tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Archive du 13-avril-2023

Fandriampahalemana

Handihizan’ny jiolahy i Toamasina Efa-dahy najedaky ny polisy, miaramila ny iray

13-avril-2023

Nirefodrefotra ny basy ny marainan’ny omaly 12 aprily 2023 tao Ambalabe akaikin'ny Cimetière ao Toamasina.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Noho ny fiandrasana solika Raikitra ny delestazy mifandimby ao Ambatondrazaka

“Noho ny fiandrasana ny famatsiana solika dia manolotra ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana amintsika mpanjifa

Actualités

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Andry Rajoelina Hiezaka hambabo an’Amoron’i Mania indray ?

Hiazo an’Ambositra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 15 aprily izao, izay fiverenana any an-toerana taorian’ny propagandy nataony ny 14 desambra 2018, raha ny fanamarihana.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Fandraisana ny Minisitry ny fanabeazana Itakiana 105 000 hatramin’ny 160 000Ar ireo ZAP any Diana ?

Mandeha indray ny resaka fitakiana sy fanangonam-bola hoenti-manomana ny fandraisan’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ao

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Vanja milevina

Mbola mandrimandry manana aretina aloha isika izao eo anatrehan’ny loza mitatao ho an’ny firenena. Sanatrian’ny vava haniry ratsy sy zava-doza fa raha izao zava-misy ara-politika,

Edito

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Fifidianana, zo maha olona,… Mijery akaiky ny Amerikanina sy ny Firenena Mikambana

Nihaona tamin-dRamatoa Yvette Sylla, Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny delegasiona ahitana ny mpikambana eo amin’ny Kongresin’i Etazonia sy ny « United Nations Foundation »

Actualités

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Tobim-piantsonana MAKI Andohatapenaka

Misy disadisa eo amin’ny mpamily fiara sy ny mpitantana

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Antananarivo Renivohitra Mitombo isa ny mpangataka sy olona mitambotsitra an-dalambe

Miseho hatrany ireo tondro maro samihafa maneho fa miha mahantra sy sahirana ny vahoaka Malagasy. Ahitana taratra izany ny fahamaroan’ireo ireo olona mirohotra mangataka.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza Mitombo isa ireo vehivavy voany eto amintsika

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy tratran’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza eto amintsika.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
SAROTRA NY FIAINANA Te hilalao volabe ny olona, mirongatra ny fisolokiana

Mirongatra izaitsizy ny fisolokiana eto amintsika. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nanomboka ny taona 2022

Sosialy

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Fifandraisana ara-barotr’i Canada sy Madagasikara Hanomboka ny 8 mey ny MECC 2023

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny tranoben’ny varotra sy indostria etsy Antaninarenina

Sosialy

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Naina Andriantsitohaina Mampitombo ny serasera fitetezan-tsena

Tsikaritra tato ho ato, fa miezaka mampitombo ny fitetezan-toerana sy tsena eto Antananarivo ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Fihinanana trondro 4,26 kg isan’olona isan-taona ho an’ny Malagasy

Mbola azo lazaina ho tena ambany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro. Mbola vao 4,26 kg isan’olona isan-taona

Sosialy

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Zandary namono olona Nahazo sary izahay, hoy ny fianakaviana

Vato, vola, finday, safira no voaroban’ireo dahalo nanafika anay, hoy ny fianakavian’ireo niharam-boina vokatry ny

Actualités

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Asan-jiolahy Miha mirongatra

Jiolahy miisa 6 no lavon'ny polisy ny herinandro lasa teo, teny Anosipatrana, raha ny tatitra voaray. Misy mpamerin-keloka amin'izy ireo. Jiolahy 4 ihany koa no lavon'ny FIP Toamasina, omaly.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Seho goavan’AmbondronA Nojerena akaiky ny lafiny fandaminanana

Herinandro mahery kely mialohan’ny seho maimaimpoana goavana ho tanterahana eny amin’ny Avenue Analakely

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Pro League Lasa ny CFFA sy Elgeco

Nandresy tsy niady ny 3FB Toliara ny CFFA omaly satria dia tsy tonga ilay mpifanandrina aminy. Ary raha izao no fandehany izao dia tsy ho avy hiatrika ny Elgeco Plus ihany koa ny 3FB.

Sport

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Judo ,- Sokajy Juniors Laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanaivo

Lasa nitana ny laharana voalohany eran-tany i Laura Rasoanavo Razafy taorianan'iny ny fifaninana tao Luanda,

Sport

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Card image cap
Volley-ball Mahavelom-bolo ny ho avy

Maromaro ihany ireo solofo sy dimby handrafitra ny volley-ball eto Madagasikara. Ankoatra an'Antananarivo izay

Sport

Hamaky ny tohiny
13-avril-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus