Misy fenitra ny atao hoe fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny filohan’ny fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana na ANTM,
Lany henatra tokoa angamba no hany sisa azo ilazana ny fitondrana mijoro ankehitriny! Valalanina ianao maheno ireo horonam-peo mivoaka etsy sy eroa.
Mitety an’i Eoropa ankehitriny ny filohan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo.
Efa mihoatra ny 1.000 ireo mpikambana eo anivon’ny Fikambanana Leo Fahantrana na ny FILEFA eto Antananarivo renivohitra amin’izao tarihin’ny filoha nasionaly Razafindrakoto Jackye.
Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona 2023 ny Fikambanana FIZAFAFI (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’i Fianarantsoa) notarihin’ny Filohan’ny Filohany Rtoa Christine Razanaahazoa izay sady Filohan’ny
Tsy takona hafenina ny lonilony anatiny eo amin’ny samy olon’ny mpitondra, ary misy ny efa manangana saina fotsy.
Mampaneno lakolosy sy mampiaka-peo eo anatrehan’ny firongatr’ireo karazam-pitsaboana isaky ny elakelan-trano ny mpiasan’ny fahasalamana.
Zanakazo miisa 4000 no novolen’ny vondron’orinasa STOI na “Société traiding de l’océan indien” tamina alalina 1 metatra teny Anjanamasoandro, kaominin’ambanivohitr’i Behenjy,
Seha-pihariana miisa 6 no hatao laharam-pahamehana ao anatin’ilay Fanamby ho an’ny fahaleovantena ara-tsakafo sy fiarenana ho an’i Madagasikara.
Toy ny fanaon’izy ireo isaky ny alarobia voalohany amin’ny volana dia hisy indray ny famelabelaran-kevitra atolotry ry zareo eo anivon’ny Famoloana telozoro ny alarobia 1 martsa izao.
Manimba tontolo iainana ny Base Toliara, hoy ny Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy eto Antananarivo na FIMA. Misy asa fanomanana ao mialohan’ny asa rehetra, hoy ny filohan’ny FIMA.
Tena tsy tsara intsony amin’izao ny mametraka fitokisana aman’olona. Na ireo mpamily sy mpanampy an-trano heverina ho tena namana akaiky sy havana aza amin’izao efa mivadika ary tena mahavanon-doza mihitsy.
Raha ireo mpitondra taxi moto hatrany teo aloha teo no voalaza fa mpitondra olona mitsoaka ary maka ny entana sy ny fananana rehetra entin’ilay olona dia efa lasibatry ny mpanendaka ihany koa izy ireny amin’izao.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny làlam-pirenena voalohany na ny RN1 omaly alahady atoandro.
Tapa-dava ny jiro eny Fenoarivo Atsimondrano ka hatreny Imerintsiatosika nanomboka ny sabotsy teo. Zara raha mirehitra izany isan’andro na dia efa tena mamay aza ny tsy fandriampahalemana.
Samy mitady hevitra mba hahazoany vola avokoa izao ny rehetra amin’izao indrindra fa ireo tsy an’asa. Tovolahy iray no nanararaotra mpiandry faty ka nangalatra kisoa tao Antsamaka distrikan’i Bealanana ny zoma alina teo.
Mijery ireo marefo ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny fitondram-panjakana Rehefa avy tany amin'ny Distrikan'i Mananjary nitondra hazavana ho an'ireo mpiray tanindrazana niharam-boina noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy
Nanomboka ny sabotsy teo tatsy Maorisy ny fiadiana ny tompondakan'ny Faritra faha 7 eo amin'ny volleyball. Misy
Ela ny ela ka resy ihany ny Fosa Juniors omaly teny Vontovorona. Tamin'ny isa mavesatra 3 noho 1 no nandresen'ny