasikara ny fanovana governemanta, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
APIPA Nanadio ireo lakandrano ahiana ho tondraka

Nanadio ireo lakandrano rehetra ahiana ho tondraka mandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy ny APIPA. Voakasik’izany ny vallée de l'Est sy ny Farihy Masay Atsimo ary ny lakandranon'i Midi.

Actualités

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fanampina tsiro hatao amin’ny sakafo Mety hitarika « insuffisance rénale »

Mitombo isa hatrany ireo olona lasibatry ny faharerahan’ny voa na ny insuffisance rénale amin’izao eto amintsika.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fiarahana amin’ny papasaosy na mamasaosy Fahavarana hatrany no hiafarany hoy pastera Heritiana

Saika mirona amin’ny fiarahana amin’ny papa saosy na mama saosy avokoa ny ankamaroan’ireo tanora zazalahy sy tanora zazavavy ankehitriny.

Actualités

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Notoloran’i Japon « ambulance » miisa 6

Ny fiara fitondrana marary no mbola tena olana eto amintsika. Voakasik’izany ireo faritra saro-dalana izay matetika lanjaina na entina amin’ny bao ireo vehivavy hiteraka sy ireo olona marary mafy.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Kaominina Talatamaty An’arivony ireo hazo efa novolena tao Andranovelona

Toy ny olom-pirenena rehetra dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanamaintsoana ny tanana hahafahana miaro ny tontolo iainana mba holovain’ny taranaka faramandimby ny kaominina Talatamaty.

Actualités

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Ady tany tao Sakaraha Novonoin’ilay rangahy sy ny namany ny zanak’anabaviny

Tra-tehaky ny Polisin'ny FIP Toliara tao Andaboly ny lehilahy iray 28 taona afak’omaly 20 febroary raha lavon'ny

Actualités

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa Ho alefa eny amin’ny antenimieram-pirenena

Manatanteraka ny vinan’ny filoham-pirenena sy ny politika akampoben’ny fitondram-panjakana no anjaran’ny minisitera, hoy ny minisitry ny asa sy fampanana asa vaovao, Richard Jean Bosco Rivotiana,

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Mangarano Toamasina Olona roa naratran’ny fipoahana tavoahangina « gaz »

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontany Mangarano 11-47 eny amin'ny lalana miazo ny SOS village d'enfant Toamasina omaly fa nisy entona nipoaka tao amin' ny trano iray vao an-dalam-panamboarana.

Actualités

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Fikambanana FFAM sy FITRAMA “Aoka tsy hiandry toerana fa tsy izay no fitiavan-tanindrazana”

Malagasy isika, miteny foana hoe fitiavan-tanindrazana,hoy ny FFAM na “Force féminine d’aide mutuelle”, izany hoe ny fikambanan’ny vehivavy ho fanampiana ny mpiara-belona omaly tetsy Anisizato.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Lasa Resampa misolo Resampa

Voatendry ho ministry ny Tanora sy Fanatanjahatena i Haja André Resampa. Hifandovan'ny taranak'i André Resampa ity ministera ity.

Politique

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Card image cap
Barea CHAN Mety ho lasa koa i Nina

Taorian'i Rakool dia mieritreritra haka an'i Nina Razakanirina ilay mpiandry tsatokazo, ny Mouloudia Club d'Alger.

Sport

Hamaky ny tohiny
22-févr-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus