tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Archive du 21-nov-2022

Actualités

Minisitry ny angovo Hanala tena sa miandry hoesorina ?

21-nov-2022

Raha toa ka tsy hita tabilao hatreto ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, dia miozongozona ihany koa ny toeran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo noho ny olan’ny angovo sy ny delestazy. Mety hoesorina hatao “fusible” ity Minisitra ity, raha ny feo miainga.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Asa na mbola mitondra !

Asa na mbola azo lazaina hoe mitondra firenena no azo hanambarana ny ataon’ireo ambarantsika ankehitriny fa mpitondra antsika ireto.

Edito

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Marc Ravalomanana “Tsy maintsy hisy fifidianana, soraty ny anarana”

Tahafoana tamin’ireo mpanara-dia azy tao Morondava ihany I Marc Ravalomanana ny sabotsy 19 novambra 2022 na teo aza ny sakantsankana natao tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny TIM natao tao Morondava.

Politique

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
SECES Antananarivo Nanao antso avo ho an’ny mpitandro filaminana

Manoloana ny fanapahana navoakan’ny birao nasionaly sy ny biraon’ireo sampana miisa 6 manerana ny nosy,

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Filàna ara-bary Ny SPM no manafatra ny 33% ny vary ilain'i Madagasikara

Manodidina ny 3 tapitrisa taonina isan-taona ny vary voatoto vokatra avy eto Madagasikara ary jifaina manerana ny Nosy. Mahatratra 450 000 taonina amin’ny filan’ny Malagasy izay tombanana ho 3,5 tapitrisa taonina

Sosialy

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Vahoaka tofoka sy leo delestazy Raikitra ny sakan-dàlana teny Fenoarivo-Ampitatafika

Leo sy tofoka tanteraka amin’ny delestazy lava tsy misy fiafarany ny olona. Naneho ny hatezerany indray ny mponina teny amin’ny faritra Atsimondrano ny sabotsy takariva teo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Norbert Lala Ratsirahonana Tsy filohan’ny AVI intsony, ny politika mitohy

Nanambara ofisialy ny fialany tsy ho Filoha mpitantana ny Antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) Atoa Norbert Lala Ratsirahonana,

Politique

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Coronavirus Nahatratra 195 ny tranga tao anatin’ny herinandro

Tena miha miakatra hatrany ny trangana coronavirus voatily eto Madagasikara, izay endrika maneho fa miverina miparitaka ny aretina. Raha toa ka 71 ny herinandro teo aloha,

Covid 19

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Soavinandriana Ankizy miisa 6 no voaolana tao anatin’ny iray volana

Mirongatra ny fanolanana ankizy any amin’iny Faritra Itasy iny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ankizy miisa 6 no lasibatra tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana tao anatin’ny iray volana.

Actualités

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Morondava Niseho indray ny revin-gadran’ny IRD

Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka tao Morondava ilay tovolahy antsoina hoe: fetra naka tahaka ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fandaharan’ny fahitalavitra tsy miankina iray.

Politique

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Andry Rajoelina Miampy isan’andro ny fampanantenana tsy tanteraka

Ny fangatahanay dia mba ny fanjakana mihitsy no mibaby sy miandraikitra ny fandoavana ireny “Coupe du Monde”,

Politique

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Gasy Tsara Fomba Tena misy ny fanahy manam-bady, mety mamono

Ny vehivavy no tena maro tratran’ity tranga iray ity. Misy fanahy manam-bady izy na andro na alina ka lasa tsy miteraka no sady tsy tia ilay vadiny intsony koa.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Kianja Rabemananjara Tombanana ho vita ny fiandohan’ny 2023 ny fanarenana

Nanolotra fitaovana ho an'ireo klioba miisa 16 mandray anjara amin'ny "Orange Pro League" na OPL toy ny baolina kitra entina miatrika ny taom-pilalaovana 2022-2023 ny fitondram-panjakana.

Sport

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Malagasy miara-miainga Nanamafy fa tsy hanohana intsony ny fitondrana

Nandritra ny fikaonandoham-paritry ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM teto Analamanga dia nisy ny tsao-kevitra vitsivitsy nosintomina avy tamin'ny fanehoan-kevitry ny mpikambana,

Politique

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Misy sahala amin’ny miteny zavatra tsy azo tanterahana eto”

Lasa ankilabao sy noheverina ho tsinontsinona ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara tsiansa satria raha misy minisitera mahazo 1000 isa no mihoatra tamin’ny “poste Budgétaire” ,ny an’ny mpampianatra

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Fiarovana sy fanajana zo Nampita hafatra ho an’ireo mpitondra fanjakana ny ankizy madinika

Mbola tena ambany sy tsy manan-danja mihitsy ny fiarovana ny zon’ny ankizy ho antsika eto Madagasikara. Nampita hafatra mavesatra ho an’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo ankizy mpanankato manana ny maha-izy azy eto

Sosialy

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Solika eto Madagasikara Tena tsy mety voafehin’ny Fanjakana…

Vinavinaina mety hiakatra ho 20% indray ny TVA (Taxe sur la valeur ajoutée) manomboka amin’ny 6 volana faharoan’ny taona 2023,

Actualités

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Ampandrana Vehivavy roa sy lehilahy iray tratra avy namaky trano

Lehilahy miisa roa sy vehivavy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo ny Zoma hifoha Sabotsy teo tokony ho tamin’ny 2ora latsaka fahahefany maraina teny Ampandrana rehefa namaky trano.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Cimetière Anjanahary Noraisim-potsiny ireo mpanendaka roalahy

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP3 Antaninandro ny lehilahy roa samy 18 taona rehefa nanendak’olona teny akaikin’ny Fasana Anjanahary.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Card image cap
Antoko mpihira Taratry ny mazava Nafana ny fankalazana ny 20 taona

Tontosa soamantsara omaly tolakandro ny kaonseritra lehibe fankalazana ny faha 20 taonan’ny antoko mpihira Taratry ny mazava tetsy amin’ny ESCA Antanimena.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
21-nov-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus